Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.47.0-wmf.15
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Event
Event talk
Ntaolo malagasy
0
1877
1149384
1116489
2026-08-17T08:10:15Z
~2026-44983-46
40751
dasdas dasdas
1149384
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Ntaolo malagasy''' dia ireo razamben' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] tany aloha, izay niaina talohan’ ny vanim-potoana nisian' ny [[soratra]]. [[Lovantsofina]] no fomba niampitampitan' ny [[tantara]] tamin’ ny taranaka mifandimby tamin’ izany vanim-potoana izany. Mitory fanajana sy fankatoavana ny fahendreny ny fampiasana ny teny hoe ''Ntaolo''. Araka izany dia manana ny hajany teo amin' ny [[fiarahamonina malagasy]] tokoa izany hoe Ntaolo izany.
Ny [[Fototeny|fototeni]]<nowiki/>n' io teny io dia ny hoe ''aolo'', izay midika https://www.minderatolyesi.com/ [https://www.minderatolyesi.com/ minderci] hoe "aloha", sady nandrafetana ihany koa ny teny hoe ''anoloana''. Ny hoe ''ntaolo'' dia entina ilazana ireo nialoha lalana (razambe). Raha ara-bakiteny, ny mifanohitra amin' ny teny hoe ''ntaolo'' dia ny hoe ''(n)tafara'' izay entina milaza ireo avy sy ho avy aoriantsika (taranaka, fara sy dimby). Ny [[Antandroy|Tandroy]] no tena mahay manonona azy amin' ny fomba mampivoitra ilay [[fototeny]].
== Jereo koa ==
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Tantaran' i Madagasikara]]
1lxitj1cguc4ern8lpmuq0tld6hr7um
1149385
1149384
2026-08-17T08:10:33Z
NDG
35988
Reverted edits by [[Special:Contribs/~2026-44983-46|~2026-44983-46]] ([[User talk:~2026-44983-46|talk]]) to last version by Thelezifor: unnecessary links or spam
1116489
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Ntaolo malagasy''' dia ireo razamben' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] tany aloha, izay niaina talohan’ ny vanim-potoana nisian' ny [[soratra]]. [[Lovantsofina]] no fomba niampitampitan' ny [[tantara]] tamin’ ny taranaka mifandimby tamin’ izany vanim-potoana izany. Mitory fanajana sy fankatoavana ny fahendreny ny fampiasana ny teny hoe ''Ntaolo''. Araka izany dia manana ny hajany teo amin' ny [[fiarahamonina malagasy]] tokoa izany hoe Ntaolo izany.
Ny [[Fototeny|fototeni]]<nowiki/>n' io teny io dia ny hoe ''aolo'', izay midika hoe "aloha", sady nandrafetana ihany koa ny teny hoe ''anoloana''. Ny hoe ''ntaolo'' dia entina ilazana ireo nialoha lalana (razambe). Raha ara-bakiteny, ny mifanohitra amin' ny teny hoe ''ntaolo'' dia ny hoe ''(n)tafara'' izay entina milaza ireo avy sy ho avy aoriantsika (taranaka, fara sy dimby). Ny [[Antandroy|Tandroy]] no tena mahay manonona azy amin' ny fomba mampivoitra ilay [[fototeny]].
== Jereo koa ==
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Tantaran' i Madagasikara]]
tad1a8jcgblp066zwqsi9h6z0ycw9js
Fiteny
0
2135
1149374
1149245
2026-08-16T18:12:59Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy sy nanampy
1149374
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Cuneiform script2.jpg|thumb|220px|ankavanana|Ny [[sora-pantsika]] (cunéiforme) dia anisan'ny fomba fanoratana voalohany indrindraha misy eto an-tany.]]
Ny '''teny'''<ref><small>Teny fampidirana azo tamin' ny alalan' ny fandikan-teny ny an' ny Wikipedia amin' ny fiteny anglisy tamin' ny [https://en.wikipedia.org/w/index.php?title=Language&oldid=1300544334 15 Jolay 2025].</small></ref> dia rafi-pifandraisana ampiasain' ny [[olombelona]], iombonan' ny vondron' olona iray, izay ahitana [[fitsipi-pitenenana]] sy [[voambolana]]. Io no fomba voalohany ampitan' ny olombelona ny heviny, na [[Fitenenana|am-bava]] izany na an-tsoratra. Samy manana ny mampiavaka azy ny fitenin' olombelona noho ny fahasamihafan' ny [[kolontsaina]] sy ny [[tantara]] nivoarany. Manana toetra ahafahana mamorona [[fehezanteny]] tsy voafetra isa ny fitenin' olombelona, ary afaka manondro zavatra sy hevitra izay tsy atrehina akory mandritra ny [[fitenenana]]. Miorina amin' ny fifanarahana ara-piarahamonina ny fampiasana ny fitenin' olombelona sady vokatry ny fianarana ny fahaizana azy.Samihafa ny teny sy ny fiteny satria ny teny adika amin'ny teny frantsay hoe : "langue", ny fiteny kosa dia "dialecte"; ohatra : teny tokana ny teny malagasy fa ny endrika isehoany isam-paritra no samihafa, io endrika samihafa isehoany isam-paritra io no antsoina hoe fiteny (fitenim-paritra)
Ny teny dia heverina fa fomba fifandraisana an' ny olombelona manokana, na dia manana fomba fifandraisana sarotra azo, izay lazaina hoe [[fitenim-biby]], aza ny [[biby]].
Eo anelanelan' ny 5 000 sy 7 000 ny isan' ny fitenin' olombelona eran-tany. Miankina amin' ny fomba fanavahana ny fiteny sy ny [[fitenim-paritra]] ny tombantombana marina. [[Fitenenana|Tenenina]] na soratana ny fiteny voajanahary, na sady tenenina no soratana; na izany aza, ny fiteny rehetra dia azo ampitaina amin' ny alalan' ny fanaitra ('''''[[:en:Stimulus_(physiology)|en]]''''') henon' ny [[sofina]], hitan' ny [[maso]], na tsapan' ny [[tanana]] - ohatra, ny soratra, ny [[sioka]], ny fitenin-tanana, na ny ''braille''.
[[Sary:Cuneiform tablet of merchant's goods, Ur III Period, c. 2100-2000 BC - Harvard Semitic Museum - Cambridge, MA - DSC06143.jpg|vignette|228x228px|Tanimanga nanoratana ny fiteny smeriana sy ny maro hafa tany [[Atsinanana Akaiky]]]]
Ny endika fahita indrindra dia ny [[fiteny tenenina]] toy ny [[fiteny anglisy]] na ny [[fiteny sinoa]] tenenina. Na dia izany aza dia misy koa ny [[fiteny soratana]] sy ny fomba hafa ifandraisana tsy mila feo toy ny fitenin' ny moana (na [[baiko moana]]).
Arakaraka ny fomba fijery [[Filôzôfian' ny fiteny|filôzôfika]] momba ny famaritana ny fiteny sy ny hevi-teny, rehefa ampiasaina amin' ny heviny ankapobeny, ny teny hoe "fiteny" dia mety manondro ny fahafahana mahalala ka ahafahan' ny saina hianatra sy hampiasa rafi-pifandraisana be pitsiny, na ny fahafaha-mamaritra ny fitsipika rehetra mandrafitra ireo rafitra ireo, na ny vondron' ny fehezanteny azo vokarina amin' ny alalan' ireo fitsipika ireo. Miankina amin' ny dingan' ny fanakaran-kevitra ny fiteny rehetra mba hampifandraisana ny marika amin' ny hevitra. Manana rafi-peo mifehy ny fomba ampiasana ny marika ny fiteny am-bava sy an-tanana ary am-pikasihana, mba hamoronana [[Voanteny|teny]] na [[hasin-teny]], sady manana vondrom-pitsipiky ny rariteny izay mifehy ny fomba fampitohizana ny teny sy ny hasin-teny mba hamorona andian-teny sy fehezanteny.
[[Sary:NoamChomskyJune2020.png|vignette|217x217px|I [[Noam Chomsky]], filôzôfa sy mpahay teny amerijana]]
Antsoina hoe [[Haitsikerafiteny|haiteny]] na [[Haitsikerafiteny|haifiteny]] na [[haitsikerafiteny]] ny fandalinana ara-tsiansa momba ny fiteny. Niadian-kevitra farafaharatsiny nanomboka tamin' i [[Gorgias|Gôrgiasy]] (Γοργίας) sy i [[Platôna]] (Πλάτων) tamin' ny sivilizasiôna grika fahiny, ny fandinihana mitsikera ny fiteny, toy ny [[filôzôfian' ny fiteny]], ny fifandraisan' ny fiteny sy ny eritreritra, ny fomba anehoan' ny teny ny zava-misy, sns. Nilaza ny mpandinika toa an' i [[Jean-Jacques Rousseau]] (1712–1778) fa avy amin' ny fihetseham-po no niandohan' ny fiteny, fa ny hafa toa an' i [[Immanuel Kant]] (1724–1804) kosa dia nilaza fa avy amin' ny eritreritra voasaina sy lôjika ny fiteny. Nanamafy ny filôzôfa tamin' ny taonjato faha-20 toa an' i [[Ludwig Wittgenstein]] (1889-1951) fa fandalinana ny fiteny mihitsy ny filôzôfia. Ny olo-malaza amin' ny haifiteny ankehitriny dia ahitana an' i [[Ferdinand de Saussure]] sy i [[Noam Chomsky]].
[[Sary:Brain - Broca's and Wernicke's area Diagram.svg|vignette|187x187px|Ny "faritr' i Broca" sy ny "faritr' i Wernicke".]]
Heverina fa niala tsikelikely avy amin' ny rafi-pifandraisan' ny ''[[Primates]]'' teo aloha ny fitenin' olombelona rehefa afaka namorona [[rijan-kevitra momba ny saina]] sy ny finiavana ifampizarana ny ''[[Hominini]]'' voalohany. Indraindray io fivoarana io dia heverina ho nifanojo amin' ny fitomboan-kadirin' ny [[atidoha]], ary maro ny mpahay teny no mahita ny firafitry ny fiteny ho nivoatra mba hisahana anjara asa ara-pifandraisana manokana sy ara-piarahamonina. Voasahana amin' ny toerana maro samihafa ao amin' ny atidohan' olombelona ny fiteny, fa indrindra ao amin' ny toerana roa atao hoe "faritr' i Broca" sy "faritr' i Wernicke". Afaka mampiasa fiteny ny olombelona amin' ny alalan' ny fifandraisana ara-piarahamonina hatramin' ny [[fahazazana]], ary amin' ny ankapobeny dia miteny tsara ny ankizy manodidina ny fahatelo taonany. Mifampiankina ny fiteny sy ny [[kolontsaina]]. Noho izany, ho fanampin' ny fampiasana ny fiteny amin' ny fifandraisana, ny fiteny dia manana ny fampiasana azy ara-piarahamonina toy ny fanehoana ny maha-izy azy ny vondrona misy ny tena, ny ambaratonga eo amin' ny fiarahamonina, ary koa ny fampiasana azy amin' ny fanadiovana ara-piarahamonina sy amin' ny fialamboly.
Mivoatra sy mitombo isa ny fiteny rehefa nandeha ny fotoana, ary azo fantarina amin' ny fampitahana ny fiteny ankehitriny ny tantaran' ny fivoarany mba hamaritana izay mety ho toetra tsy maintsy nananan' ny fiteny razambe ka nisian' ny dinganam-pivoarana taty aoriana. Ny vondrom-piteny avy amin' ny razambe iray dia fantatra amin' ny anarana hoe [[fianakaviam-piteny]]. Mifanohitra amin' izany kosa ny fiteny izay naharihary fa tsy manana fifandraisana velona amin' ny fiteny hafa ka antsoina hoe [[fiteny manirery]]. Betsaka ihany koa ny [[fiteny tsy voasokajy]] izay tsy fantatra ny fifandraisany amin' ny fiteny hafa, ary mety tsy nisy mihitsy ny [[Fiteny tsy voaporofo fisiana|fiteny]] [[Fiteny tsy voaporofo fisiana|tsy voaporofo fisiana]]. Ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana dia milaza fa eo anelanelan' ny 50 % sy 90 % amin' ny fiteny ampiasaina amin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 dia mety hanjavona amin' ny taona 2100.
[[Sary:Zamenhof portreto.jpg|vignette|I [[Ludwik Zamenhof|Ludwik Lejzer Zamenhof]], mpamorona ny [[fiteny esperantô]] |245x245px]]
Nandritra ny [[Andro Vaovao]] dia nihabetsaka ny isan' ny [[fiteny foronina]]. Fiteny mbola tsy nisy taloha ny fiteny foronina, fa noforonin' ny olona iray na maro; tokony ho sarahina amin' ny fitenim-pirenena ny fiteny foronina; ny [[fiteny esperantô]] no fiteny foronina malaza indrindra maneran-tany.
== Ny hoe "teny" ao amin' ny teny malagasy ==
Tsy manana teny maro ny [[fiteny malagasy ôfisialy]] hilazana ny hevitra manodidina ny teny sy ny fiteny. Miteraka fifangaroan-kevitra sy tsy fitovian-kevitra izany.
=== "Teny" ===
Ny ''[[Rakibolana malagasy]]'', ohatra, dia mamaritra ny hoe "teny" toy izao: "feo avoakan' ny vavan' ny olombelona, izay misy heviny", "fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra", "enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain' ny firenena samihafa"<ref><span lang="mg" dir="ltr"><small>"[http://tenymalagasy.org/bins/teny2?w=teny Teny]", ''tenymalagasy.org''</small></span></ref>.
=== "Fiteny" ===
Manolotra izao famaritana izao ho an' ny hoe "fiteny" ny ''Rakibolana malagasy'': "teny iombonan' antokon' olona iray, izay saika mandrakariva iray firenena", "fomba entina miteny", "zavatra lazaina", "fomba na baiko atao fifandraisana"'','' "azo tenenina"<ref><small>"[http://tenymalagasy.org/bins/teny2?w=fiteny Fiteny]", ''tenymalagasy.org''</small></ref>. Io heviny voalohany io no ampiasaina ato amin' ity lahatsoratra ity.
