Wikipedia mgwiki https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana MediaWiki 1.47.0-wmf.15 first-letter Rakitra Manokana Dinika Mpikambana Dinika amin'ny mpikambana Wikipedia Dinika amin'ny Wikipedia Sary Dinika amin'ny sary MediaWiki Dinika amin'ny MediaWiki Endrika Dinika amin'ny endrika Fanoroana Dinika amin'ny fanoroana Sokajy Dinika amin'ny sokajy TimedText TimedText talk Module Discussion module Event Event talk Fiteny malagasy 0 600 1149432 1149300 2026-08-18T13:12:48Z Haingo18 39791 Nanova fehezanteny 1149432 wikitext text/x-wiki {{Infobox fiteny |fiteny = Fiteny malagasy |faritany = {{Madagasikara}}, {{Komaoro}}<ref>Jereo ny [[fiteny antalaotra]]</ref> |isan'ny mpiteny = 25 tapitrisa (teny nibeazana)<ref>Isaina ny teny malagasy ofisialy miaraka amin'ny tenim-paritra</ref> |sata = Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay) |kaodim-piteny = mg, mlg<ref>[http://www.sil.org/iso639-3/documentation.asp?id=mlg Lisitry ny kaody ISO 639 ho an'ny fitenim-paritra]</ref> |soratra = latina |mpandamina = [[Akademia Malagasy]] }} [[File:WIKITONGUES- Candy speaking Malagasy.webm|thumb|Fiteny malagasy]] Ny '''teny''' '''malagasy''' dia tokana fa ny endrika isehoany isam-paritra no samihafa, io no antsoina hoe fitenim-paritra, tsara ho marihina fa teny malagasy no fiteny satria samihafa ny teny (langue) sy ny fiteny (dialecte). Tafiditra ao amin'ny [[Fiteny baritô|vondrom-piteny baritô]], anisan'ny [[fiteny aostrôneziana]] sy [[Fitenim-paritra malagasy|fitohizam-pitenim-paritra]] ampiasaina indrindra eto [[Madagasikara]] ny teny malagasy. Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "[[Fiteny malagasy ôfisialy|malagasy ôfisialy]]", no [[Fiteny ôfisialy|fiteny ôfisiali]]<nowiki/>n'ny [[Madagasikara|Repoblikan'i Madagasikara]], miaraka amin' ny [[fiteny frantsay|teny frantsay]]. Ny teny malagasy no [[Fiteny malaiô-pôlineziana andrefana|fiteny malaiô-pôlineziana andrefana indrindra]], fitenin'ny mponina eto [[Madagasikara]] nanomboka tamin'ny fiorenam-ponenan'ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]] avy any amin'ny [[Nosy Sunda]] (eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamin'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny [[fiteny baritô]] ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin'ny [[fiteny maaniany]], izay mbola ampiasaina any [[Bôrneô|Borneo]]. Ahitana teny indrana avy amin'ny [[Fiteny malay|fiteny maley]] maro koa ny fiteny malagasy<ref><small>Blench, Roger (2009), ''[https://www.rogerblench.info/Language/Austronesian/General/Blench%20Ross%20Festschrift%20paper%20revised.pdf Remapping the Austronesian expansion] {{Wayback|url=https://www.rogerblench.info/Language/Austronesian/General/Blench%20Ross%20Festschrift%20paper%20revised.pdf |date=20240516141156 }}'' (PDF), p. 8. In Evans, Bethwyn (2009). Discovering History Through Language: Papers in Honour of Malcolm Ross. Pacific Linguistics.</small></ref>, nanomboka tamin'ny fiorenam-ponenan'ny Aostrôneziana sy ny varotra teo amin'i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda<ref name=":0"><small>Otto Chr. Dahl, ''Malgache et Maanjan: une comparaison linguistique'', Egede-Instituttet Avhandlinger, no. 3 (Oslo: Egede-Instituttet, 1951), p. 13.</small></ref>. Taorian'ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra [[Fianakaviam-piteny banto|teny banto]] sy [[Fiteny arabo|teny arabo]] maro, nentin'ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy. Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao [[Kômôro]]. Ny ankabeazan'ny mponina eto Madagasikara dia manao an'io teny io ho teny voalohany, toy ny ataon'ny sasany amin'ny taranaky ny Malagasy any amin'ny toeran-kafa. Mizarazara ho [[Fitenim-paritra malagasy|fitenim-paritra]] roa ambin'ny folo ny teny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin'ny [[Fiteny merina|fitenim-paritra merina]] ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan'ny Nosy, izay misy an'Antananarivo renivohitra sy nisy ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakana Merina]] taloha. Ny teny malagasy ofisialy no fototry ny teny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ôfisialy roa ao Madagasikara, miaraka amin'ny teny frantsay, araka ny [[Lalàmpanorenan' i Madagasikara|lalàm-panorenan]]'ny [[Repoblika Fahefatra (Madagasikara)|Repoblika fahefatr]]'i Madagasikara tamin' ny taona 2010. Soratana amin'ny [[tarehin-tsoratra latina|tarehin-tsoratra latinina]] nampidirin'ny misiônera tandrefana tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19 ny teny malagasy. Talohan'izany dia nampiasaina ny [[Sorabe]] izay fampifanarahana ny [[abidy arabo]] amin'ny teny malagasy. Araka ny antontanisan'ny [[Akademia Malagasy|Akademia malagasy]], ny 83,61 % dia tsy miteny afa-tsy amin' ny teny malagasy<ref><small>http://www.lexpressmada.com/5156/print-article-32163.html [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lexpressmada.com%2F5156%2Fprint-article-32163.html archive]]</small></ref>. == Fanasokajiana == Ny endriky ny teny malagasy dia tsy tahaka ny teny ao [[Afrika]] satria io teny io dia ao amin'ny vondrona [[Fiteny malaiô-pôlineziana|malaiô-pôlineziana]], sampan'ny vondrona [[Fiteny aostrôneziana|aostrôneziana]]<ref><small>"[[ethnologuefamily:1767-16|Malagasy's family tree]]" on ''Ethnologue''</small></ref>, vondrona ahitana koa fiteny any [[Indônezia]], [[Malezia]], [[Filipina]] ary any nosy any [[Ranomasimbe Pasifika|Pasifika]]. Raha ny marina, ny fifandraisan'ny teny malagasy amin'ny teny aostrôneziana hafa dia efa tsikaritry ny manampahaizana tany am-boalohany, toa an'ilay Hôlandey manampahaizana, [[Adriaan Reland]], tamin'ny taona 1708<ref><small>Blench, Roger (2007). [https://web.archive.org/web/20110721180146/http://www.rogerblench.info/Archaeology%20data/Indian%20Ocean/Blench%20final%20Azania%202007.pdf "New Palaeozoogeographical Evidence for the Settlement of Madagascar"] (PDF). ''Azania: Archaeological Research in Africa''. [https://www.rogerblench.info/Archaeology%20data/Indian%20Ocean/Blench%20final%20Azania%202007.pdf Arsiva] tamin’ ny 21 -07-2011.</small></ref>. Ny fiavian'ny teny malagasy dia fantatry ny mpandinika ny teny hatramin'ny taonjato faha-19. Ny teny malagasy dia iray vondrona amin'ny [[fiteny baritô]] any amin' ny faritany atsimo-atsinanana amin'ny nosy [[Bôrneô]]. Amin'ny fiteny aostrôneziana rehetra, i [[Otto Christian Dahl|Dahl]] (1951) dia nampiseho fa ny teny malagasy sy ny fiteny manianina – izay fiteny baritô atsinanana ampiasaina any Kalimantan Afovoany (any Indônezia ao amin'ny nosy Borneo) – dia tena mifandray akaiky<ref><small>Dahl, Otto Christian (1951), ''Malgache et Maanyan: Une comparaison linguistique'', Avhandlinger utgitt av Instituttet 3 (in French), Oslo: Egede Instituttet</small></ref>. Io teny io koa dia misy nandray singa maro avy amin'ny [[fiteny malay taloha]]. Fanampin'izany dia nindrana teny sy singa momba ny fanakambanana feo avy amin'ny [[Fianakaviam-piteny banto|fiteny banto]] ny teny malagasy (Dahl 1988). Betsaka ny fitovian'ny teny malagasy amin'ny [[fiteny maaniany|fiteny manianina]], fiteny tenenina ao amin'ny faritry ny renirano [[Barito (renirano)|Barito]], ao amin'ny tapany atsimon'i [[Bôrneô]]. Lazaina fa [[Aostrôneziana (vahoaka)|mponina aotrôneziana]] avy amin'ny [[Vondro-nosy Maley|Tambanosy Maley]] nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton'io fifindramonina io. Taty aoriana dia nihevitra i [[Alexander Adelaar|Adelaar]] (1995) fa ny voambolana ao amin'ny teny malagasy koa dia ahitana teny maro avy any [[Sulawesi Atsimo]]<ref><small>Adelaar, Alexander (1995). "[https://brill.com/view/journals/bki/151/3/article-p325_1.xml Asian Roots of the Malagasy: A Linguistic Perspective]". ''Bijdragen tot de Taal-, Land- en Volkenkunde''. 151 (3): 325–356..</small></ref>. Ny porofo fanampiny momba ity sosokevitra ity dia natolotr'i [[Roger Blench|Blench]] (2018)<ref><small>Blench, Roger (2018), ''[https://www.rogerblench.info/Language/Austronesian/Malagasy/Stratification%20in%20the%20settlement%20of%20Madagascar%202018.pdf Interdisciplinary Approaches to Stratifying the Peopling of Madagascar] {{Wayback|url=https://www.rogerblench.info/Language/Austronesian/Malagasy/Stratification%20in%20the%20settlement%20of%20Madagascar%202018.pdf |date=20240523032831 }}'' (PDF) – via ''www.rogerblench.info''</small></ref>. Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin'ny [[Arabo (olona)|Arabo]] sy ny [[Masombika]] (Afrikana avy amin'ny Tontolo Soahily) ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]]. Any [[Banjarmasin]], nosin'i [[Kalimantan]] ([[Indônezia]]) no foiben'ny fiteny baritô. Ny teny akaikikaikin'ny teny malagasy ankehitriny dia ny [[fiteny maaniany|fiteny manianina]]. Misy koa ny [[fiteny samihima]] sy ny [[fiteny dosona deiaha]] sns. Ao amin'ny teny malagasy dia misy indran-teny avy amin'ny [[fiteny arabo]] sy avy amin'ny [[fiteny soahily]]. === Oha-pampitahana === Azo ampitahaina ny voambolana fototra avy amin' ny [[lisitra Swadesh]] ary izy io dia mamoaka ity tabilao manaraka ity: {| class="wikitable" ! malagasy || [[Fiteny malay|malay-indôneziana]]|| [[Fiteny tahisiana|tahisiana]] |-- | ''tany '' || ''tanah'' || ''fenua'' (ind. ''benua'' = "kôntinenta") |-- | ''lanitra '' || ''langit'' || ''ra'i'' |-- | ''rano '' || ''air'' (''danau'' = "farihy") || ''vai'' |-- | ''afo'' || ''api'' || ''āuahi'' |-- | ''lehilahy'', ''lahy'' || ''laki-laki'' || ''tane'' |-- | ''vehivavy'', ''vaviny'' || ''wanita'', ''perempuan'' || ''vahine'' |-- | ''mihinana'', ''homana'' || ''makan'' || '' 'amu'' |-- | ''misotro'' (''minona'') || ''minum'' || ''inu'' |-- | ''lehibe'', ''ngeza'',"be" || ''besar'' || ''rahi'' |-- | ''kely'', ''tity'' || ''kecil'' || ''iti'' |-- | ''alina'', ''Maizina'' || ''malam'' || ''po'' |-- | ''andro'', ''matsana'' || ''hari'' || ''mahana'' |} {|class="wikitable" style=text-align:center |- ! Fanisana ! 