== Fanasokajiana sy famondronana ny fiteny ==
=== Fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny ara-jeôgrafia ===
==== Fianakaviam-piteny ====
Ny [[fianakaviam-piteny]] dia vondrom-piteny iray fototra izay nivoatra amin' ny alalan' ny fiampitany amin' ny taranaky ny mpiteny mifandimby avy amin' ny razam-piteny iraisana. Izany no atao hoe fihavanam-piteny ara-pitaranahana; tsy midika fihavanan' ny mpiteny an' ireo fiteny iray fianakaviana ireo anefa izany. Ny firesahana ny fianakaviam-piteny dia vokatry ny fampitahana ny fivoaran' ny fiteny amin' ny zavamanana aina, araka ny môdelin' ny hazom-pirazanana. Ny fametrahana izany fihavanam-piteny izany dia sahanin' ny haifiteny ara-tantara.
Ny ankamaroan' ny fiteny eto amin' izao tontolo izao, na ny mbola misy mpiteny ([[fiteny velona]]) na ny efa tsy misy mpiteny intsony ([[fiteny maty]]), dia sokajina toy izany. Amin' ny fampitahana ny fianakaviam-piteny amin' ny hazo dia azo atao ny mampiasa ny teny hoe sampam-piteny hilazana ireo fizaràna hita ao amin' ny fianakaviam-piteny iray.
Indreto ny fiankaviam-piteny misy eto amin' izao tontolo izao:
* [[Fiteny hamitô-semitika|Fianakaviam-piteny afrô-aziatika]] na [[Fiteny hamitô-semitika|fianakaviam-piteny hamiô-semitika]]
* [[Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley|Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley]]
* [[Fianakaviam-piteny nilô-sahariana]]
* [[Fiteny indô-eorôpeanina|Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana]]
* [[Fianakaviam-piteny altaika|Fianakaviam-piteny altaîka]] (izay indraindray sarahina ho [[fianakaviam-piteny torkika]], [[fianakaviam-piteny môngôlika]], [[fianakaviam-piteny tongoza]])
* [[Fianakaviam-piteny oraliana]]
* [[Fianakaviam-piteny dravidiana]]
* [[Fianakaviam-piteny sinô-tibetana]]
* [[Fianakaviam-piteny aostrôaziatika]]
* [[Fiteny aostrôneziana|Fianakaviam-piteny aostrôneziana]]
*[[Fianakaviam-piteny hmông-miena]]
* [[Fianakaviam-piteny tay-kaday]]
* [[Fianakaviam-piteny japônika]]
* [[Fianakaviam-piteny na-dene]]
* [[Fiteny eskimô-aleota|Fianakaviam-piteny eskimô-aleota]]
==== Vondrom-piteny ara-jeôgrafia ====
Ny fianakaviam-piteny izay tsy fantatra mazava ny fihavanany amin' ny dingana ambony kokoa dia atao hoe vondrom-piteny an' erana ara-jeôgrafia (ny [[Vondrom-piteny amerindiana|fiteny amerindiana]] indrindra no antsoina amin' izany). Ny fiteny izay tsy azo hamarinina ny fihavanany amin' ny fiteny hafa rehatra dia atao hoe [[fiteny manirery]].
* [[Vondrom-piteny kôisàna]]
* [[Vondrom-piteny kaokaziana]] (ahitana fianakaviam-piteny telo: [[fianakaviam-piteny abkazo-adigiana|fianakaviam-piteny abkazô-adigiana]], [[fianakaviam-piteny kartveliana]], [[fianakaviam-piteny nako-dagestaniana]])
* [[Vondrom-piteny paleô-siberiana]]
* [[Vondrom-piteny papoa]]
* [[Vondrom-piteny amerindiana]]
* [[Fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia|Vondrom-pitenin' ny tompontanin' i Aostralia]] (anisan' izany ny [[fianakaviam-piteny pama-niongana]], ny [[fianakaviam-piteny bonobàna]], sns).
* [[Vondrom-piteny any Andamàna]]
=== Fiteny isaky ny kôntinenta ===
==== Fiteny ao Afrika ====
Tombanana ho 2 000 any ho any ny [[fiteny ao Afrika]], izay tenenin' ny olona miisa 1 000 tapitrisa any ho any, nefa ireo fiteny be mpampiasa dia vitsy sady maro amin' izy ireo no endri-piteny isam-paritra. Arakaraka ny fomba fiasan' ny manampahaizana no anisana ho 200 na 2 000 ireo fiteny ireo. Ny 50 eo ho eo ihany no misy mpiteny mihoatra 1 000 000 any ho any. Akoatry ny fitenin' ny mpanjana-tany (toy ny [[fiteny anglisy]], ny [[fiteny frantsay]], ny [[fiteny espaniôla]], ny [[Fiteny portogey|fiteny pôrtogey]], sns) dia maro dia maro ny fiteny afrikana voasokajy anaty fianakaviam-piteny dimy: ny [[Fiteny hamitô-semitika|fiteny afrô-aziatika]] na hamitô-semitika, ny [[Fianakaviam-piteny nilô-sahariana|fiteny nilô-sahariana]], ny [[Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley|fiteny nizerô-kôngôley]], ny [[Vondrom-piteny kôisàna|fiteny kôisana]] ary ny [[fiteny aostrôneziana]] (ny [[fiteny malagasy]]).
==== Fiteny ao Amerika Atsimo ====
Fiteny maro isan-karazany ny [[fiteny ao Amerika Atsimo]], ka anisan' izany ireo [[fiteny amerindiana]] ao [[Amerika Atsimo]] izay mahatrara 600 isa any ho any, voatsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 118. ahitana fiteny miisa 32, ohatra, ny ao [[Bôlivia]] izay voantsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 15, sady ahitana fiteny manirery miisa enina. Ahitana fiteny miisa 68 ny ao [[Kôlômbia]] izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 13, ka ny 10 dia fiteny manirery. Misy anefa ny fifangarihan' ny zava-misy eo amin' ny fiteny lehibe ([[Fiteny andina|andina]] sy [[Fiteny goarany|goarany]]) sy ny fiteny madinika amazôniana. Tenenin' ny mponina ao koa ny fiteny nampidirina tamin' ny vanimpotoan' ny [[Fanjanahantany|fanjanahan-tany]] sy ny fiteny nentin' ny mpifindra monina ary ny [[fiteny kreôly]] niforona taty aoriana.
==== Fiteny ao Amerika Avaratra sy Afovoany ====
Ny ankamaroan' ny fiteny be mpiteny indrindra tenenin' ny mponina ao [[Fiteny ao Amerika Avaratra|Amerika Avaratra]] sy [[Amerika Afovoany]] dia nampidirin' ny mpanjana-tany eorôpeana. Niely ny [[fiteny amerindiana]] tany aloha, ankehitriny anefa dia voasolon' ny [[fiteny eorôpeana]] efatra lehibe, dia ny [[fiteny anglisy]], ny [[fiteny espaniôla]], ny [[fiteny frantsay]] ary ny [[fiteny neerlandey]] izy ireo. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny [[fiteny italiana]], ny [[fiteny alemàna]] ary ny [[fiteny sinoa]] maro. Maro koa ny [[fiteny kreôly]] izay niforona.
==== Fiteny ao Azia ====
Ahitana [[fianakaviam-piteny]] sy vondrom-piteny na fiteny manirery maro ny [[fiteny ao Azia]]. Ny fianakaviam-piteny lehibe indrindra hita ao Azia dia ahitana ireo [[fiteny altaîka]], ny [[fiteny aostrôaziatika]], ny [[fiteny aostrôneziana]], ny [[fiteny kaokaziana]], ny [[fiteny dravidiana]], ny [[Fiteny indô-eorôpeanina|fiteny indô-eorôpeana]], ny [[Fiteny afro-aziatika|fiteny afrôaziatika]], ny [[Fianakaviam-piteny môngôlika|fiteny siberiana]], ny [[Fianakaviam-piteny sinô-tibetana|fiteny sinô-tibetana]] ary ny [[fiteny kra-day]].
==== Fiteny ao Eorôpa ====
Ny ankamaroan' ny [[fiteny ao Eorôpa]] dia ao amin' ny [[fianakaviam-piteny indô-eorôpeana]], manarakaraka azy ireo ny fiteny ao amin' ny [[fianakaviam-piteny finô-ogriana]]. Ahitana fiteny ao amin' ny [[fianakaviam-piteny torkika]] koa ao. Ao [[Kaokazy]] dia mitana ny anjara toerany lehibe ny [[Fianakaviam-piteny abkazo-adigiana|fianakaviam-piteny abkazô-adigiana]], ny [[Fianakaviam-piteny nako-dagestaniana|fiteny nakô-dagestaniana]] ary ny [[Fianakaviam-piteny kartveliana|fiteny kartveliana]]. Ao koa ny fiteny izay ampiasan' olona vitsy dia vitsy (toy ny [[fiteny baska]]) izay [[fiteny manirery]], fa ny [[fiteny maltey]] kosa no hany fitenim-pirenena ao Eorôpa anisan' ny [[fiteny semitika]]. Maro koa ny fiteny nampiasain' ny olona taloha tao Eorôpa izay lasa [[fiteny maty]] ankehitriny fa ny sasany kosa tandindomim-pahafatesana.
==== Fiteny ao Ôseania ====
Ny [[fiteny ao Ôseania]] dia ny fitenin' ny mponina any [[Ôseania]] izay hita indrindra ao amin' ny vondrona telo lehibe: [[Fiteny aostrôneziana|fianakaviam-piteny aostrôneziana]], [[Fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia|fitenin' ny tompon-tany ao Aostralia]] ary ny [[Vondrom-piteny papoa|fiteny papoa]]. Ny mpanjana-tany koa dia nitondra ny fiteniny tao amin' io faritra io, indrindra ny [[fiteny anglisy]] sy ny [[fiteny frantsay]].
== Fikarohana sy fianarana momba ny fiteny ==
=== Haifiteny ===
Ny [[haiteny]] no taranja ara-tsiansa andinihana ny fitenin' ny olombelona. Ny [[mpahay teny]] voalohany dia ilay [[Indiana (vahoaka)|indiana]] [[Pāṇini|Panini]] izay nanoratra ny boky hoe ''Ashtadhyayi,'' lahatsoratra mikasika ny fandinihana ny [[fiteny sanskrity]].
=== Fitsipiteny ===
Ny [[fitsipiteny]] dia fitambarana fitsipika momba ny fomba tokony hitenenana sy hanoratana ny fiteny iray, ka na amin' ny lafiny endri-teny izany na amin' ny lafiny fandrafetana [[fehezanteny]], eny fa hatramin' ny [[Hevi-teny (haiteny)|hevi-teny]] sy ny [[Feon-teny (haiteny)|feon-teny]] aza.
== Jereo koa ==
* [[Haiteny]]
* [[Mpahay teny]]
* [[Lisitry ny teny ampiasaina amin' ny haiteny]]
== Loharano sy fanamarihana ==
{{Commons|Language}}
[[Sokajy:Fiteny|Fiteny]]
jortla4lb6cn36g2525is8drjdihs5g
Malagasy (vahoaka)
0
9463
1149373
1131993
2026-08-16T18:07:15Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy sy nanova
1149373
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Malagasy weaving 001.jpg|vignette|287x287px|Malagasy manenona]]
Ny '''Malagasy''' dia ny [[Zom-pirenena malagasy|olom-pirenen' i Madagasikara]] sy ny [[olona]] manana razambe ao amin' ny [[Foko eto Madagasikara|foko malagasy]] izay monina eto [[Madagasikara]] na monina any amin' ny firenen-kafa. Ny olona tety ivelany no nanome io anarana hoe ''Malagasy'' sy ''[[Madagasikara]]'' koa ho an' ny vahoaka malagasy sy i Madagasikara, firenena onenan' ny Malagasy. Avy amin' i [[Marco Polo]] ny teny hoe ''Madagasikara''. Nafangarony tamin' ny tanànan' i [[Mogadiscio]], any [[Sômalia]] amin' izao fotoana izao, tamina sarintany, ny nosy Madagasikara.
Miisa tsy latsaky ny roapolo ny [[Foko eto Madagasikara|foko]] eto [[Madagasikara]]. Misy ny foko manana endrika [[aziatika]] kokoa, ny foko sasany manana endrika [[Afrikana (vahoaka)|afrikana]]. Kanefa tsy dia samihafa loatra amin' ny hafa ny fitenin'izy ireo izay manana [[voambolana]] iraisana; ka noho izany dia mifankahazo fiteny ihany ny Malagasy avy amin' ny foko samihafa na dia tsy mitovy tanteraka aza ny fiteny. Mampiasa ny voambolan' ny [[fiteny merina]] miaraka amin' ny voambolana maromaro iraisan' ny fiteny malagasy rehetra ny [[Fiteny malagasy ôfisialy|teny malagasy ôfisialy]].
== Ny fiavian' ny Malagasy ==
[[Sary:Migrations austronésiennes.png|vignette|321x321px|Fielezan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]]]]
=== Fiaviana aostrôneziana ===
Tonga tamin' ny lakana na botry avy any [[Indônezia]] tamin' ny taonjato faha-3 hatramin' ny taonjato faha-5 ny ankabeazan' ny razan' ny Malagasy ankehitriny. Ny fiteny ampiasain' ny Malagasy amin' izao fotoana izao ny amantarana ny fiavian' ny Malagasy avy any Indônezia: fantatra fa misy fitoviana lehibe amin' ny fiteny sasany any amin' ny nosy [[Bôrneô]] ny [[fiteny malagasy|teny malagasy]], indrindra eo amin' ny lafiny [[voambolana]]: rehefa manonona ny [[volana]] izao, ohatra, ny [[fiteny indôneziana]] (''Bahasa Indonesia'') dia mampiasa ny teny hoe ''bulan'', ary ny [[Fiteny javaney|teny javaney]] manao hoe ''wulan'', mitovitovy fanononana amin' ilay teny malagasy, saingy ny fomba fanoratana fotsiny no samy manana ny azy.
=== Fiaviana afrikana ===
Manan-drazana avy any [[Afrika Atsinanana|Afrika atsinanana]] sy avy amin' ny [[Arabo (olona)|Arabo]] koa ny Malagasy, ka ny amantarana izany dia ny endrika, indrindra ny Malagasy tandrefana sy tavaratra. Mitovy amin' ny Afrikana miaina ao mipetraka atsy [[Afrika Atsinanana]] ny endriky ny olona amin' ireo foko ireo. Ao amin' ny [[Kolontsaina soahily|Tontolo Soahily]] no fiavian' izy ireo avy ao Afrika, ka ny sasany dia nentina ho [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] eto [[Madagasikara]] na nifindra monina, toa ny [[Maroserana]] izay nanorina fanjakana.