1 ! 2 ! 3 ! 4 ! 5 ! 6 ! 7 ! 8 ! 9 ! 10 |- | '''[[Fiteny prôtô-aostrôneziana|prôtô-aostrôneziana]]''', tokony 4000 tal. J.K. | *isa | *duSa | *telu | *Sepat | *lima | *enem | *pitu | *walu | *Siwa | *puluq |- ! malagasy | iray/isa | roa | telo | efatra | dimy | enina | fito | valo | sivy | folo |- ! [[Fiteny maaniany|maaniany]] | isa | rueh | telo | epat | dime | enem | pitu | balu | su'ey | sapulu |- ! [[Fiteny kadazana|kadazana]] | iso | duvo | tohu | apat | himo | onom | tu'u | vahu | sizam | hopod |- ! [[Fiteny dosona deiaha|dosona]] | iso | duo | tolu | apat | limo | onom | turu | walu | siam | hopod |- ! [[Fiteny varay|varay]] | usá | duhá | tuló | upát | limá | unóm | pitó | waló | siyám | napúlo |- ! [[Fiteny tagalôga|tagalôga]] | isá | dalawá | tatló | ápat | limá | ánim | pitó | waló | siyám | sampu |- ! [[Fiteny hiligainôna|hiligainôna]] | isa | duha | tatlu | apat | lima | anum | pito | walu | siyam | pulo |- ! [[Fiteny karay-a|kinaray-a]] | sara | darwa | tatlo | apat | lima | anəm | pito | walo | siyam | pulû |- ! [[Fiteny ilôkanô|ilôkanô]] | maysá | dua | talló | uppát | limá | inném | pitó | waló | siam | sangapúlo |- ! [[Fiteny samôrô|samôrô]] | maisa/håcha | hugua | tulu | fatfat | lima | gunum | fiti | guålu | sigua | månot/fulu |- ! [[Fiteny malay|maley]] ([[Fiteny indôneziana|indôneziana]] sy [[Fiteny maleziana|maleziana]]) | satu | dua | tiga | empat | lima | enam | tujuh | (de)lapan | sembilan | sepuluh |- ! [[Fiteny sondaney|sondaney]] | hiji | dua | tilu | opat | lima | genep | tujuh | dalapan | salapan | sapuluh |- ! [[Fiteny javaney|javaney]] | siji | loro | telu | papat | limå | nem | pitu | wålu | sångå | sepuluh |- ! [[Fiteny tetoma|tetoma]] | ida | rua | tolu | haat | lima | neen | hitu | ualu | sia | sanulu |- ! [[Fiteny fijiana|fijiana]] | dua | rua | tolu | vā | lima | ono | vitu | walu | ciwa | tini, -sagavulu |- ! [[Fiteny tôngana|tôngana]] | taha | ua | tolu | fā | nima | ono | fitu | valu | hiva | -fulu |- ! [[Fiteny samôana|samoan]] | tasi | lua | tolu | fa | lima | ono | fitu | valu | iva | sefulu |} == Tantara == [[File:Sorabe-Malagasy Arabic script.jpg|thumb|right|250px|[[Sorabe]] mandraikitra ny ampahan' ny tadidy mikasika an' i [[Ralitavaratra]]. Ny sorabe no abidy nampiasaina tamin' ny fanoratana ny teny malagasy malagasy alohan' ny naha-ôfisialy ny [[abidy latina]].]] Ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]] avy any [[Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina]] avy any amin'ny [[Nosy Sunda]] (Tangoro-nosy Maley) no nanorim-ponenana voalohany teto [[Madagasikara]]<ref><small>Ricaut, François-X; Razafindrazaka, Harilanto; Cox, Murray P; Dugoujon, Jean-M; Guitard, Evelyne; Sambo, Clement; Mormina, Maru; Mirazon-Lahr, Marta; Ludes, Bertrand; Crubézy, Eric (2009). [https://www.ncbi.nlm.nih.gov/pmc/articles/PMC2808327/ "A new deep branch of eurasian mtDNA macrohaplogroup M reveals additional complexity regarding the settlement of Madagascar"]. ''BMC Genomics''. 10 (1): 605.</small></ref>. Mikasika ny làlan'izy ireo, ny mety ho nahatongavan'ny [[Fiteny indôneziana|fiteny aostrôneziana indôneziana]] dia niampita mivantana ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]] avy any [[Java]] ka hatraty Madagasikara. Azo inoana fa namakivaky ireo nosin'i [[Maldiva]] izy ireo, izay misy porofon'ny famolavolana endriky ny sambo indôneziana tranainy sy ny teknôlôjian'ny fanjonoana izay mbola misy mandraka ankehitriny<ref><small>P. Y. Manguin. ''Pre-modern Southeast Asian Shipping in the Indian Ocean: The Maldive Connection''. ‘New Directions in Maritime History Conference’ Fremantle. December 1993.</small></ref>. Nitohy nandritra ny arivo taona voalohany ny fifindramonina, araka ny nohamafisin'ny mpikaroka momba ny fiteny izay naneho ny fifandraisana akaiky teo amin'ny fiteny malagasy sy ny [[fiteny maley taloha]] sy ny [[fiteny javaney taloha]] tamin'io vanim-potoana io<ref><small>Adelaar, K. Alexander; Himmelmann, Nikolaus, eds. (2005). ''[https://books.google.mg/books?id=5i1aMcmLWlMC&pg=PR14&redir_esc=y The Austronesian Languages of Asia and Madagascar]''. Psychology Press.</small></ref>. Avy amin'ny [[fiteny baritô]] atsimo-atsinanana ny fiteny malagasy, ary ny fiteny maaniany no mpihavana akaiky indrindra aminy, miaraka amin'ny indran-teny maley sy javaney maro<ref name=":0" /><ref><small>K. Alexander Adelaar, "[https://wiki.santafe.edu/images/6/6d/IndonesianMigrations.pdf The Indonesian Migrations to Madagascar: Making Sense of the Multidisciplinary Evidence] {{Wayback|url=https://wiki.santafe.edu/images/6/6d/IndonesianMigrations.pdf |date=20241107020436 }}" (PDF), in Truman Simanjuntak, Ingrid Harriet Eileen Pojoh and Muhammad Hisyam (eds.), ''Austronesian Diaspora and the Ethnogeneses of People in Indonesian Archipelago'', (Jakarta: Indonesian Institute of Sciences, 2006), pp. 8–9.