Ny mahasamihafa ny vahoaka malagasy avy any [[Indônezia]] sy ny vahoaka malagasy avy atsy [[Afrika Atsinanana]] dia ny endriny. Ny avy any [[Indônezia]] dia manana volon-koditra fotsifotsy kokoa noho ireo izay avy any [[Afrika]], ary mbola tsotra kokoa ny volony noho ny Afrikana.
== Ny mandrafitra ny vahoaka malagasy ==
=== Ny foko malagasy ===
[[Sary:Ethnic groups of Madagascar Map.png|vignette|Foko eto Madagasikara]]
Ireto ny foko malagasy fantatra indrindra , efa nisy talohan' ny [[Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina|fanjanahantany]]: ny [[Antefasy]], ny [[Antemoro]], ny [[Antesaka]] , ny [[Antankarana]], ny [[Antambahoaka]], ny [[Antandroy]], ny [[Antanosy]], ny [[Bara]], ny [[Betsimisaraka]], ny [[Betsileo]], ny [[Bezanozano]], ny [[Mahafaly]], ny [[Merina]], ny [[Sakalava]], ny [[Sihanaka]], ny [[Tanala]], ny [[Tsimihety]] ary ny [[Zafisoro]].
==== Ny foko ao avaratra ====
[[Sary:Femme d'Antsiranana.jpg|vignette|Vehivavy manao fitafiana nentim-paharazana antankarana any Antsiranana]]
Ao amin' ny tendro avaratr' i Madagasikara no ahitana ny [[Antankarana]] na [[Antankarana|Tankarana]]. [[Antsiranana]] sy i [[Vohemar|Vohimarina]] no tanàn-dehibe any. Niisa 50 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (4)</small></ref>.
Ao amin' ny lemaka manaraka ny morontsiraka avaratra-atsinanana, ao amin' ny [[Faritanin' i Toamasina]], ny [[Betsimisaraka]]. I [[Maroantsetra]], i [[Fenoarivo Antsinanana|Fenerivo]], i [[Soanierana Ivongo|Soanierana-Ivongo]], i [[Toamasina]], i [[Vatomandry]], i [[Mahanoro]] ary [[Andevoranto]] no tanàna lehibe any. Niisa 1 500 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2011<ref><small>Shoup, John (2001). ''[https://books.google.mg/books?id=SPBfnT_E1mgC&redir_esc=y Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia]''. New York: ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 9781598843620</nowiki>.</small></ref>.
Any amin' ny faritra avaratra-andrefana, ao amin' ny [[Faritanin' i Mahajanga]], ny [[Tsimihety]], eo anelanelan' ny tanin' ny Antankarana avy ao avaratra, ny Betsimisaraka avy ao atsinanana, ny [[Sihanaka]] avy ao atsimo, ary ny [[Sakalava]] avy ao andrefana. [[Antsohihy]], i [[Mandritsara]], i [[Befandriana-Avaratra]], i [[Mampikony]], i [[Boriziny]] ary i [[Bealanana]] no tanàna lehibe any. Teo anelanelan' ny 700 000 sy 1 200 000 ny isan' izy ireo tany amin' ny taompolo 2000-2010<ref><small>Appiah, Anthony; Gates Jr., Henry Louis (2005). ''Africana: The Encyclopedia of the African and African American Experience''. Oxford University Press. <nowiki>ISBN 978-0-19-517055-9</nowiki>. pp. 230-231</small></ref><ref name=":02"><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
==== Ny foko ao atsinanana ====
Ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara no misy ny [[Antambahoaka]]. I [[Mananjary]] no tanan-dehibe any. Niisa 50 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (5)</small></ref>. Misy amin' izy ireo ny mitovy fiaviana [[Arabo (vahoaka)|arabo]] amin' ny [[Antemoro]].
Ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana ihany koa no misy ny [[Antefasy]] na Tefasy, ao amin' ny faritra manodidina an' i [[Farafangana]]. Tamin' ny taona 2013 dia niisa 150 000 any ho any izy ireo<ref name=":03"><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Any amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' i [[Madagasikara]] no misy ny zaratany nentim-paharazan' ny [[Zafisoro]]. Heverina ho zana-pokon' ny [[Antefasy]] ny Zafisoro sady mitovy faritra onenana amin' ny Antefasy. Eo amin' ny 91 000 ny isan' ny Zafisoro<ref><small>''[https://www.joshuaproject.net/people_groups/16079/MA Zafisoro of Madagascar]''. Joshua project notsidihina tamin' ny 5 Desambra 2015.</small></ref>.
Ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana ihany koa no misy ny [[Antemoro]]. I [[Vohipeno]] sy i [[Manakara]] no tanàna lehibe any aminy. Niisa 500 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (2)</small></ref>. Ny razan' ny Antemoro no nitondra ny [[sorabe]] teto Madagasikara.
Ao amin' ny [[distrikan' i Vangaindrano]], [[faritra Atsimo-Atsinanana]], no ahitana ny Ny [[Antesaka]] na Tesaka. Tanàna lehibe ao aminy dia i [[Vangaindrano]] sy i Midongy Atsimo. Niisa 600 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (3)</small></ref>.
Ao amin' ny faritra misy ny havoanan' Ikongo no misy ny [[Tanala]] na Antanala, voafaritry ny tanin' ny [[Betsileo]] ao andrefana, ny [[Betsimisaraka]] sy ny [[Antambahoaka]] sy ny [[Antemoro]] ary ny [[Antefasy]] ao atsinanana, ary ny ony [[Manampatrana]] ao atsimo. Ambohimanga Atsimo sy Ivohibe ary [[Ifanadiana]] no ny tanàna lehibe any. Miisa 400 000 any ho any ny Tanala tamin' ny taona 2014<ref name=":03" />.
==== Ny foko ao atsimo ====
Foko ao amin' ny faritra mipaka hatrany amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo indrindra ny [[Antandroy]] na [[Antandroy|Tandroy]]. Ambovombe sy Beloha sy Tsiombe ary Amboasary no tanàna lehibe any. Niisa 600 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Ny [[Antanosy]] na Tanosy kosa dia ao amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo-atsinanana indrindra, ao amin' ny [[faritra Anosy]]. Ahitana azy koa ny tanàna toa an' i [[Bezaha]] sy i [[Vatolatsaka]] ary i [[Bereketa]] izay samy any amin' ny [[faritra Atsimo-Andrefana]]. I [[Tolagnaro]] no tanàn-dehiben' izy ireo. Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Monina any amin' ny tapany atsimo amin' ny [[faritra Atsimo-Andrefana]] ny [[Mahafaly]]. Ny tanàna lehibe any dia i [[Betioky Atsimo]] sy i [[Ejeda]] ary [[Ampanihy]]. Niisa 150 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
==== Ny foko ao andrefana ====
Monina amin' ny tany midadasika any amin' ny tapany atsimo-andrefana sy andrefana ary avaratra-andrefan' i Madagasikara ny [[Sakalava]]. Ireto ny tanàn-dehibe ao amin' ny tanin' ny Sakalava: [[Mahajanga]], [[Besalampy]], [[Morondava]], [[Analalava]], [[Maintirano]] ary [[Morombe]]. Niisa 1 210 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2014<ref><small>Ethnologue, 2014. Based on extrapolations of latest census figures to report on Malagasy people groups (2014 L. Bouwer)</small></ref>. Ny [[Vezels-Roussy|Vezo]] sy ny [[Masikoro]] ary ny [[Makoa (malagasy)|Makoa]] dia heverina ho zana-pokon' ny Sakalava.
Ny [[Makoa (malagasy)|Makoa]] dia foko ao amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara. Indraindray izy ireo dia heverina ho zana-pokon' ny Vezo, izay foko ao anatin' ny Sakalava.
Foko any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ny [[Masikoro]]. Niisa 90 000 ny Masikoro tamin' ny taona 2001 <ref><small>''[https://books.google.mg/books?id=sl_dDVctycgC&pg=PA205&redir_esc=y International Encyclopedia of Linguistics: AAVE - Esperanto]''. Oxford University Press. 2003. p. 205. <nowiki>ISBN 978-0-19-513977-8</nowiki>.</small></ref>.
Foko any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ny [[Vezo]]. Heverina ho anisan' ny [[Sakalava]] izy ireo.
==== Foko ao afovoan-tany ====
Foko monina ao afovoan' i Madagasikara ny [[Merina]]. [[Antananarivo]], [[Antsirabe]], [[Ambatolampy]], [[Arivonimamo]], i [[Miarinarivo]], i [[Manjakandriana]] ary i [[Soavinandriana]]. no tanàna lehibe ao aminy. Niisa 5 000 000 any ho any ny Merina tamin' ny taona 2013<ref><small>Jay Heale; Zawiah Abdul Latif (2008). ''[https://books.google.mg/books?id=PJWLCYGo2RgC&pg=PA64&redir_esc=y#v=onepage&q&f=false Madagascar]''. Marshall Cavendish. p. 64. ISBN <bdi>978-0-7614-3036-0</bdi>.</small></ref>.
Monina manodidina ny [[farihin' Alaotra]] ny [[Sihanaka]]. Ny tanàna lehibe any dia [[Ambatondrazaka]]. Miisa 200 000 any ho any izy ireo tamin' ny taompolo 2010.
Foko ao amin' ny tany lemaka manodidina an' ny ony [[Mangoro]] ny [[Bezanozano]], Voafaritry ny tany onenan' ny [[Sihanaka]] ao avaratra, ny [[Betsimisaraka]] ao atsinanana, ary ny [[Merina]] ao andrefana ny faritra misy azy ireo. Ireto ny tanàn-dehibe ao: [[Moramanga]] sy [[Beparasy]] ary Anjiro. Niisa 100 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2011<ref><small>Shoup, John (2001). ''[https://books.google.mg/books?id=SPBfnT_E1mgC&redir_esc=y Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia]''. New York: ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 9781598843620</nowiki>.</small></ref>.
Foko ao amin' ny toerana faritan' ny ony [[Mania]] ao avaratra, ny tanin' ny [[Tanala]] ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana, ny [[Betsileo]], izany hoe ao amin' ny [[Faritanin'i Fianarantsoa|Faritanin' i Fianarantsoa]]. Ireto ny tanàn-dehibe betsileo: [[Ambositra]], [[Ambohimahazo]], [[Ambohinamboarina]], [[Fianarantsoa]], [[Ambohimahasoa]] ary [[Ambalavao]]. Tombanana ho 4 359 000 any ho any ny isan' ny Betsileo tamin' ny taompolo 2010.
Foko monina ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny faritra afovon' i [[Madagasikara]] ny [[Zafimaniry]], izay azo heverina ho zana-pokon' ny [[Betsileo]], nefa mifanakaiky [[kolontsaina]] koa amin' ny [[Tanala]]. Tombanana eo amin' ny 25 000 eo ho eo ny Zafimaniry tamin' ny taona 2008<ref><small>''"[https://ich.unesco.org/en/RL/woodcrafting-knowledge-of-the-zafimaniry-00080 The Woodcrafting Knowledge of the Zafimaniry]''". UNESCO. 2008.</small></ref>.
Foko monina amin' ny toerana midadasika any afovoany atsimon' i Madagasikara ny [[Bara]]. Ny tanàn-dehibe ao aminy dia [[Ihosy]], i [[Betroka]], i [[Sakaraha]], i [[Ankazoabo Atsimo]], ary i [[Beroroha]]. Niisa 520 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
=== Ny vahoaka malagasy hafa ===
==== Ny vahoaka monina eto Madagasikara ====
Tsy ireo anisan' ny foko malagasy nentim-paharazana ihany no lazaina hoe "Malagasy" fa ireo rehetra izay misitraka ny [[Zom-pirenena malagasy|zo maha olom-pirenena malagasy]] azy. Misy amin' izy ireo ny manam-piaviana [[karàna]] ([[Indiana (vahoaka)|indiana]] sy [[Pakistaney (vahoaka)|pakistaney]]), [[Sinoa (vahoaka)|sinoa]], [[Vondrom-poko ao Eorôpa|eorôpeana]] (indrindra ny [[Frantsay]]), [[Kômôriana (vahoaka)|kômôriana]], sy ny hafa koa.
Marihina fa misy amin' ny Karàna, Sinoa, Kômôriana ary Eorôpeana monina eto Madagasikara no [[Olona tsy manana zom-pirenena|tsy manana zom-pirenena]] malagasy, ary misy ireo izay mangataka ny mba hananany izany satria tsy manana na zom-pirenena hafa mihitsy.
==== Ny Malagasy am-pielezana ====
Ny firenena ahitana zanaka am-pielezana malagasy lehibe dia i [[Frantsa]] (indrindra any any [[Mayotte]] sy [[La Réunion]])<ref>[[:en:Category:Malagasy_expatriates_in_France|Malagasy expatriates in France]]</ref>, i [[Kômôro]] (indrindra ao [[Mwali]]), i [[Afrika Atsimo]], any [[Amerika Latina]], any [[Karaîba|Karaiba]] ary [[Etazonia]]. Ny Malagasy am-pielezana any Etazonia dia misy taranaky ny olona tonga tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19<ref><small>[https://afropop.org/articles/wendy-wilson-fall-on-malagasy-americans Wendy Wilson-Fall on Malagasy Americans], ''Afropop.org''</small></ref>, na [[Fivarotana andevo|andevo]] na olona afaka. Ny Amerikanina manana razambe malagasy, ankoatr' ireo voalaza teo aloha, dia mpifindra monina vao haingana avy eto Madagasikara.
== Kolontsaina ==
=== Fiteny ===
==== Fiteny malagasy ====
{{lahatsoratra antsipirihany|fiteny malagasy}}
Ny [[fiteny malagasy|teny malagasy]] dia teny ao amin' ny [[Fiteny aostrôneziana|sampana aostrôneziana]], avy any [[Azia Atsimo Atsinanana|Azia atsimo atsinanana]]. Ny teny malagasy tamin' ny fahatongavany teto Madagasikara dia nindrana teny avy amin' ny [[fiteny soahily]], [[Fianakaviam-piteny banto|fiteny banto]] mifangaro amin' ny [[fiteny arabo]], fiteny iray nitondra voanteny maro amin' ny teny malagasy toy ny anarana ampiasaina amin' ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana]], ary betsaka tamin' izy ireo no nohagasiana ary lasa teny fampiasa amin' ny teny malagasy ankehitriny. Ny teny malagasy ampiasaina amin' ny fandraharahana sy atao hoe "[[Fiteny malagasy ôfisialy|teny malagasy ôfisialy]]", amin'ny ankapobeny, dia avy amin'ny fiteny merina taloha.
Araka ny antontanisan' ny [[Akademia Malagasy|Akademia malagasy]] dia ny 83,61 % amin' ny Malagasy dia tsy miteny afa-tsy ny teny malagasy. Miseho amin' ny endrika fitenim-paritra maro ny teny malagasy, dia ny [[fiteny bara]], ny [[fiteny betsimisaraka atsimo]], ny [[fiteny betsimisaraka avaratra]], ny [[fiteny masikoro]], ny [[fiteny merina]], ny [[fiteny sakalava]], ny [[fiteny tandroy-mahafaly]], ny [[fiteny tanosy]], ny [[fiteny antankarana]], ny [[fiteny tsimihety]], sns.
==== Fiteny eorôpeana ====
Zanatany frantsay taloha tsy nanary ny [[fiteny frantsay|teny frantsay]] ny fitondram-panjakana mifandimby, ka ankoatra ny fampiasana ny teny fratsay amin' ny maha fiteny ôfisialy faharoa azy dia misy Malagasy vitsy miteny frantsay. Araka ny antontanisan' ny [[Akademia Malagasy|Akademia malagasy]] dia ny 0,57 %n' ny Malagasy no miteny frantsay fotsiny, ny 15,87 % miteny frantsay tsindraindray., ary ny 83,61 % dia tsy miteny afa-tsy ny teny malagasy<ref name=":0"><small>http://www.lexpressmada.com/5156/print-article-32163.html [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lexpressmada.com%2F5156%2Fprint-article-32163.html archive]]</small></ref>.
Na dia izany aza dia olona latsaky ny 5 000 no miteny anglisy eto Madagasikara, ka anisan' ireo ny mpianatra miomana handranto fianarana any amin' ny firenena any ivelany miteny anglisy sy tonga avy any. Ny teny frantsay sy ny teny anglisy no nitondra ny voambolana ara-teknika toy ny teknika momba ny [[jeôgrafia]], ny [[jeôlôjia]], ny [[solosaina]] sns.
==== Fiteny hafa ====
Ny [[fiteny kômôriana]] dia tenin' ny [[Kômôriana (vahoaka)|Kômôriana]] sasany [[Kômôriana eto Madagasikara|monina eto Madagasikara]]. Ny [[fiteny hindỳ]] sy ny [[fiteny gojaraty]] no fitenin' ny Karàna manaraka ny [[Hindoisma eto Madagasikara|hindoisma]]. Ny [[Sinoa eto Madagasikara|Sinoa]] sasany monina eto Madagasikara no [[Fiteny sinoa|miteny sinoa]]; misy koa ny Malagasy ara-poko mianatra an' io fiteny io Ampianarina eto Madagasikara, eny amin' ny sekoly sasany na amin' ny sehatra ara-pivavahana na ara-kolontsaina, ny [[fiteny japôney]], ny [[fiteny espaniôla]], ny [[fiteny alemàna]], ny [[fiteny sinoa]], ny [[fiteny hebreo]], ny [[fiteny arabo]].
=== Fivavahana ===
==== Fivavahan-drazana malagasy ====
Ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] mandala ny fivavahana nentim-paharazana dia mivavaka amin' i [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|Zanahary]] sy amin' ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]]. Mihoatra ny 52 %n' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana izay fivavahana manantitra ny fifandraisan' ny velona sy ny maty (razana).
==== Fivavahana kristiana ====
Ny 41 %n' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] dia [[Kristianisma eto Madagasikara|Kristiana]]<ref><small>"[https://www.state.gov/j/drl/rls/irf/2014religiousfreedom/index.htm?year=2014&dlid=238232#wrapper Religious freedom]" www.state.gov [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.state.gov%2Fj%2Fdrl%2Frls%2Firf%2F2014religiousfreedom%2Findex.htm%3Fyear%3D2014%26dlid%3D238232%23wrapper tahiry]]</small></ref> ka ny tena misongadina, raha amin' ny lafiny isa, dia ny [[Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)|Katôlika]] sy ny [[Prôtestantisma eto Madagasikara|Prôtestanta]]. Tamin' ny nahatongavan' ny misiônera prôtestanta nirahin' ny [[London Missionary Society]] (LMS) tamin' ny taona 1820, no nanombohan' ny fitoriana mahiomby ny [[Filazantsara]] teto [[Madagasikara]]. Nanaraka izany teo antenatenan' ny taonjato faha-19 ireo [[Norwegian Missionary Society|misiônera nôrveziana]] sy misiônera katôlika izay nanorina fiangonana sy sekoly.
==== Fivavahana silamo ====
Tamin' ny taona 2020 dia eo anelanelan' ny 10 % sy 13 % amin' ny mponin' i Madagasikara ny Mozilmana, ka [[Kômôriana eto Madagasikara|Kômôriana]] sy [[Karàna]] ([[Indiana (vahoaka)|Indiana]] sy [[Pakistaney (vahoaka)|Pakistaney]]) ny ankamaroany<ref><small>[http://features.pewforum.org/muslim-population-graphic/#/Madagascar The Future of the Global Muslim Population - Madagascar] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Ffeatures.pewforum.org%2Fmuslim-population-graphic%2F%23%2FMadagascar archive]]</small></ref>. Efa tany amin' ny [[Andro Antenatenany]] no nisy [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy mpivarotra [[Sômalia|sômaliana]] [[Silamo|mozilmana]] nanorina sekoly silamo tamin' ny morontsiraka atsinananan' i [[Madagasikara]].
==== Fivavahana hafa ====
Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953 ny [[bahaisma]] ka tamin' ny taona 2005 ny ''[[Association of Religion Data Archives]]'' dia nilaza fa misy mpino bahay 17 900 eto Madagasikara, izany hoe 0,1 % amin' ny mponina rehetra<ref name=":32"><small>[http://www.thearda.com/QuickLists/QuickList_40c.asp "Most Baha'i Nations (2005)"] {{Wayback|url=http://www.thearda.com/QuickLists/QuickList_40c.asp|date=20100414021730}}. QuickLists > Compare Nations > Religions >. The Association of Religion Data Archives. 2005. Nojerena 04/07/2009</small></ref>. Efa miorina eto [[Madagasikara]] koa ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] ka tamin' ny volana Mey 2016 dia nisy 121 ny mpino ao. Niditra teto [[Madagasikara]] ny [[Hindoisma eto Madagasikara|hindoisma]] tamin' ny alalan' ny mpifindra monina avy any [[Saurashtra]] any [[India]] tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 nefa vitsy ny Hindoa eto Madagasikara, ny ankamaroany dia mpandraharaha<ref><small>[https://www.state.gov/j/drl/rls/irf/2006/71310.htm "International Religious Freedom Report 2006"] [http://webarchive.loc.gov/all/20120123150701/http%3A//www%2Estate%2Egov/g/drl/rls/irf/2006/71310%2Ehtm Tahiry tamin'ny 21/01/2012] ao amin'ny U.S. Department of State</small></ref>.
== Jereo koa ==
* [[Jeôgrafian' i Madagasikara]]
* [[Tantaran' i Madagasikara]]
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Zom-pirenena malagasy]]
* [[Zanaka am-pielezana malagasy]]
* [[Malagasy am-pielezana any Frantsa]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Kolontsaina malagasy]]
qdswp1op1t3rt8h6sz9d4ltoovpa80v
Fihavanana
0
278712
1149372
1121036
2026-08-16T14:39:39Z
Haingo18
39791
Nanitsy tsipelina sy nanampy
1149372
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fihavanana''' dia endriky ny fifandraisana eo amin' ny [[fiarahamonina]] araka ny [[kolontsaina malagasy]] izay mivoy ny fifanampiana sy ny fifandeferana ary ny firaisankina anjakan' ny filaminana. Amin' ny heviny mifintina ny teny hoe ''fihavanana'' dia manondro ny fifandraisan' ny olona iray [[fianakaviana]].
== Ohabolana momba ny fihavanana ==
* ''Aleo very tsikalakalam-[[Vola|bola]] toy izay very tsikalakalam-pihavanana.''
* ''Aza atao fihavanam-[[Vato|bato]], ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-[[Landy|dandy]], ka ny maito azo tohizana, ny mandilana, arahim-[[Fanondro|panondro]].''
* ''Aza manao fihavanan' [[Alika|amboa]], ka [[taolana]] iray no isarahana.''
* ''Ny [[fandroana]] no isan-taona fa ny fihavanana kosa isan' andro.''
* Aza manao havana raha misy patsa, ka raha lany ny patsa dia havan-tetezina
* ''Ny fitia mifamaly no maha tsara fihavanana.''
== Jereo koa ==
*[[Fanahy]] (finoana)
*[[Fanahy (kolontsaina malagasy)]]
*[[Fanahin'ny vatana|Fanahin' ny vatana]]
*[[Fatidra]]
*[[Ziva]]
*[[Dina]]
*[[Velirano]]
*[[Kabary]]
bosupxyehfmthh98bgy3a5sadp9slj8
1149388
1149372
2026-08-17T10:39:45Z
Haingo18
39791
Nanitsy tsipelina
1149388
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fihavanana''' dia endriky ny fifandraisana eo amin' ny [[fiarahamonina]] araka ny [[kolontsaina malagasy]] izay mivoy ny fifanampiana sy ny fifandeferana ary ny firaisankina anjakan' ny filaminana. Amin' ny heviny mifintina ny teny hoe ''fihavanana'' dia manondro ny fifandraisan' ny olona iray [[fianakaviana]].
== Ohabolana momba ny fihavanana ==
* ''Aleo very tsikalakalam-[[Vola|bola]] toy izay very tsikalakalam-pihavanana.''
* ''Aza atao fihavanam-[[Vato|bato]], ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-[[Landy|dandy]], ka ny maito azo tohizana, ny madilana, arahim-[[Fanondro|panondro]].''
* ''Aza manao fihavanan' [[Alika|amboa]], ka [[taolana]] iray no isarahana.''
* ''Ny [[fandroana]] no isan-taona fa ny fihavanana kosa isan' andro.''
* Aza manao havana raha misy patsa, ka raha lany ny patsa dia havan-tetezina
* ''Ny fitia mifamaly no maha tsara fihavanana.''
== Jereo koa ==
*[[Fanahy]] (finoana)
*[[Fanahy (kolontsaina malagasy)]]
*[[Fanahin'ny vatana|Fanahin' ny vatana]]
*[[Fatidra]]
*[[Ziva]]
*[[Dina]]
*[[Velirano]]
*[[Kabary]]
ditqv8zxbhztv42jyvmhswmnt0bh0g2
Sacciolepis
0
280846
1149387
1127929
2026-08-17T10:08:45Z
Thelezifor
15140
Rohy anatiny
1149387
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Sacciolepis indica flowerhead8 (8275571281).jpg|vignette|Vonin' ny ''Sacciolepis indica'']]
Ny '''''Sacciolepis''''' dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'', zana-pianakaviana ''[[Panicoideae]],'' maniry amin' ny faritra manana [[toetanin-jana-pehin-tany]] sy [[toetany antonony]] mafana, indrindra aty [[Afrika]]. Ahitana azy ireo koa ny any [[Azia]] sy ny any [[Aostralia]] ary ny any [[Amerika]]. Misy karazana miisa 25 izy io. Zavamaniry ahitra izy ireo izay mety maniry isan-taona na mandavan-taona, maniry an-drano, mety mahatratra 200 sm ny haavony.
Ny karazana fantatra indrindra amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] hoe ''tsimparifary'' na ''tsiparifary'', dia ny ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>. Tsy io irery anefa no antsoin' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] amin' io narana hoe ''tsimparifary'' na ''tsiparifary'' io.
Indreto ny sasany amin' ny karazany hita eto [[Madagasikara]] sy ny anarana iantsoana azy amin' ny teny malagasy:
* ''[[Sacciolepis africana]]'': tsimparifary, tsiparifary;
* ''[[Sacciolepis curvata]]'': ahidronono
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* ''[[Panicum]]''
* [[Tsimparifary]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
* [[Tsiparifary]]: ''[[Persicaria glabra]]'' <small>(Willd.)M.Gómez</small> (na ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>.) (''Polygonaceae''); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small> (''Poaceae'')
edy713beo3zeaxy6jysstb8j0gw0ibr
1149389
1149387
2026-08-17T10:52:14Z
Thelezifor
15140
Karazana misy eto Madagasikara
1149389
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Sacciolepis indica flowerhead8 (8275571281).jpg|vignette|Vonin' ny ''Sacciolepis indica'']]
Ny '''''Sacciolepis''''' dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'', zana-pianakaviana ''[[Panicoideae]],'' maniry amin' ny faritra manana [[toetanin-jana-pehin-tany]] sy [[toetany antonony]] mafana, indrindra aty [[Afrika]]. Ahitana azy ireo koa ny any [[Azia]] sy ny any [[Aostralia]] ary ny any [[Amerika]]. Misy karazana miisa 25 izy io. Zavamaniry ahitra izy ireo izay mety maniry isan-taona na mandavan-taona, maniry an-drano, mety mahatratra 200 sm ny haavony.
== Lisitry ny karazana ==
Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny ''Sacciolepis'' araka ny ''[[The Plant List]]'' <small>(3</small> <small>Janoary 2018)</small>:
* ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E.Hubb. & Snowden</small>
* ''Sacciolepis angustissima'' (Hochst. ex Steud.) Kuhlm.
* ''Sacciolepis arenaria'' Mimeur
* ''Sacciolepis catumbensis'' (Rendle) Stapf
* ''[[Sacciolepis chevalieri]]'' Stapf
* ''Sacciolepis ciliocincta'' (Pilg.) Stapf
* ''Sacciolepis cingularis'' Stapf
* ''Sacciolepis clatrata'' Mimeur
* ''[[Sacciolepis curvata]]'' (L.) Chase
* ''Sacciolepis cymbiandra'' Stapf
* ''Sacciolepis fenestrata'' Bor
* ''[[Sacciolepis indica]]'' (L.) Chase
* ''Sacciolepis interrupta'' (Willd.) Stapf
* ''Sacciolepis leptorrhachis'' Stapf
* ''[[Sacciolepis micrococca]]'' Mez
* ''[[Sacciolepis myosuroides]]'' (R.Br.) A.Camus
* ''Sacciolepis myuros'' (Lam.) Chase
* ''Sacciolepis otachyrioides'' Judz.
* ''Sacciolepis seslerioides'' (Rendle) Stapf
* ''Sacciolepis striata'' (L.) Nash
* ''Sacciolepis tenuissima'' C.E.Hubb.