</small></ref>. Fantatra fa nentin'ny [[Maley (vahoaka)|Maley]] sy ny [[Javaney (vahoaka)|Javaney]] mpivarotra ho mpiasa sy [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] tamin'ny andian-tsambon'izy ireo ny [[Maaniany (vahoaka)|Maaniany]], andian-tsambo izay tonga teto Madagasikara tamin'ny manodidina ny taona 50–500 taor. J.K.<ref><small>Dewar, Robert E.; Wright, Henry T. (1993). [["The culture history of Madagascar"]]. ''Journal of World Prehistory''. 7 (4): 417–466.</small> </ref><ref><small>Burney DA, Burney LP, Godfrey LR, Jungers WL, Goodman SM, Wright HT, Jull AJ (August 2004). [http://www.cavereserve.org/resources/publications-burneys/Burney%20et%20al%202004%20chronology%20madagascar.pdf "A chronology for late prehistoric Madagascar"]. ''Journal of Human Evolution''. 47 (1–2): 25–63..</small></ref>. Taty aoriana, tokony tamin'ny taona 1000, ny Aostrôneziana tonga voalohany dia nifangaro amin'ny [[Banto (vahoaka)|Banto]] sy ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]], ankoatra ny hafa<ref><small>Ferrand, Gabriel (1905), "[https://books.google.mg/books/about/Les_Migrations_Musulmanes_Et_Juives_%C3%80_M.html?id=dpbztwEACAAJ&source=kp_book_description&redir_esc=y Les migrations musulmanes et juives à Madagascar]", ''Revue de l'histoire des religions'', Paris</small></ref>. Misy ny porofo fa ny fahatongavan'ny [[fitenim-paritra malagasy]] voalohany tany amin'ny faritra atsimon'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara<ref><small>Serva, Maurizio; Petroni, Filippo; Volchenkov, Dima; Wichmann, Søren (2011). "[https://www.ncbi.nlm.nih.gov/pmc/articles/PMC3223632/ Malagasy Dialects and the Peopling of Madagascar]". ''Journal of the Royal Society'', Interface. 9 (66): 54–67.</small> </ref>. Manana zavakanto nentim-paharazana amin'ny teny ([[hainteny]]) ary tantara sy angano an-tononkalo ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]]. Ny malaza indrindra dia ny tantaran'i Ibonia, izay Malagasy mahery fo <ref name=":2"><small>"[https://web.archive.org/web/20110722072223/http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=529 La traduction de la Bible malgache encore révisée]". ''haisoratra.org''. 3 May 2007. [https://web.archive.org/web/20110722072223/http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=529http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=529 Arsiva] tamin' ny 22 Jolay 2011.</small></ref>. Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin'ny taonjato faha-19. Ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin ([[Taolagnaro]]) tamin'ny taonjato faha-17, dia nahita soratra tamin'ny [[sorabe]]. Ny soratra voalohany natao amin'ny [[abidy latina]] dia ny [[rakibolana]] malagasy-hôlandey nosoratana tamin' ny fanombohan'ny taonjato faha-17 navoakan' i [[Gabriel Ferrand]] voalohany tamin'ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-15. [[Radama Voalohany|Radama I]], mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin'ny [[Fanjakana Merina]], dia nametra ny [[litera]] ampiasaina ao amin'ny [[abidy malagasy]] avy amin'ny [[abidy latina]] mbola ampiasaintsika amin'izao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana [[abidy]] miaraka amin'ireo misiônera prôtestanta avy ao amin'ny [[London Missionary Society]] i Radama I. Ny boky voalohany natonta printy tamin'ny teny malagasy soratana amin'ny abidy vaovao, dia ny [[Baiboly amin' ny teny malagasy|Baiboly]], nadikan'ny misiônera kristiana britanika niasa tao Imerina tamin'ny taona 1835. Ny [[rakibolana]] vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon'i [[Étienne de Flacourt]]. == Faritra itenenana azy == Ny teny malagasy no tena fiteny ampiasaina indrindra eto [[Madagasikara]]. Miteny izany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy any amin’ ireo nosy manodidina ao amin'ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]] toa an'i [[La Réunion]], i [[Mayotte]] ary i [[Maorisy]]. Misy ihany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy mpila ravinahitra miteny io fiteny io any [[Eorôpa]] sy any [[Amerika Avaratra]]. == Satan'ny fiteny malagasy == Ny [[Fiteny merina|fitenim-paritra merina]] ao amin'ny teny malagasy no heverina ho [[fitenim-pirenena]] eto Madagasikara. Anisan'ny [[fiteny ôfisialy]] roa, miaraka amin'ny [[fiteny frantsay]] izy io ao amin' ny [[Lalàmpanorenan' i Madagasikara|Lalàm-panorenana]] tamin'ny taona 2010 izay nametraka ny [[Repoblika Fahefatra (Madagasikara)|Repoblika fahefatra]]. Teo