* ''Sacciolepis transbarbata'' Stapf
* ''Sacciolepis typhura'' (Stapf) Stapf
* ''[[Sacciolepis viguieri]]'' A.Camus
* ''Sacciolepis vilvoides'' (Trin.) Chase
=== Karazana misy eto Madagasikara ===
Misy enina hatramin' ny valo ny karazana maniry eto [[Madagasikara]]:
* ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E.Hubb. & Snowden</small> -- tsimparifary, tsiparifary
* ''[[Sacciolepis antsirabensis]]'' <small>A.Camus</small> (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
* ''[[Sacciolepis chevalieri]]'' <small>Stapf</small>
* ''[[Sacciolepis curvata]]'' <small>(L.) Chase</small> -- ahidronono
* ''[[Sacciolepis indica]]'' <small>(L.) Chase</small> (karazana nampidiraina eto Madagasikara)
* ''[[Sacciolepis micrococca]]'' <small>Mez</small>
* ''[[Sacciolepis myosuroides]]'' <small>(R.Br.) Chase ex E.G.Camus & A.Camus</small> (← ''Sacciolepis spiciformis'' <small>(A.Rich.) Stapf</small>, ''Sacciolepis huillensis'')
* ''[[Sacciolepis viguieri]]'' <small>A.Camus</small> — (tsy hita afa-tsy eto Madagasikara)
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* ''[[Panicum]]''
* [[Tsimparifary]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
* [[Tsiparifary]]: ''[[Persicaria glabra]]'' <small>(Willd.)M.Gómez</small> (na ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>.) (''Polygonaceae''); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small> (''Poaceae'')
rp9c4r538q7rm0hqme5o55jffpbqewg
Vondrom-paritra
0
284420
1149378
1087494
2026-08-17T03:27:38Z
~2026-39119-14
40302
Nanitsy hadisoam-pitendrena
1149378
wikitext
text/x-wiki
Ny '''vondrom-paritra''' dia fizaràn' ny tanim-pirenena, manana ny sata maha izy azy araka ny lalàna sady fehezin' ny lalàm-panjakana, mampiasa ny fahefana sasany natolotry ny fanjakana foibe azy eo amin' ny fizaran-taniny sady mananana ny fizakan-tenany ara-bola sy ara-pitantanana, araka ny dingan' ny [[fitsinjaram-pahefana]]. Mety ho [[kaominina]] na tanàna, na [[departemanta]], na [[Faritra (ara-pitantanana)|faritra]], na [[faritany]], sns ny vondrom-paritra.
== Sata ==
Manana zo sy adidy ara-dalàna ny vondrom-paritra. Matetika izy dia tantanin' ny rafitra mpanapa-kevitra sy mpanatanteraka izay mety hofidina amin' ny alalan' ny latsabato mivantana andraisan' ny mponina afaka mifidy rehetra anjara. Arakaraka ny lalàna eo an-toerana dia mety hanangona [[hetra]] eny ifotony izy ireo ary mahazo fanampiana ara-bola na famatsiam-bola avy amin' ny fanjakana foibe. Manana ny fizakan-tenany ara-bola sy ara-pitantanana ny vondrom-paritra.
== Jereo koa ==
* [[Vondrom-paritra eto Madagasikara]]
* [[Fitsinjaram-pahefana]]
* [[Fanapariaham-pahefana]]
* [[Kaominina]]
* [[Faritany]]
* [[Faritra (ara-pitantanana)|Faritra]]
* [[Kaominina eto Madagasikara]]
* [[Faritra eto Madagasikara|Faritra eto Madagaskara]]
* [[Faritany eto Madagasikara]]
8iuuneme9yg8wkdc7idr5hubl4034qs
Vondrom-paritra eto Madagasikara
0
284423
1149379
1126480
2026-08-17T03:32:59Z
~2026-39119-14
40302
Nanitsy hadisoam-pitendrena
1149379
wikitext
text/x-wiki
Ny '''vondrom-paritra''' '''eto Madagasikara''' dia fizaràn' ny tanim-pirenena malagasy izay, araka ny lalàna, manana ny rafitra mifehy azy sy ny fizakan-tenany ara-pitantanana sy ara-bola ho fampiharana ny ny [[fitsinjaram-pahefana]], ka ireto avy izy ireo: ny [[Kaominina eto Madagasikara|kaominina]] sy ny [[Faritra eto Madagasikara|faritra]] ary ny [[Faritany eto Madagasikara|faritany]]. Ny isa, ny fari-piadidiana, ny anarana ary ny renivohitra amin' ireo vondrom-paritra samihafa ireo dia faritan' ny Lalàna 94-001 tamin' ny 26 Avrily 1995.
== Ny kaominina ==
Ny [[Kaominina eto Madagasikara|kaominina]] no [[vondrom-paritra]] fototra natsangana tamin' ny fiandohan' ny [[Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)|Repoblika Fahatelo]] araka ny [[Lalàmpanorenan' i Madagasikara|Lalàmpanorenana]] tamin' ny 18 Septambra 1992 izay mbola nohamafisin' ny Lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010. Ny mandrafitra io ambaratonga io dia ny filankevitra monisipaly ho an' ny kaominina an-drenivohitra na ny filankevitra kaominaly ho an' ny kaominina ambanivohitra, ary ny birao mpanatanteraka. Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 693 ny [[kaominina]] eto [[Madagasikara]], izay voasokajy ho ambonivohitra sy ambanivohitra.
== Ny faritra ==
Vondrom-paritra lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny [[Faritany eto Madagasikara|faritany]] sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana ny [[Faritra eto Madagasikara|faritra]]. Miisa telo amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany) ny faritra eto Madagasikara. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto [[Madagasikara]].
Ireo no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny fizakan-tenan' ny [[Faritany eto Madagasikara|faritany enina]] tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra, indray ny faritra. Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny [[fanapariaham-pahefana]] ny faritra.
Araka ny voalazan' ny lalàmpanorenana malagasy sy ny [[lalàna fehizoro]] momba ny vondrom-paritra na ny faritra manokana eto Madagasikara dia misy fahefana roa ny ao amin' ny fitantanana ny faritra, dia ny filankevitry ny faritra sy ny birao mpanatanteraka. Ny filankevitra ao amin' ny faritra dia tokony hahitana mpanolotsaina voafidy izay tarihin' ny filoha nofidin' izy ireo, fa ny birao mpanatanteraka kosa dia tarihin' ny lehiben' ny faritra izay olom-boafidy ihany koa sady misolo tena ny Governemanta eo amin' ny faritra iadidiany.
Ankehitriny dia tendren' ny [[filohan' ny Repoblika]] mivantana ny lehiben' ny faritra izay atao hoe [[governora]] taty aoriana. Tsy voatsangana ny filankevitra izay tokony hisahana ny fanapahan-kevitra sy handany ny tetibola ary hanara-maso ny asan' ny birao mpanatanteraka. Anisan' ny maneho ny tsy fahavononana hampandroso ny [[fitsinjaram-pahefana]] izany.
== Ny faritany ==
Fizaràn' ny tanim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika, izay miisa enina ny faritany. Ireto avy izy ireo: [[Faritanin' Antananarivo]], [[Faritanin' Antsiranana]], [[Faritanin' i Fianarantsoa]], [[Faritanin' i Mahajanga]], [[Faritanin' i Toamasina]], ary [[Faritanin' i Toliara]].
Teo aloha dia nanana ny fizakan-tenany ny faritany enina, ka natsoina hoe "faritany mizakatena". Amin' ny lafiny [[fanapariaham-pahefana]] dia voatsinjara ho [[Distrika eto Madagasikara|distrika]] maromaro ny faritany iray. Tsy [[vondrom-paritra]] itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny [[Lalàmpanorenan' i Madagasikara|Lalàmpanorenana]] tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny [[Faritra eto Madagasikara|faritra]].
Ao amin' ny [[Lalàmpanorenan' i Madagasikara]] tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny [[vondrom-paritra]] [[Fitsinjaram-pahefana|itsinjaram-pahefana]] indray ny faritany, saingy tsy misy fanatanterahana izany ka lasa faritany ara-pitantanana ho an' ny sampan-draharaham-panjakana sasany fotsiny izy ireo.
== Jereo koa ==
* [[Tantaran' i Madagasikara]]
* [[Pôlitika eto Madagasikara]]
* [[Fitsinjaram-pahefana]]
* [[Fanapariaham-pahefana]]
* [[Distrika eto Madagasikara]]
* [[Fitsinjaràn' ny tanim-pirenen' i Madagasikara]]
== Rohy ivelany ==
'''Lahatsoratra samihafa'''
* "[https://www.cairn.info/revue-mondes-en-developpement-2008-1-page-29.htm Communes et régions à Madagascar, De nouveaux acteurs dans la gestion locale de l'environnement]", ''cairn.info''
* "[https://library.fes.de/pdf-files/bueros/madagaskar/15144.pdf Lois annotées sur la décentralisation]", ''fes.de''
'''Didy aman-dalàna'''
* "[https://www.ceni-madagascar.mg/wp-content/uploads/2016/05/Loi_2014_020.pdf Loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 Relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes] {{Wayback|url=https://www.ceni-madagascar.mg/wp-content/uploads/2016/05/Loi_2014_020.pdf |date=20221211214148 }}.", ''ceni-madagascar.mg''
* "[https://www.dgfag.mg/wp-content/uploads/2021/04/Loi_organique_2014-018_regissant_les_competences_des_CTD.pdf Loi organique n° 2014-018 du 12 septembre 2014 régissant les compétences, les modalités d’organisation et de fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées, ainsi que celles de la gestion de leurs propres affaires] {{Wayback|url=https://www.dgfag.mg/wp-content/uploads/2021/04/Loi_organique_2014-018_regissant_les_competences_des_CTD.pdf |date=20230630083602 }}.", ''dgfag.mg''
* "[http://www.droit-afrique.com/upload/doc/madagascar/Madagascar-Loi-2014-21-representation-Etat-collectivites-territoriales.pdf Loi n°2014-021 relative à la représentation de l’Etat] {{Wayback|url=http://www.droit-afrique.com/upload/doc/madagascar/Madagascar-Loi-2014-21-representation-Etat-collectivites-territoriales.pdf |date=20240305050620 }}" (pdf), ''droit-afrique.com''
* "[https://www.ceni-madagascar.mg/wp-content/uploads/2016/05/Loi_2015-_002.pdf Loi n°2015-002 complétant l’annexe n°01 de la loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes] {{Wayback|url=https://www.ceni-madagascar.mg/wp-content/uploads/2016/05/Loi_2015-_002.pdf |date=20211111073005 }}.", ''ceni-madagascar.mg''
* "[https://www.assemblee-nationale.mg/wp-content/uploads/2021/07/LOI-n%C2%B02021-012-CTD.pdf Loi n° 2021-012 modifiant l’annexe n° 01 de la Loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014, modifiée et complétée par la Loi n° 2018-011 du 11 juillet 2018, relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes]" (pdf), ''assemblee-nationale.mg''
'''Lalàmpanorenana'''
* "[https://fr.wikisource.org/wiki/Constitution_de_la_R%C3%A9publique_de_Madagascar_de_1959 Constitution de la République de Madagascar de 1959]"; ''fr.wikisource.org''
* "[https://fr.wikisource.org/wiki/Constitution_de_la_R%C3%A9publique_de_Madagascar_de_1992_r%C3%A9vis%C3%A9e_en_1998 Constitution de la République de Madagascar de 1992 révisée en 1998]", ''fr.wikisource.org''
* "[https://fr.wikisource.org/wiki/Constitution_de_la_R%C3%A9publique_de_Madagascar_de_1992_r%C3%A9vis%C3%A9e_en_2007 Constitution de la République de Madagascar de 1992 révisée en 2007]", ''fr.wikisource.org''
* "[https://fr.wikisource.org/wiki/Constitution_de_la_R%C3%A9publique_de_Madagascar_de_2010 Constitution de la République de Madagascar de 2010]", ''fr.wikisource.org''
== Loharano sy fanamarihana ==
sugvifgm3t7jx9is95xxeytnptjjfkr
Echinochloa crus-galli
0
293306
1149366
1104860
2026-08-16T12:14:10Z
Thelezifor
15140
Nandamina lahatsoratra
1149366
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Echinochloa crus-galli 2006.08.27 15.00.29-p8270054.jpg|vignette|360x360px|''Echinochloa crus-galli'']]
Ny '''''Echinochloa crus-galli''''' dia karazan-javamaniry [[tokan-dravin-tsimoka]] ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'' (bozaka), zana-pianakaviana ''[[Panicoideae]]'', izay saika fahita amin' ny larazam-paritra rehetra, angamba avy any [[Azia]] trôpikaly. Izy ireo dia zavamaniry isan-taona. Izy io dia ahi-dratsy tena manimba any amin' ny faritra fambolena maro, indrindra fa ny any amin' ny tanimbary Iitaliana. Izy io dia heverina ho zavamaniry manafika any [[Amerika Avaratra]]. Amn' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''ahibary''', '''ahidrano''', '''karanga''', '''osaosa''', '''tsimparifarifotsy''' ary '''tsimparifary'''.
[[Sary:Echinochloa crus-galli 2006.08.27 15.00.13-p8270053.jpg|vignette|233x233px|''Echinochloa crus-galli''|ankavia]]
Ity zavamaniry ity dia heverina ho anisan' ny ahi-dratsy manimba indrindra eto an-tany satria mampihena ny vokatra amin' ny alalan' ny fitrohana hatramin' ny 80 % amin' ny azôta azo ampiasaina ao anaty tany ary mampiantrano [[virosy]] môzaika maromaro. Mety hanapoizina ny biby fiompy ny habetsahan' ny [[nitrata]] miangona ao aminy. Ny fototra tsirairay amin' ity zavamaniry ity dia afaka mamokatra voa hatramin' ny 40 000 isan-taona.
[[Sary:Echinochloa crus-galli01.jpg|vignette|214x214px|''Echinochloa crus-galli'']]
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* [[Ahibary]]: ''[[Echinochloa colona]]'' <small>(L.) Link</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P.Beauv</small>.; ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P.Beauv.</small>; ''Olyra'' sp. (''[[Poaceae]]'')
* [[Ahidrano]]: ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small> (''[[Poaceae]]'')
* [[Karanga]]: ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz) P. Beauv.</small>; ''[[Eriochloa meyeriana]]'' <small>(Nees) Pilg</small>;
* [[Tsimparifary]]: ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
llnlwtey3wr5ziw8isksdp7hilghmip
1149369
1149366
2026-08-16T12:33:04Z
Thelezifor
15140
1149369
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Echinochloa crus-galli 2006.08.27 15.00.29-p8270054.jpg|vignette|360x360px|''Echinochloa crus-galli'']]
Ny '''''Echinochloa crus-galli''''' dia karazan-javamaniry [[tokan-dravin-tsimoka]] ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'' (bozaka), zana-pianakaviana ''[[Panicoideae]]'', izay saika fahita amin' ny larazam-paritra rehetra, angamba avy any [[Azia]] trôpikaly. Izy ireo dia zavamaniry isan-taona. Izy io dia ahi-dratsy tena manimba any amin' ny faritra fambolena maro, indrindra fa ny any amin' ny tanimbary Iitaliana. Izy io dia heverina ho zavamaniry manafika any [[Amerika Avaratra]]. Amn' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''ahibary''', '''ahidrano''', '''karanga''', '''osaosa''', '''tsimparifarifotsy''' ary '''tsimparifary'''.
[[Sary:Echinochloa crus-galli 2006.08.27 15.00.13-p8270053.jpg|vignette|233x233px|''Echinochloa crus-galli''|ankavia]]
Ity zavamaniry ity dia heverina ho anisan' ny ahi-dratsy manimba indrindra eto an-tany satria mampihena ny vokatra amin' ny alalan' ny fitrohana hatramin' ny 80 % amin' ny azôta azo ampiasaina ao anaty tany ary mampiantrano [[virosy]] môzaika maromaro. Mety hanapoizina ny biby fiompy ny habetsahan' ny [[nitrata]] miangona ao aminy. Ny fototra tsirairay amin' ity zavamaniry ity dia afaka mamokatra voa hatramin' ny 40 000 isan-taona.
[[Sary:Echinochloa crus-galli01.jpg|vignette|214x214px|''Echinochloa crus-galli'']]
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* [[Ahibary]]: ''[[Echinochloa colona]]'' <small>(L.) Link</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P.Beauv</small>.; ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P.Beauv.</small>; ''Olyra'' sp. (''[[Poaceae]]'')
* [[Ahidrano]]: ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P. Beauv.</small> (''[[Poaceae]]'')
* [[Karanga]]: ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz) P. Beauv.</small>; ''[[Eriochloa meyeriana]]'' <small>(Nees) Pilg</small>;
* [[Tsimparifary]]: ''Echinochloa crus-galli'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
del09uy63wqmlg6z46yb2ajoqnrlov1
Echinochloa pyramidalis
0
293307
1149367
1104861
2026-08-16T12:24:45Z
Thelezifor
15140
Nandamina lahatsoratra
1149367
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Echinochloa pyramidalis seeds 1.jpg|vignette|294x294px|Voan' ny ''Echinichloa pyramidalis'']]
Ny '''''Echinochloa pyramidalis''''' dia [[Angiospermae|zavamaniry mamony]] ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]''. Any amin' ny farihy Ossa, any [[Kamerona]], dia loharanon-tsakafo ho an' ny lamatina afrikanina (''Trichechus senegalensis'') izy io, ary tsy maintsy arovana amin' ilay [[ampanga]] an-dranomamy (''Salvinia molesta'') izay tena manafika. Amn' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''ahibava''', '''ahidrano''', '''ahilava''', '''karanga''', '''sarivary''', '''songolo''', '''tsimparifarimanja''' ary '''tsimparifary'''.
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* [[Ahidrano]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''Echinochloa pyramidalis'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P. Beauv.</small> (''[[Poaceae]]'')
* [[Karanga]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''Echinochloa pyramidalis'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz) P. Beauv.</small>; ''[[Eriochloa meyeriana]]'' <small>(Nees) Pilg</small>;
* [[Tsimparifary]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''Echinochloa pyramidalis'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
pcsijjk6mmj2jyevt8r7ptnen3wm7n6
Sacciolepis africana
0
293310
1149365
1149363
2026-08-16T11:59:54Z
Thelezifor
15140
1149365
wikitext
text/x-wiki
Ny '''''Sacciolepis africana''''' dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]],'' maniry indrindra any amin' ny faritra mafana sy mando na tsy tena mando aty [[Afrika]], indrindra any [[Afrika Andrefana]] sy any [[Afrika Afovoany]], ary indraindray ao [[Afrika Atsinanana]]. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''tsimparifary'''.
==Jereo koa==
*[[Tsimparifary]]: ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>; ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>; ''[[Echinochloa stagnina]]'' (<small>Retz.) P. Beauv.</small>; ''[[Megathyrsus maximus]]'' <small>(Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs</small> (na ''Panicum maximum'' <small>Jacq.</small> teo aloha); ''Sacciolepis africana'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small>: (''[[Poaceae]]'')
*''[[Echinochloa]]''
*''[[Sacciolepis]]''
*''[[Panicum]]''
5c4cxxfw5e84sg6untk2dqmntge5ose
Ficus assimilis
0
296264
1149382
1122312
2026-08-17T07:27:23Z
Thelezifor
15140
1149382
wikitext
text/x-wiki
Ny '''''Ficus assimilis''''' dia karazan-javamaniry [[Angiospermae|mamony]] ao amin' ny fianakaviana ''[[Moraceae]]'', izay tsy fahita raha tsy eto [[Madagasikara]] nefa novolena koa ao [[Mayotte]]. Amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] izy io dia atao hoe '''fihamy''', nefa tsy io irery ny zavamaniry antsoina amin' io anarana io. Anarana siantifika nomena azy taloha ny hoe '''''Ficus guatteriifolia'''''.
== Toetoetrany ==
Mety ho tena lehibe ny ''Ficus assimilis'' izay manana haavo 20 hatramin' ny 25 m. Mety hahatratra 40 sm eo ho eo ny savivon' ny vatany. Tsy misy fizarazarany ny raviny fa feno. Manana faka mihantona ity zavamaniry ity.
== Faritra sy toerana anniriany ==
Tsy fahita raha tsy eto [[Madagasikara]] ny ''Ficus assimilis''. Novolana ao [[Mayotte]] koa anefa izy. Ny ala somary maina amin' ny [[haambo]] hatramin' ny 1 000 m eo ho eo no toerana tiany aniriana. Amin' ny faritra voafetra no ahitana azy. Any amin' ny ala maina no tena ahitana azy nefa mety ho hita koa indraindray any amin' ny ala mando any amin' ny faritra sasany eto Madagasikara.
== Jereo koa ==
* ''[[Ficus]]''
* [[Adabo]]
* [[Amontana]]
* [[Aviavy]]
* [[Fihamy]]
kzje5xpah2sl6pe56q1vld07v3suqxa
Persicaria
0
297208
1149392
1126629
2026-08-17T11:45:53Z
Thelezifor
15140
Karazana misy eto Madagasikara
1149392
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Persicaria capitata AF crop.jpg|vignette|408x408px|''Persicaria capitata'']]
Ny '''''Persicaria''''' dia vondron-karazan-javamaniry [[Zavamaniry mamony|mamony]] sy [[roa ravin-tsimoka]] ao amin' ny fianakaviana ''[[Polygonaceae]]'' ao amin' ny filaharana [[Caryophyllales]]. Manana tsinjara toerana amin' ny toerana rehetra izy io, ary misy karazana saika manerana izao tontolo izao. Ity vondron-karazana ity dia navahana amin' ny ''[[Polygonum]]''.
== Karazana ==
Tamin' ny Novembra 2023 dia karazana 132 no nekena araka ny ''[[Plants of the World Online]]'':
* ''Persicaria acuminata'' <small>(Kunth) M.Gómez</small>
* ''Persicaria akakiensis'' <small>(Cufod.) Soják</small>
* ''Persicaria × ambigua'' <small>(Meisn.) B.Bock</small>
* ''Persicaria amphibia'' <small>(L.) Delarbre</small>
* ''Persicaria angustifolia'' <small>(Pall.) Ronse Decr.</small>
* ''Persicaria arifolia'' <small>(L.) Haraldson</small>
* ''Persicaria assamica'' <small>(Meisn.) Soják</small>
* ''Persicaria attenuata'' <small>(R.Br.) Soják</small>
* ''Persicaria barbata'' <small>(L.) H.Hara</small>
* ''Persicaria × bicolor'' <small>(Borbás) Soják</small>
* ''Persicaria biconvexa'' <small>(Hayata) Nemoto</small>
* ''Persicaria bicornis'' <small>(Raf.) Nieuwl.</small>
* ''Persicaria borneensis'' <small>(Meisn.) Soják</small>
* ''Persicaria × brauniana'' <small>(F.W.Schultz) Soják</small>
* ''Persicaria breviochreata'' <small>(Makino) Ohki</small>
* ''Persicaria bungeana'' <small>(Turcz.) Nakai</small>
* ''Persicaria capitata'' <small>(Buch.-Ham. ex D.Don) H.Gross</small>
* ''Persicaria careyi'' <small>(Olney) Greene</small>
* ''Persicaria celebica'' <small>(Danser) Soják</small>
* ''Persicaria cespitosa'' <small>(Blume) Nakai</small>
* ''Persicaria changhuaensis'' <small>H.W.Zhang & X.F.Jin</small>
* ''Persicaria chinensis'' <small>(L.) H.Gross</small>
* ''Persicaria clivorum'' <small>Seriz.</small>
* ''Persicaria × condensata'' <small>(F.W.Schultz) Soják</small>
* ''Persicaria criopolitana'' <small>(Hance) Migo</small>
* ''Persicaria debilis'' <small>(Meisn.) H.Gross ex W.Lee</small>
* ''Persicaria decipiens'' <small>(R.Br.) K.L.Wilson</small>
* ''Persicaria dichotoma'' <small>(Blume) Masam.</small>
* ''Persicaria diospyrifolia'' <small>(Cham. & Schltdl.) Funez & Hassemer</small>
* ''Persicaria dissitiflora'' <small>(Hemsl.) H.Gross ex T.Mori</small>
* ''Persicaria eciliata'' <small>M.A.Hassan</small>
* ''Persicaria elatior'' <small>(R.Br.) Soják</small>
* ''Persicaria erectominor'' <small>(Makino) Nakai</small>
* ''Persicaria extremiorientalis'' <small>(Vorosch.) Tzvelev</small>
* ''Persicaria ferruginea'' <small>(Wedd.) Soják</small>
* ''Persicaria × figertii'' <small>(Beck) Soják</small>
* ''Persicaria filiformis'' <small>(Thunb.) Nakai</small>
* ''Persicaria foliosa'' <small>(H.Lindb.) Kitag.</small>
* ''Persicaria galapagensis'' <small>(Caruel) Galasso</small>
* ''Persicaria geocarpica'' <small>Suyama & K.Ueda</small>
* ''Persicaria glabra'' <small>(Willd.) M.Gómez</small>
* ''Persicaria glacialis'' <small>(Meisn.) H.Hara</small>
* ''Persicaria glandulopilosa'' <small>(De Wild.) Soják</small>
* ''Persicaria glomerata'' <small>(Dammer) S.Ortiz & Paiva</small>
* ''Persicaria greuteriana'' <small>Galasso</small>
* ''Persicaria hassegawae'' <small>Hanai & Seriz.</small>
* ''Persicaria hastatosagittata'' <small>(Makino) Nakai</small>
* ''Persicaria × hervieri'' <small>(Beck) Soják</small>
* ''Persicaria hirsuta'' <small>(Walter) Small</small>
* ''Persicaria hispida'' <small>(Kunth) M.Gómez</small>
* ''Persicaria huananensis'' <small>(A.J.Li) B.Li</small>
* ''Persicaria humboldtiana'' <small>Funez & Hassemer</small>
* ''Persicaria humilis'' <small>(Meisn.) H.Hara</small>
* ''Persicaria × hybrida'' <small>(Chaub. ex St.-Amans) Soják</small>
* ''Persicaria hydropiper'' <small>(L.) Delarbre</small>
* ''Persicaria hydropiperoides'' <small>(Michx.) Small</small>
* ''Persicaria hystricula'' (J.Schust.) <small>Soják</small>
* ''Persicaria imeretina'' (Kom.) <small>Soják</small>
* ''Persicaria × intercedens'' <small>(Beck) Soják</small>
* ''Persicaria japonica'' (Meisn.) Nakai
* ''Persicaria javanica'' (Bruyn) Soják
* ''Persicaria jucunda'' (Meisn.) Migo
* ''Persicaria kawagoeana'' (Makino) Nakai
* ''Persicaria lanata'' (Roxb.) Tzvelev
* ''Persicaria lankeshanensis'' T.J.Liang & Bo Li
* ''Persicaria lapathifolia'' (L.) Delarbre
* ''Persicaria leblebicii'' (Yıld.) Raus
* ''Persicaria lii'' Kitag.
* ''Persicaria limbata'' (Meisn.) H.Hara
* ''Persicaria limicola'' (Sam.) Yonek. & H.Ohashi
* ''Persicaria longiflora'' (Courchet) Borodina
* ''Persicaria longiseta'' (Bruijn) Kitag.
* ''Persicaria maackiana'' (Regel) Nakai
* ''Persicaria macrantha'' (Meisn.) Haraldson
* ''Persicaria maculosa'' Gray
* ''Persicaria madagascariensis'' (Meisn.) S.Ortiz & Paiva
* ''Persicaria manshuricola'' Kitag.
* ''Persicaria meisneriana'' (Cham. & Schltdl.) M.Gómez
* ''Persicaria microcephala'' (D.Don) H.Gross
* ''Persicaria mikawana'' Hanai & Seriz.