aloha, araka ny lalàm-panorenana tamin'ny taona 2007, ny teny malagasy dia iray amin'ireo fiteny ôfisialy telo miaraka amin'ny teny frantsay sy ny [[fiteny anglisy]]. Ny teny malagasy no fiteny enti-mampianatra eny amin'ny sekolim-panjakana rehetra hatramin'ny kilasy fahadimy ho an'ny taranja rehetra, ary mijanona ho fiteny enti-mampianatra hatramin'ny lisea ho an'ny taranja tantara sy ny teny malagasy. (jereo: [[Fanagasiana]]) == Fitenim-paritra eto Madagasikara == [[Sary:Map_of_Malagasy_language_dialects.svg|vignette|260x260px|Fitenim-paritra malagasy]] Rehefa jerena amin'ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy [[Fitenim-paritra malagasy|fitenim-paritra]] maromaro fa mitovitovy, izay heverina fa tsy fiteny mahaleo tena ny tsirairay aminy. Ny mpahay teny dia mizara ny fitenim-paritra malagasy ho vondrona roa, dia ny fitenim-paritra tatsinanana (ahitana ny [[fiteny merina]]) sy ny fitenim-paritra tandrefana (ahitana ny [[fiteny sakalava]]), ka ny faritry ny tovifiteny dia manaraka ny hazondamosin' ny Nosy, ary amin'izany ny atsimo dia ao amin'ny vondrona andrefana, fa ny lembalemba afovoany sy ny ankamaroan'ny avaratra (ankoatra ny any amin'ny tendrony indrindra) dia ao amin'ny vondrona atsinanana. Ny ''[[Ethnologue]]'' dia mirakitra fitenim-paritra malagasy roa ambin'ny folo izay sokajiany ho fiteny miavaka. Misy fitoviana voambolana eo amin' ny 70 % amin'ny fiteny merina izy ireo. Na dia mitondra anaram-poko aza ny fitenim-paritra malagasy dia tsy mltovy ny isan'ny [[Foko eto Madagasikara|foko]] sy ny fitenim-paritra eto Madagasikara. === Fitenim-paritra tatsinanana === Araka ny fanasokajian'ny ''[[Ethnologue]]'' dia misy fitenim-paritra dimy ny vondrona atsinanana, dia ireto izany: * [[fiteny betsimisaraka avaratra]] (mpiteny miisa 1 270 000) – fitenin'ny [[Betsimisaraka]] any amin'ny morontsiraka avaratra-atsinanan'ny Nosy; * [[fiteny betsimisaraka atsimo]] (misy mpiteny miisa 2 000 000) – tenenin'ny [[Betsimisaraka]] ao amin'ny tapany avaratra amin'ny [[Faritra Vatovavy-Fitovinany|Faritra Vatovavy sy Fitovinany]]; * [[Fiteny malagasin' ny afovoan-tany|fitenin'ny afovoan-tany]], (misy mpiteny miisa 10 893 000) – tenenina ao afovoan'ny Nosy sy ahitana fitenim-paritra [[Fiteny betsileo|betsileo]], [[Fiteny bezanozano|bezanozano]], [[Fiteny merina|merina]], [[Fiteny sihanaka|sihanaka]], [[Fiteny tanala|tanala]], [[Fiteny antefasy|antefasy]], ary [[Fiteny antemoro|antemoro]]; * [[Fiteny antanosy|fiteny tanosy]] (ahitana mpiteny miisa 639 000) – tenenin'ny [[Antanosy]] any atsimon'ny Nosy<ref><small>"[https://joshuaproject.net/people_groups/10346/MA Antanosy in Madagascar]". ''Joshua Project''.</small> </ref>; *[[Fiteny antesaka|fiteny tesaka]] (misy mpiteny miisa 1 130 000) – tenenin'ny Antaisaka any atsimo-atsinanan'ny Nosy<ref name=":1"><small>"[https://www.ethnologue.com/country/MG/ Madagascar]". ''Ethnologue''. Notsidihina tamin' ny 17 jona 2017</small></ref>. === Fitenim-paritra tandrefana === Araka ny fanasokajian'ny ''[[Ethnologue]]'' dia misy fitenim-paritra enina, miampy ny [[fiteny kibosy]], ny vondrona andrefana, dia ireto izany: * [[fiteny antankarana]] (misy mpiteny miisa 156 000) – tenenin'ny [[Antankarana]] any amin'ny tendrony avaratry ny Nosy; * [[Fiteny bara (malagasy)|fiteny bara]] (misy mpiteny miisa 724 000) – tenenin'ny [[Bara]] any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy; * [[fiteny masikoro]] (misy mpiteny miisa 550 000) – tenenin'ny [[Masikoro]] any amin'ny tapany atsimo-andrefan'ny Nosy; * [[fiteny sakalava]] (misy mpiteny miisa 1 210 000) – fitenin'ny Sakalava any amin'ny morontsiraka andrefan'ny Nosy; * [[fiteny tandroy-mahafaly]] (mpiteny miisa 1 300 000) – fitenin'ny Antandroy sy ny Mahafaly any amin'ny tendrony atsimo amin'ny Nosy, izay mizara ho [[Fiteny antandroy|fiteny tandroy]] sy [[fiteny mahafaly]]; * [[fiteny tsimihety]] (misy mpiteny miisa 1 615 000) – tenenin'ny [[Tsimihety]]<ref name=":1" />; * [[fiteny kibosy]] (misy mpiteny miisa 41 700) dia tenenina ao amin'ny faritr' i [[Mayotte]]<ref><small>"[[ethnologue:buc/|Bushi]]". ''Ethnologue''. Notsidihina tamin' ny 18 Marsa 2024.