* ''Persicaria minor'' (Huds.) Opiz
* ''Persicaria mitis'' (Schrank) Assenov
* ''Persicaria muricata'' (Meisn.) Nemoto
* ''Persicaria × musashinoensis'' Hiyama
* ''Persicaria nakaii'' (H.Hara) Cubey
* ''Persicaria nataliae'' Stepanov
* ''Persicaria neofiliformis'' (Nakai) Ohki
* ''Persicaria nepalensis'' (Meisn.) H.Gross
* ''Persicaria nogueirae'' S.Ortiz & Paiva
* ''Persicaria obtusifolia'' (Täckh. & Boulos) Greuter & Burdet
* ''Persicaria odorata'' (Lour.) Soják
* ''Persicaria orientalis'' (L.) Spach
* ''Persicaria palmata'' (Dunn) Yonek. & H.Ohashi
* ''Persicaria paradoxa'' (H.Lév.) Kantachot
* ''Persicaria paraguayensis'' (Wedd.) S.T.Kim & Donoghue
* ''Persicaria paralimicola'' (A.J.Li) B.Li
* ''Persicaria pensylvanica'' (L.) M.Gómez
* ''Persicaria perfoliata'' (L.) H.Gross
* ''Persicaria peruviana'' (Meisn.) Soják
* ''Persicaria pilushanensis'' (Y.C.Liu & C.H.Ou) C.F.Kuo ex T.C.Hsu & S.W.Chung
* ''Persicaria pinetorum'' (Hemsl.) H.Gross
* ''Persicaria poiretii'' (Meisn.) K.L.Wilson
* ''Persicaria posumbu'' (Buch.-Ham. ex D.Don) H.Gross
* ''Persicaria praetermissa'' (Hook.f.) H.Hara
* ''Persicaria prostrata'' (R.Br.) Soják
* ''Persicaria × pseudoincana'' (Klokov) Doweld
* ''Persicaria × pseudolapathum'' (Schur) D.H.Kent
* ''Persicaria pubescens'' (Blume) H.Hara
* ''Persicaria pulchra'' Soják
* ''Persicaria punctata'' (Elliott) Small
* ''Persicaria puritanorum'' (Fernald) Soják
* ''Persicaria robustior'' (Small) E.P.Bicknell
* ''Persicaria rotunda'' (Z.Z.Zhou & Q.Y.Sun) Bo Li
* ''Persicaria rubricaulis'' (Cham.) Galasso
* ''Persicaria runcinata'' (Buch.-Ham. ex D.Don) H.Gross
* ''Persicaria sagittata'' (L.) H.Gross
* ''Persicaria sagittifolia'' H.Gross
* ''Persicaria segetum'' (Kunth) Small
* ''Persicaria senegalensis'' (Meisn.) Soják
* ''Persicaria senticosa'' (Meisn.) H.Gross
* ''Persicaria setacea'' (Baldwin) Small
* ''Persicaria setosula'' (A.Rich.) K.L.Wilson
* ''Persicaria sinica'' Migo
* ''Persicaria sinuata'' (Royle ex Bab.) H.Gross
* ''Persicaria snobarii'' Munshi & Javeid
* ''Persicaria stagnina'' (Buch.-Ham. ex Meisn.) M.A.Hassan
* ''Persicaria stelligera'' (Cham.) Galasso
* ''Persicaria strigosa'' (R.Br.) H.Gross
* ''Persicaria strindbergii'' (J.Schust.) Galasso
* ''Persicaria subsessilis'' (R.Br.) K.L.Wilson
* ''Persicaria sylvestris'' Funez & Hassemer
* ''Persicaria taitoinsularis'' (Masam.) Yonek.
* ''Persicaria taquetii'' (H.Lév.) Koidz.
* ''Persicaria thunbergii'' (Siebold & Zucc.) H.Gross
* ''Persicaria tinctoria'' (Aiton) Spach
* ''Persicaria tomentosa'' (Schrank) E.P.Bicknell
* ''Persicaria trigonocarpa'' (Makino) Nakai
* ''Persicaria umbrosa'' (Sam.) Galasso
* ''Persicaria virginiana'' (L.) Gaertn.
* ''Persicaria viscofera'' (Makino) H.Gross
* ''Persicaria viscosa'' (Buch.-Ham. ex D.Don) H.Gross ex T.Mori
* ''Persicaria wellensii'' (De Wild.) Soják
* ''Persicaria × wilmsii'' (Beck) Soják
* ''Persicaria wugongshanensis'' Bo Li
=== Karazana misy eto Madagasikara ===
Indreto ny karazana misy eto [[Madagasikara]]:
* ''Persicaria attenuata'' (R.Br.) Soják
* ''Persicaria barbata'' (L.) H.Hara (← ''Polygonum barbatum'' L.)
* ''Persicaria capitata'' (Buch.-Ham. ex D.Don) H.Gross (nampidirina)
* <u>''Persicaria chinensis'' (L.) H.Gross (nampidirina)</u>
* ''Persicaria decipiens'' (R.Br.) K.L.Wilson (← ''Polygonum salicifolium'', ''Polygonum decipiens'')
* ''Persicaria dichotoma'' (Blume) Masam. (← ''Polygonum dichotomum'' Blume.)
* <u>''Persicaria glabra'' (Willd.) M.Gómez (← ''Polygonum glabrum'' Willd.)</u>
* <u>''Persicaria lapathifolia'' (L.) Delarbre (← ''Polygonum lapathifolium'')</u>
* ''Persicaria longiflora'' (Courchet) Borodina
* <u>''Persicaria maculosa'' Gray</u>
* ''Persicaria madagascariensis'' (Meisn.) S.Ortiz & Paiva (← ''Polygonum madagascariense'' na ''Polygonum poiretii'' var. ''madagascariensis''. ) -- teratany
* ''Persicaria nepalensis'' (Meisn.) H.Gross (← ''Polygonum nepalense'') -- teratany
* <u>''Persicaria punctata'' (Elliott) Small (← ''Polygonum punctatum'')</u>
* ''Persicaria senegalensis'' (Meisn.) Soják (← ''Polygonum senegalense'' Meisn.) -- fotsimbarinako (teratany)
* ''Persicaria strigosa'' (R.Br.) H.Gross (← ''Polygonum strigosum'' R.Br.) – teratany
== Jereo koa ==
lb7gdqz55kdwepoe5svlpipys85xvr3
Wikipedia:Efemerida/16 Aogositra
4
298646
1149381
1133859
2026-08-17T05:52:44Z
JianJi
36396
1149381
wikitext
text/x-wiki
'''Androany [[16 Aogositra|16 aogositra]]''':
* '''[[1960]]''' - Fahaleovantenan'i [[Repoblikan' i Kipra|Chypre]] manoloana ny [[Fanjakana Mitambatra]]
* '''[[1972]]''' - Tsy nahomby ny fanonganam-panjakana nataon'ny Tafika an'habakabaka maraokana nitifirana ny fiaramanidina nitondra ny mpanjakany Hassan II
l8vmf1jip700ndhe8hl1j1sux91xba2
Wikipedia:Efemerida/17 Aogositra
4
298647
1149380
1133860
2026-08-17T05:04:06Z
JianJi
36396
1149380
wikitext
text/x-wiki
'''Androany [[17 Aogositra|17 aogositra]]''':
* '''[[1945]]''' - Fanambaram-pahaleovantenan'i [[Indônezia|Indonezia]] nataon'i [[Sukarno]] sy Mohammad Hatta, nampirehitra ny revolisiona anoherana ny [[Empira|Empira Holandey]].
* '''[[1960]]''' - Fahaleovantenan'i [[Gabôna|Gabon]] manoloana an'i [[Frantsa]].
p0ppyts5mb5inmon60iwfxv1q967v06
Wikipedia:Efemerida/18 Aogositra
4
298648
1149386
1133861
2026-08-17T08:26:33Z
JianJi
36396
1149386
wikitext
text/x-wiki
'''Androany [[18 Aogositra|18 aogositra]]''':
* '''[[1920]]''' - Fankatoavan'ny Fanjakana maromaro ny fanitsiana faha-19 ny Lalampanorenenana Etazoniana ahafahan'ny vehivavy mifidy mandrotsa-bato.
* '''[[1968]]''' - Fitsanganan'ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara|Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) amin'ny fomba ofisialy izay ivondronan'ny Misiona Protestanta teto teto Madagasikara dia ny LMS, ny FFMA ary ny MPF (na SMEP). Synoda Lehibe Voalohany notontosaina tao [[Toamasina]] no nampanjary izany.
6szq87n1qqi9k97lcc31ho9l59ypzn3
Cissus quadrangularis
0
301684
1149371
1149350
2026-08-16T12:42:39Z
Thelezifor
15140
1149371
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Cissus quadrangularis MS0938.jpg|vignette|400x400px|''Cissus quadrangularis'']]
Ny '''''Cissus quadrangularis''''' dia karazan-javamaniry maharitra taona maro ao amin' ny fianakaviana ''[[Vitaceae]]'', mitahiry rano ao amin' ny vatany, Hita any amin' ny faritra trôpikalin' i [[Azia]] sy amin' ny [[Saikanosin' i Arabia|Saikinosin' i Arabia]] ary amin' ny ampahany be amin' i [[Afrika]] io karazan-javamaniry io. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''kitohitohy''' na '''tohitohy'''. Ahafantarana azy kokoa ny tahony izay manana endrika jeômetrika (efa-dafy) sy noho ny toetra ananany maha zavamaniry fanao fanafody azy hatry ny ela izy.
== Famariparitana ==
=== Taho ===
[[Sary:Cissus Quadrangualaris 12.JPG|ankavia|vignette|251x251px|Taho sy ravin' ny ''Cissus quadrangualaris'']]
Ny tahon' ny ''Cissus quadrangularis'' no endrika miavaka indrindra amin' ity zavamaniry ity. Be nofony sy feno ranony ary mizara ho vaniny maro mitohitohy ny tahony. Misy zorony efatra miavaka tsara izy ireo (miendrika efamira ny fijery azy raha tapahina), ary mirefy 8 ka hatramin' ny 10 sm ny halavany, raha 1,2 ka hatramin' ny 1,5 sm kosa ny sakany. Raha jerena izy dia toy ny rojo vita amin' ny karazana [[raketa]] na zavamaniry mitahiry rano.
=== Ravina ===
Mipoitra avy eo amin' ny tonony ifanohizan' ny vaniny eo amin' ny tahony ny ravin' ny ''Cissus quadrangularis''. Mihintsana haingana ireo ravina ireo mandritra ny vanim-potoana maina; mifandimby ny toerana misy azy ireo eo amin' ny taho, sady miendrika fo na misy fizaràna sady mirefy eo amin' ny 5 sm eo ho eo ny sakany. Tsy misy ravina ilay zavamaniry mandritra ny amphany be amin' ny taona, ka ny tahony maitso no manatanteraka mivantana ny [[fôtôsentezy]].
=== Tangolika ===
[[Sary:Adamant creeper sprouts.jpg|ankavia|vignette|253x253px|Tsimoky ny ''Cissus quadrangularis'']]
Eo amin' ny tonony tsirairay, mifanandrify amin' ny ravina, no ipoiran' ny [[tangolika]] lava sy tsotra, izay ahafahan' ny ''Cissus quadrangularis'' miakatra sy miraikitra amin' ny hazo sy kirihitra eo akaikiny.
=== Vony ===
Kely sady tsy dia misongadina ny vonin' ny ''Cissus quadrangularis'', izay mamorona vondrom-bony kely. Miloko fotsy somary maitso, mavo, na indraindray somary mavokely izy ireo.
=== Voa ===
[[Sary:Cissus quadrangularis fruit.png|vignette|254x254px|Voan' ny ''Cissus quadrangularis'']]
Madinika sady boribory misy nofony malemy ny voan' ny ''Cissus quadrangularis'', izay lasa mena rehefa masaka, ary matetika dia misy vihim-boa iray ihany ao anatiny.
== Toerana sy faritra aniriana ==
Zavamaniry mahatanty haintany mafy dia mafy izy io. Teratany amin' ny faritra trôpikalin' i Afrika (anisan' izany i [[Madagasikara]]) sy [[Azia Atsimo]] ([[India]], [[Srilanka]], [[Tailandy]]) izy io. Matetika izy no hita any amin' ny faritra misy hivoka maina sy any amin' ny ala mihintsan-dravina ary any amin' ny faritra maina feno kirihitra.
== Fampiasana ==
=== Fitsaboana nentim-paharazana ===
[[Sary:Cissus quadrangularis - Hong Kong Park Conservatory - IMG 9824.JPG|vignette|''Cissus quadrangularis'' mandady amin' ny manda sy mandrakotra azy]]
Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana any India (''Ayurveda'') sy aty [[Afrika]] dia antsoina amin' ny anarana midika hoe "mpanitsy taolana" izy io. Efa hatry ny ela no nampiasana azy mba hanafainganana ny fitohizan' ny [[taolana]] tapaka sy hanamaivanana ny fanaintainan' ny tonon-taolana ary hampihenana ny fivontosana.
=== Haingo ===
Noho ny endriny miavaka izay mitovitovy amin' ny rojo dia tena be mpitia izy io notoy izy fanao haingo mihantona ao an-trano na eny ivelany ao anatin' ny zaridaina misy karazana zavamaniry mitahiry rano any amin' ny faritra mafana.
== Jereo koa ==
* ''[[Cissus]]''
* [[Kitohitohy]]: ''Cissus quadrangularis'' L. (''[[Vitaceae]]''); ''[[Equisetum ramosissimum]]'' <small>Desf</small>. (← ''Equisetum elongatum'' <small>Willd</small>.) (''[[Equisetaceae]]''); ''[[Persicaria glabra]]'' <small>(Willd.)M.Gómez</small> (← ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>.) (''[[Polygonaceae]]'')
ofc2wriyhvraogj3kwknqer4zofbqmc
Persicaria glabra
0
301692
1149390
1149349
2026-08-17T11:02:51Z
Thelezifor
15140
Rohy anatiny
1149390
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Polygonum glabrum Willd..jpg|vignette|365x365px| ''Persicaria glabra'' ]]
Ny '''''Persicaria glabra''''' dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana ''[[Polygonaceae]]'', teratany any [[Amerika Avaratra]] sy any [[Eorazia]]. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe '''kitohitohy''' na '''tsiparifary'''.
== Famariparitana ==
Mitovitovy endrika amin' ny ''Persicaria'' ''longiseta'' sy ny ''Persicaria'' ''lapathifolia'' izy io. Zavamaniry maharitra taona maro izy sady antonony ny habeny, manana tonony mena sady mivohitra ary ravina miendrika lela lefona. Sampaho izay fitambarana vony madinika mavokely na fotsy ny vondromboniny. Madinika, misy hodiny mafy sy mainty ary fisaka ny voany.
== Anarana hafa ==
Anarana hafa ahafantarana ny ''Persicaria glabra'' koa ireto:
* ''Persicaria glabrum'' <small>Willd.</small>
* ''Persicaria glabrum'' <small>(Willd.) P. D. Sell</small>
* ''Persicaria glabrum scabrinervis'' <small>Hook. fil.</small>
* ''Persicaria truncatum'' <small>A. Rich.</small>
* ''Persicaria serrulatum'' <small>Spreng.</small>
* ''Persicaria scabrinervium'' <small>Royle ex Bab.</small>
* ''Persicaria quadrifidum'' <small>Buch.-Ham. ex Meisn.</small>
* ''Persicaria portoricense'' <small>Bertero ex Endl.</small>
* ''Persicaria persicaria'' <small>Wall.</small>
* ''Persicaria densiflorum'' <small>Meisn.</small>
* ''Persicaria caucanum'' <small>Fassett</small>
* ''Persicaria acuminatum'' <small>Meisn.</small>
* ''Persicaria acre'' <small>Sieber ex Meisn.</small>
* ''Persicaria portoricensis'' <small>(Bertero ex Small) Small</small>
* ''Persicaria glabra scabrinervis'' <small>(Hook. fil.) H. Hara</small>
* ''Persicaria densiflora'' <small>(Meisn.) Moldenke</small>
== Jereo koa ==
* [[Kitohitohy]]: ''[[Cissus quadrangularis]]'' L. (''[[Vitaceae]]''); ''[[Equisetum ramosissimum]]'' <small>Desf</small>. (← ''Equisetum elongatum'' <small>Willd</small>.) (''[[Equisetaceae]]''); ''Persicaria glabra'' <small>(Willd.)M.Gómez</small> ( ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>.) (''[[Polygonaceae]]'')
* [[Tsiparifary]]: ''Persicaria glabra'' <small>(Willd.)M.Gómez</small> (na ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>.) (''[[Polygonaceae]]''); ''[[Sacciolepis africana]]'' <small>C.E. Hubb. & Snowden</small> (''[[Poaceae]]'')
* ''[[Polygonum glabrum]]'': ''→ [[Persicaria lapathifolia]]'' <small>(L.) Delarbre</small>; ''→ [[Persicaria decipiens]]'' <small>(R.Br.) K.L.Wilson</small>; ''→ Persicaria glabra'' <small>(Willd.) M.Gómez</small>
drnz33mz3yw74zdv7myevr9r1ba46uu
Karanga
0
301697
1149368
2026-08-16T12:32:12Z
Thelezifor
15140
Zavamaniry samihafa mitovy anarana
1149368
wikitext
text/x-wiki
Ny '''karanga''' dia zavamaniry samihafa ao amn' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'':
* ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P. Beauv.</small>: ahibary, ahidrano, karanga, osaosa, tsimparifarifotsy, tsimparifary
* ''[[Echinochloa pyramidalis]]'' <small>(Lam.) Hitchc. & Chase</small>: ahibava, ahidrano, ahilava, karanga, sarivary, songolo, tsimparifarimanja, tsimparifary
* ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz) P. Beauv.</small>: ahibary, ahidrano, farimanga, karanga, tsimparifarimanga, tsimparifarimena, tsimparifary
* ''[[Eriochloa meyeriana]]'' <small>(Nees) Pilg</small>: karanga
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* ''[[Eriochloa]]''
6k7hl04ngpccvrz8sv4l4cauzi775kf
Ahibary
0
301698
1149370
2026-08-16T12:39:15Z
Thelezifor
15140
Zavamaniry samihafa mitovy anarana
1149370
wikitext
text/x-wiki
Ny '''ahibary''' dia zavamaniry samihafa ao amin' ny fianakaviana ''[[Poaceae]]'':
* ''[[Echinochloa colona]]'' <small>(L.) Link</small>: ahibary, akatambivy, varimbivihy, voloandro
* ''[[Echinochloa crus-galli]]'' <small>(L.) P.Beauv.</small>: ahibary, ahidrano, karanga, osaosa, tsimparifarifotsy, tsimparifary
* ''[[Echinochloa stagnina]]'' <small>(Retz.) P.Beauv</small>.: ahibary, ahidrano, farimanga, karanga, tsimparifarimanga, tsimparifarimena, tsimparifary
* ''Olyra'' sp. : ahibary
== Jereo koa ==
* ''[[Echinochloa]]''
* ''[[Olyra]]''
h199xxfno0lojl98efih3ht6rm9ecmh
Raharijaona Solofonirina Sorapiainana
0
301699
1149375
2026-08-17T02:55:24Z
Mikoriana
40064
Source
1149375
wikitext
text/x-wiki
Raharijaona Solofonirina
Mpitandrina teraka tamin'ny 1958. Rasetamanana Holihanta Bodoharisoa no vady navelany. Niteraka mianadahy izy dia Raharijaona Rasetamanana Solofonirina sy Raharijaona Rasetamanana Solofonantenaina. Manana iray tampo 11 izy. Nanana rahalahy Mpitandrina koa izy dia tsy iza fa Pasitera Raharijaona Jeremiah izay efa nodimandry izany.<ref name=":0">Ferapara tamin'ny nahafatesany </ref>
Efa nitondra Fiangonana maro izy ka anisan'izany ny Fiangonana F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana ary ny Fiangonana F.J.K.M Amparibe Famonjena no notandremany farany.<ref name=":1">F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana </ref>
Mpitandrina tena mamy hoditra tamin'ireo mpino tao Ambatolampy Antehiroka Fitiavana izy. <ref name=":1" />
An-dranomaso ny fanaovam-beloma nataon'ny mpino azy tamin'ny taona 2008 rehefa voatendry hifindra teny Amparibe Famonjena izy.<ref name=":1" />
Tamin'ny taona 2023 izy no nandeha nisotro ronono ka niverina nipetraka teny amin'ny trano fonenany teny Ambatolampy Antehiroka. <ref>https://midi-madagasikara.mg/fjkm-amparibe-famonjena-jubile-de-la-retraite-du-pasteur-solofonirina-raharijaona</ref>
Ankoatra ny maha Mpitandrina azy dia mpampianatra tamin'ireo sekoly Teôlôjika maro koa izy. Anisan'izany ny Toeram-Panomanana Mpitandrina Ambatonakanga, SehatraTeolojika ho an'ny Laika-FITELA. Ny taranja Dôgmatika no nosahaniny.<ref>F.J.K.M Foibe</ref>
Mpiara-miasa tao amin'ny Top Radio 102.8 FM izy tamin'ny resaka finoana sy fanabeazana.<ref>Top Radio 102.8 FM</ref>
Nodimandry tamin'ny 09 Jolay 2026 izy.
Ny 13 Jolay 2026 izy no nalevina any Ankazondandy Ankadilalamaro.<ref name=":0" />
/
<nowiki>https://newsmada.com/2023/06/08/fjkm-amparibe-famonjena-hotsofin-drano-ny-mpitandrina-solofonirina/</nowiki>
jphtxdtstvt65ii09ewgtwammo9ts5q
1149376
1149375
2026-08-17T02:56:48Z
Mikoriana
40064
/* */
1149376
wikitext
text/x-wiki
Raharijaona Solofonirina
Mpitandrina teraka tamin'ny 1958. Rasetamanana Holihanta Bodoharisoa no vady navelany. Niteraka mianadahy izy dia Raharijaona Rasetamanana Solofonirina sy Raharijaona Rasetamanana Solofonantenaina. Manana iray tampo 11 izy. Nanana rahalahy Mpitandrina koa izy dia tsy iza fa Pasitera Raharijaona Jeremiah izay efa nodimandry izany.<ref name=":0">Ferapara tamin'ny nahafatesany </ref>
Efa nitondra Fiangonana maro izy ka anisan'izany ny Fiangonana F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana ary ny Fiangonana F.J.K.M Amparibe Famonjena no notandremany farany.<ref name=":1">F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana </ref>
Mpitandrina tena mamy hoditra tamin'ireo mpino tao Ambatolampy Antehiroka Fitiavana izy. <ref name=":1" />
An-dranomaso ny fanaovam-beloma nataon'ny mpino azy tamin'ny taona 2008 rehefa voatendry hifindra teny Amparibe Famonjena izy.<ref name=":1" />
Tamin'ny taona 2023 izy no nandeha nisotro ronono ka niverina nipetraka teny amin'ny trano fonenany teny Ambatolampy Antehiroka. <ref>https://midi-madagasikara.mg/fjkm-amparibe-famonjena-jubile-de-la-retraite-du-pasteur-solofonirina-raharijaona</ref> [https://newsmada.com/2023/06/08/fjkm-amparibe-famonjena-hotsofin-drano-ny-mpitandrina-solofonirina]
Ankoatra ny maha Mpitandrina azy dia mpampianatra tamin'ireo sekoly Teôlôjika maro koa izy. Anisan'izany ny Toeram-Panomanana Mpitandrina Ambatonakanga, SehatraTeolojika ho an'ny Laika-FITELA. Ny taranja Dôgmatika no nosahaniny.<ref>F.J.K.M Foibe</ref>
Mpiara-miasa tao amin'ny Top Radio 102.8 FM izy tamin'ny resaka finoana sy fanabeazana.<ref>Top Radio 102.8 FM</ref>
Nodimandry tamin'ny 09 Jolay 2026 izy.
Ny 13 Jolay 2026 izy no nalevina any Ankazondandy Ankadilalamaro.<ref name=":0" />
6gphfkfpjfq3p4eoo7m5sdja095twta
1149377
1149376
2026-08-17T02:57:32Z
Mikoriana
40064
/* */
1149377
wikitext
text/x-wiki
Raharijaona Solofonirina
Mpitandrina teraka tamin'ny 1958. Rasetamanana Holihanta Bodoharisoa no vady navelany. Niteraka mianadahy izy dia Raharijaona Rasetamanana Solofonirina sy Raharijaona Rasetamanana Solofonantenaina. Manana iray tampo 11 izy. Nanana rahalahy Mpitandrina koa izy dia tsy iza fa Pasitera Raharijaona Jeremiah izay efa nodimandry izany.<ref name=":0">Ferapara tamin'ny nahafatesany </ref>
Efa nitondra Fiangonana maro izy ka anisan'izany ny Fiangonana F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana ary ny Fiangonana F.J.K.M Amparibe Famonjena no notandremany farany.<ref name=":1">F.J.K.M Ambatolampy Antehiroka Fitiavana </ref>
Mpitandrina tena mamy hoditra tamin'ireo mpino tao Ambatolampy Antehiroka Fitiavana izy. <ref name=":1" />
Tamin'ny taona 2023 izy no nandeha nisotro ronono ka niverina nipetraka teny amin'ny trano fonenany teny Ambatolampy Antehiroka. <ref>https://midi-madagasikara.mg/fjkm-amparibe-famonjena-jubile-de-la-retraite-du-pasteur-solofonirina-raharijaona</ref> [https://newsmada.com/2023/06/08/fjkm-amparibe-famonjena-hotsofin-drano-ny-mpitandrina-solofonirina]
Ankoatra ny maha Mpitandrina azy dia mpampianatra tamin'ireo sekoly Teôlôjika maro koa izy. Anisan'izany ny Toeram-Panomanana Mpitandrina Ambatonakanga, SehatraTeolojika ho an'ny Laika-FITELA. Ny taranja Dôgmatika no nosahaniny.<ref>F.J.K.M Foibe</ref>
Mpiara-miasa tao amin'ny Top Radio 102.8 FM izy tamin'ny resaka finoana sy fanabeazana.<ref>Top Radio 102.8 FM</ref>
Nodimandry tamin'ny 09 Jolay 2026 izy.
Ny 13 Jolay 2026 izy no nalevina any Ankazondandy Ankadilalamaro.<ref name=":0" />
ajlt7w4eir2tqpnacu9tuvgbnkbwd4o
Balsaminaceae
0
301700
1149383
2026-08-17T08:02:31Z
Thelezifor
15140
Fianakavian-javamaniry ao anatin' ny filaharana Ericales
1149383
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:ImpatiensGlandulifera-bloem2-kl.jpg|vignette|366x366px|''Impatiens glandulifera'']]
Ny '''''Balsaminaceae''''' dia fianakavian-javamaniry mamony sady roa ravin-tsimoka ao anatin' ny filaharana [[Ericales]]. Araka ny voalazan' i Watson sy Dallwitz, ity fianakaviana ity dia ahitana karazany miisa 600 mizara amin' ny vondron-karazana 2 ka hatramin' ny 4. Ny anarany siantifika amin' ny teny latina dia avy amin' ny hoe ''[[Impatiens balsamina]]'', izay zavamaniry ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana hanaovana menaka fanosotra na balisama (izay niavian' ny hoe "balsamina") hitsaboana ratra.
Zavamaniry tsy misy taho minofon-kazo ireo, na karazana velona herintaona na maharitra taona maro, hita any amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatrany amin' ny faritra mafana (trôpikaly) any [[Azia]], [[Eorôpa]], [[Afrika]] ary [[Amerika Avaratra]]. Fianakaviana ahitana ny vondron-karazana ''Impatiens'', izay hita any [[Frantsa]] na any maniry hoazy na ambolena ho haingon-jaridaina amin' ny toerana misy alokaloka. Fantatra amin' ny fomba fiparitahan' ny voa amin' ny alalan' ny fipoahana na fisokafana tampoka; rehefa matoy ilay voa, dia manipy ny vihim-boany lavitra raha vao misy mikasika azy kely fotsiny.
== Lisitry ny vondron-karazana ==
Tsy manana afa-tsy vondron-karazana roa:
* ''[[Impatiens]]''
* ''[[Hydrocera]]''
== Jereo koa ==
aq77bxz1xumrjli39qn8e0xvww1tx9j
Polygonum glabrum
0
301701
1149391
2026-08-17T11:10:27Z
Thelezifor
15140
Anarana manondro karazan-javamaniry samihafa
1149391
wikitext
text/x-wiki
Ny hoe '''''Polygonum glabrum''''' dia anarana nampiasain' ny bôtanista efatra (Heinrich Reichenbach, William Roxburgh, David Don ary Carl Ludwig Willdenow) nandritra ny tantara, izay tsy nampiasaina intsony sady mety manondro ny iray amin' ireto karazan-javamaniry manaraka ireto, izay samy ao amin' ny fianakaviana ''[[Polygonaceae]]'':
* ''Polygonum glabrum'' <small>Rchb</small>. → ''[[Persicaria lapathifolia]]'' <small>(L.) Delarbre</small>
* ''Polygonum glabrum'' <small>Roxb</small>. na ''Polygonum glabrum'' <small>Roxb. ex D.Don</small> → ''[[Persicaria decipiens]]'' <small>(R.Br.) K.L.Wilson</small>
* ''Polygonum glabrum'' <small>Willd</small>. → ''[[Persicaria glabra]]'' <small>(Willd.) M.Gómez</small>
== Jereo koa ==
* ''[[Persicaria]]''
* ''[[Polygonum]]''
sjnv2jriv68hah22kovk4ska3bpqml9