</small></ref>, izay ao anatin'ny [[Tamba-nosin' i Kômôro|Vondro-nosy Kômôro]] any avaratra-andrefan'i Madagasikara. Eto Madagasikara dia misy ny [[Teny malagasy ôfisialy|fiteny malagasy ôfisialy]] izay miasa eran'ny Nosy amin'ny raharaham-panjakana sy ny haino aman-jery ([[gazety]] sy ny [[Onjam-peo|radiô]] ary ny [[fahitalavitra]]) ary ny [[Fivavahana eto Madagasikara|fivavahana]] nampidirina teto [[Madagasikara]]. === Fahasamihafan'ny fitenim-paritra === Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan'isan'ny fahasamihafan'ny tenim-paritra. {| class="wikitable" style="margin:auto;clear:both;text-align:center;" |+ '''Lanjan' isan' ny fitoviam-boambolana amin' ny tenim-paritra''' |- !colspan="2" | !width=4% align=center | 1 !width=4% align=center | 2 !width=4% align=center | 3 !width=4% align=center | 4 !width=4% align=center | 5 !width=4% align=center | 6 !width=4% align=center | 7 !width=4% align=center | 8 !width=4% align=center | 9 !width=4% align=center | 10 !width=4% align=center | 11 !width=4% align=center | 12 !width=4% align=center | 13 !width=4% align=center | 14 !width=4% align=center | 15 !width=4% align=center | 16 !width=4% align=center | 17 !width=4% align=center | 18 |- | align=center | 1 || [[Fiteny merina|Merina]]|| 100 || 81 || 81 || 92 || 92 || 86 || 78 || 80 || 79 || 68 || 71 || 68 || 70 || 70 || 61 || 77 || 69 || 61 |- | align=center | 2 || [[Fiteny antemoro|Temoro]]|| 81 || 100 || 78 || 79 || 80 || 78 || 81 || 88 || 88 || 67 || 69 || 71 || 72 || 69 || 61 || 76 || 73 || 65 |- | align=center | 3 || [[Fiteny betsimisaraka|Betsimisaraka]]|| 81 || 78 || 100 || 84 || 78 || 77 || 80 || 78 || 75 || 77 || 70 || 65 || 66 || 62 ||style="background-color:yellow"| 54 || 74 || 96 || 61 |- | align=center | 4 || [[Fiteny sihanaka|Sihanaka]]|| 92 || 79 || 84 || 100 || 86 || 81 || 76 || 79 || 77 || 72 || 69 || 67 || 68 || 66 ||style="background-color:#B2FFFF"| 59 || 72 || 68 ||style="background-color:#B2FFFF"| 58 |- | align=center | 5 || [[Fiteny betsileo|Betsileo]]-1<ref group=m>Ambositra</ref> || 92 || 80 || 78 || 86 || 100 || 88 || 77 || 81 || 79 || 68 || 74 || 71 || 75 || 71 || 61 || 79 || 71 || 62 |- | align=center | 6 || Betsileo-2<ref group=m>Fianarantsoa</ref> || 86 || 78 || 77 || 81 || 88 || 100 || 77 || 80 || 77 || 67 || 71 || 74 || 79 || 74 || 66 || 82 || 75 || 66 |- | align=center | 7 || [[Fiteny antambahoaka|Antambahoaka]]|| 78 || 81 || 80 || 76 || 77 || 77 || 100 || 74 || 74 || 69 || 66 || 64 || 64 || 60 ||style="background-color:red"| <font color=white>52</font> || 67 || 64 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 |- | align=center | 8 || [[Fiteny antesaka|Antesaka]]|| 80 || 88 || 78 || 79 || 81 || 80 || 74 || 100 || 89 || 67 || 70 || 71 || 73 || 72 || 62 || 76 || 72 || 63 |- | align=center | 9 || [[Fiteny zafisoro|Zafisoro]]|| 79 || 88 || 75 || 77 || 79 || 77 || 74 || 89 || 100 || 63 || 68 || 68 || 72 || 71 || 61 || 76 || 71 || 63 |- | align=center | 10 || [[Fiteny tsimihety|Tsimihety]]|| 68 || 67 || 77 || 72 || 68 || 67 || 69 || 67 || 63 || 100 || 75 || 61 || 64 || 63 ||style="background-color:yellow"| 54 || 68 || 64 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 |- | align=center | 11 || [[Fiteny antankarana|Tankarana]]|| 71 || 69 || 70 || 69 || 74 || 71 || 66 || 70 || 68 || 75 || 100 || 65 || 68 || 69 ||style="background-color:#B2FFFF"| 59 || 70 || 67 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 |- | align=center | 12 || [[Fiteny vezo|Vezo]]|| 68 || 71 || 65 || 67 || 71 || 74 || 64 || 71 || 68 || 61 || 65 || 100 || 84 || 74 || 64 || 77 || 80 || 69 |- | align=center | 13 || [[Fiteny mahafaly|Mahafaly]]|| 70 || 72 || 66 || 68 || 75 || 79 || 64 || 73 || 72 || 64 || 68 || 84 || 100 || 80 || 68 || 83 || 86 || 76 |- | align=center | 14 || [[Fiteny sakalava|Sakalava]]-1<ref group=m>Morondava</ref> || 70 || 69 || 62 || 66 || 71 || 74 || 60 || 72 || 71 || 63 || 69 || 74 || 80 || 100 || 82 || 79 || 75 || 66 |- | align=center | 15 || Sakalava-2<ref group="m">Belon' i Tsiribihina</ref>|| 61 || 61 ||style="background-color:yellow"| 54 ||style="background-color:#B2FFFF"| 59 || 61 || 66 ||style="background-color:red"| <font color=white>52</font> || 62 || 62 ||style="background-color:yellow"| 54 ||style="background-color:#B2FFFF"| 59 || 64 || 68 || 82 || 100 || 70 || 67 || 63 |- | align=center | 16 || [[Fiteny bara|Bara]]|| 77 || 76 || 74 || 72 || 79 || 82 || 68 || 76 || 76 || 68 || 70 || 77 || 83 || 79 || 70 || 100 || 85 || 74 |- | align=center | 17 || [[Fiteny antandroy|Tandroy]]-1<ref group=m>Masinoro, Ambalavao</ref> || 69 || 73 || 69 || 68 || 71 || 75 || 64 || 72 || 71 || 64 || 67 || 80 || 86 || 75 || 67 || 85 || 100 || 83 |- | align=center | 18 || Tandroy-2<ref group=m>Antanimoro</ref> || 61 || 65 || 61 ||style="background-color:#B2FFFF"| 58 || 62 || 66 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 || 63 || 63 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 ||style="background-color:#B2FFFF"| 56 || 69 || 76 || 66 || 68 || 74 || 83 || 100 |} <references group=m/> == Voambolana == Ny ankamaroan'ny voambolana fototra dia itovian'ny teny malagasy amin'ny [[fiteny maaniany|fiteny manianina]], izay fiteny any amin'ny faritry ny ony [[Barito (ony)|Barito]] any amin'ny tapany atsimon' i [[Bôrneô|Borneo]]. Ny teny malagasy koa dia ahitana indran-teny sasany avy amin'ny [[fiteny arabo]] sy [[Fianakaviam-piteny banto|banto]] (indrindra ny [[Fiteny sabaky|sampana sabaky]], izay niavian'ny [[fiteny soahily]] indrindra), ary vao haingana avy amin'ny [[fiteny frantsay]] sy [[Fiteny anglisy|anglisy]]. === Indran-teny tamin' ny fiteny javaney sy maley === Betsaka ny indran-teny amin'ny teny malagasy avy amin'ny [[fiteny malay|fiteny maley]] sy [[fiteny javaney]] taloha; anisan'ireo teny ireo ny hoe [[trozona|''trozona'']], iray amin'ny teny maley hoe ''duyung''; ny ''[[horita]]'' avy amin'ny teny hoe ''gurita''; ny ''[[fano]]'' avy amin' ny teny hoe ''penyu'', ny ''hara'' avy amin'ny teny maley hoe ''karah'', ny ''fanohara'' (karazan-tsokatra) avy amin'ny teny maley hoe ''penyu karah''; ''[[rivotra]]'' avy amin'ny teny maley hoe ''ribut'' midika "rivomahery" na "rivodoza"; ''[[Tanjona (jeôgrafia)|tanjona]]'' avy amin'ny teny maley hoe ''tanjung''; ''harana'' avy amin' ny teny maley hoe ''karang''; ''[[sambo]]'' sy ''[[nosy]]'' avy amin' ny [[Fiteny javaney|teny javaney]] hoe ''sāmvaw'' sy ''nusa'', sns. === Indran-teny avy amin' ny fiteny sanskrity === Ny indran-teny avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrity]] dia mikasika ny isa sy ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro]]. Azo atao ohatra izao ny teny hoe ''[[tantara]]'' avy amin'ny teny sanskrity hoe ''tantra'' midika "rijan-kevitra" na "teôria"; toraka izany koa ny teny hoe ''[[hetsy]]'' (100 000) izay avy amin'ny teny maley hoe ''keti'' nindramina tamin'ny teny sanskrity hoe ''koṭi'' midika hoe "folo tapitrisa". Ny teny avy amin'ny [[fiteny sanskrity]] moa dia nindramin'ny teny malagasy talohan'ny nahatongavan' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] teto Madagasikara. Noho izany dia niharan'ny fiovàna ara-drafipeo izy ireo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin'ny alalan'ny [[Haitsikerafiteny|haifiteny]] mampitaha ([[Fiteny frantsay|frantsay]]: ''linguistique comparative'')<ref><small>Hita ao amin' ny fiteny malay koa ireo indran-teny ireo, ka anisan' ny poforon' ny fiantraikan' ny fiteny sanskrity tamin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny Malagasy teto Madagasikara izany zavatra izany.</small></ref>. === Indran-teny avy amin'ny fiteny hafa === Ankehitriny ny teny malagasy dia indran-teny tamin'ny [[fiteny arabo]] (voambolana mikasika ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana]]), ny [[Fiteny soahily|fieny soahily]] (voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe ''omby'', ''ondry'' na ''akoho'') ary tamin'ny [[teny frantsay]] sy [[Fiteny anglisy|anglisy]] ho an'ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin'izao fotoana izao, toy ny [[solosaina]] azo tenenina koa hoe ''ordinatera'' na ''kompiotera''. Ao koa ny anaran'ny karazan-java-kohanina toy ny ''piza'' (na ''pija''), ny ''makaraona'' sns... Nanana ny fianjadiany ihany koa ny [[fiteny arabo]], indrindra indrindra amin'ny voambolana ampiasaina amin'ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana]] ary ireo vondron-kintan'ny [[Zodiaka|zôdiaka]]: ''Alahamady'', ''Adaoro'', ''Asorotany'', sns...; ary koa amin'ny lafiny [[tetiandro]], amin'ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny [[anaran'andron'ny herinandro|anaran'andron' ny herinandro]]: ''Alatsinainy'', ''Talata'', ''Alarobia'', sns.. == Feon-teny == === Zanapeo === Aseho anatin'ity fàfana eto ambany ity ny [[zanapeo]]<nowiki/>n'ny fiteny malagasy. {| class="wikitable" style="text-" ! ! Aloha ! Afovoany ! Aoriana |- ! Avo | {{IPA|i}} (i, y) | | {{IPA|u}} (o) |- ! Afovoany | {{IPA|e}} (e) | | |- ! Ambany | | {{IPA|a}} (a) | |} === Renifeo === Ireto kosa ny [[renifeo]]<nowiki/>n'ny fiteny malagasy.<br /> {| class="wikitable" style="text-align: center" ! colspan="2" | ! Amolotra roa ! Amolora sy anify ! Anify ! Ankihy ! Andanilany ! Ambavatraoka |- ! rowspan="4" | Mipoaka ! <small>Marenina</small> | {{SAPI|p}} (p) | | {{SAPI|t}} (t) | {{SAPI|t͡s}} (ts) | {{SAPI|k}} (k) | |- ! <small>Misy feo</small> | {{SAPI|b}} (b) | | {{SAPI|d}} (d) | {{SAPI|d͡z}} (j) | {{SAPI|ɡ}} (g) | |- ! <small>Marenina mialohan'ny orona</small> | {{SAPI|ᵐp}} (mp) | | {{SAPI|ⁿt}} (nt) | {{SAPI|ⁿt͡s}} (nts) | {{SAPI|ŋk}} (nk) | |- ! <small>Misy feo mialohan'ny orona</small> | {{SAPI|ᵐb}} (mb) | | {{SAPI|ⁿd}} (nd) | {{SAPI|ⁿd͡z}} (nj) | {{SAPI|ᵑɡ}} (ng) | |- ! rowspan="2" | Mikasaoka ! <small>Marenina</small> | | {{SAPI|f}} (f) | | {{SAPI|s}} (s) | | {{SAPI|h}} (h) |- ! <small>Misy feo</small> | | {{SAPI|v}} (v) | | {{SAPI|z}} (z) | | |- ! colspan="2" | An' orona | {{SAPI|m}} (m) | | | {{SAPI|n}} (n) | | |- ! colspan="2" | An-tsisiny | | | | {{SAPI|l}} (l) | | |- ! colspan="2" | Mikodia | | | | {{SAPI|r}} (r) | | |} == Fanoratana ny teny malagasy == === Ny fampiasana ny abidy arabo: ny Sorabe === [[File:Sorabe malagasy.jpg|thumb|right|250px|[[Sorabe]] malagasy]] Ny teny malagasy dia nanana literatiora an-tsoratra izay azo inoana fa efa tamin'ny taonjato faha-15. Rehefa nanorina an'i [[Tolagnaro|Fort-Dauphin]] ny Frantsay tamin'ny taonjato faha-17, dia nahita soratra arabo-malagasy nampiasaina, antsoina hoe [[Sorabe]] (<big>سُرَبِ</big>). Ny Sorabe dia [[abidy]] avy amin'ny [[Abidy arabo|abjady arabo]] (''ajami'') izay natao hanoratana ny teny malagasy, indrindra indrindra ny fiteny ao amin'ny tapany atsimo-atsinanan'i Madagasikara: ny fiteny [[antemoro]] ([[Anteony|anteoñy]] sy [[anakara]]). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin'ny alalan'io abidy io; ny tena antitra amin'ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin'ny taonjato faha-17 tany ho any. Io abidy sorabe io dia nampiasaina indrindra tamin'ny lahatsoratra momba ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana]]. Ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra fa natao tamin'io soratra io dia angona voambolana fohy malagasy-[[Fiteny hôlandey|hôlandey]] tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-17, izay navoakan'i [[Gabriel Ferrand]]<ref><small>Ferrand, Gabriel (1908). "Un vocabulaire malgache-hollandais." ''Bijdragen tot de taal-, land- en volkenkunde van Nederlandsch Indië'' 61.673-677.</small></ref> voalohany tamin'ny taona 1908 na dia tsy maintsy efa tafiditra tany amin'ny tapany atsimo-atsinanan'i Madagasikara aza ilay soratra tamin'ny taonjato faha-15<ref><small>Ferrand, Gabriel (1905), "Les migrations musulmanes et juives à Madagascar", ''Revue de l'histoire des religions'', Paris</small></ref>. Tamin'ny taonjato faha-18 dia fantatra ary nampiasain'ny [[Foko eto Madagasikara|foko]] rehetra eran'i Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i [[Andrianampoinimerina]] mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-d[[Radama Voalohany|Radama]] hahay manoratra sy namaky teny hatry ny fahazazàny. Ny fandikana amin'ny fiteny roa voalohany ny lahatsoratra ara-pivavahana dia ny nataon'i [[Étienne de Flacourt]]<ref><small>Flacourt, Étienne de (1657). ''Le Petit Catéchisme madécasse-français''.Paris; (1661). ''Histoire de la grande isle Madagascar''.Paris, pp.197–202.</small></ref>, izay namoaka ny rakibolana voalohany tamin'io fiteny io koa<ref><small>Flacourt, Étienne de (1658). ''Dictionnaire de la langue de Madagascar''. Paris.</small></ref>. {| class="wikitable" |+Sorabe ampifandraisina amin'ny tarehin-tsoratra latina !Litikana !Fiafarana !Anatiny !Fiandohana !IPA !Abidy latina |- |<big>ا‎</big> | colspan="2" |<big>ـا‎</big> |<big>ا‎</big> |/ʔ/ | - |- |<big>ب‎</big> |<big>ـب‎</big> |<big>ـبـ‎</big> |<big>بـ‎</big> |/b, ᵐb/ |''b / mb'' |- |<big>ت‎</big> |<big>ـة‎</big> |<big>ـتـ‎</big> |<big>تـ‎</big> |/ts, ⁿts/ |''ts / nts'' |- |<big>ج‎</big> |<big>ـج‎</big> |<big>ـجـ‎</big> |<big>جـ‎</big> |/dz, ⁿdz/ |''j / nj'' |- |<big>ڊ‎</big> | colspan="2" |<big>ـڊ‎</big> |<big>ڊ‎</big> |/d/ |''d'' |- |<big>ر‎</big> | colspan="2" |<big>ـر‎</big> |<big>ر‎</big> |/r/ |''r'' |- |<big>رّ‎</big> | colspan="2" |<big>ـرّ‎</big> |<big>رّ‎</big> |/ɖʳ, ᶯɖʳ, ʈʳ, ᶯʈʳ/ |''dr / ndr / tr / ntr'' |- |<big>س‎</big> |<big>ـس‎</big> |<big>ـسـ‎</big> |<big>سـ‎</big> |/s/ |''s'' |- |<big>ࢋ‎</big> |<big>ـࢋ‎</big> |<big>ـࢋـ‎</big> |<big>ࢋـ‎</big> |/t, ⁿt/ |''t / nt'' |- |<big>ع‎</big> |<big>ـع‎</big> |<big>ـعـ‎</big> |<big>عـ‎</big> |/ŋ/ |''n̈'' |- |<big>غ‎</big> |<big>ـغ‎</big> |<big>ـغـ‎</big> |<big>غـ‎</big> |/g, ᵑɡ/ |''g / ng'' |- |<big>ٯ‎</big> |<big>ـٯ‎</big> |<big>ـڧـ‎</big> |<big>ڧـ‎</big> |/f/ |''f'' |- |<big>ٯّ‎</big> |<big>ـٯّ‎</big> |<big>ـڧّـ‎</big> |<big>ڧّـ‎</big> |/p, ᵐp/ |''p / mp'' |- |<big>ك‎</big> |<big>ـك‎</big> |<big>ـكـ‎</big> |<big>كـ‎</big> |/k, ᵑk/ |''k / nk'' |- |<big>ل‎</big> |<big>ـل‎</big> |<big>ـلـ‎</big> |<big>لـ‎</big> |/l/ |''l'' |- |<big>م‎</big> |<big>ـم‎</big> |<big>ـمـ‎</big> |<big>مـ‎</big> |/m/ |''m'' |- |<big>ن‎</big> |<big>ـن‎</big> |<big>ـنـ‎</big> |<big>نـ‎</big> |/n/ |''n'' |- |<big>و‎</big> | colspan="2" |<big>ـو‎</big> |<big>و‎</big> |/v/ |''v'' |- |<big>ه‎</big> |<big>ـه‎</big> |<big>ـهـ‎</big> |<big>هـ‎</big> |/h/ |''h'' |- |<big>ي‎</big> |<big>ـي‎</big> |<big>ـيـ‎</big> |<big>يـ‎</big> |/z/ |''z'' |} === Ny fampiasana ny abidy latina === [[Radama Voalohany|Radama I]], izay nahay namaky teny voalohany tao amin'ny [[Fanjakana Merina]], na dia nahay nampiasa ny Sorabe aza<ref><small>Berthier, H.J. (1934). ''De l'usage de l'arabico=malgache en Imérina au début du XIXe siècle: Le cahier d'écriture de Radama Ier''. Tananarive.</small></ref>, dia nisafidy ny [[Tarehin-tsoratra latina|abidy latina]] avy amin'i [[David Jones]] tamin'ny taona 1823 ary nanasa ny misiônera prôtestanta tao amin'ny [[London Missionary Society]] hanangana sekoly sy fiangonana. Ny [[Baiboly]], izay [[Baiboly amin' ny teny malagasy|nadika tamin'ny teny malagasy]] tamin'ny taona 1835 nataon'ny misiônera prôtestanta britanika niasa tany afovoan-tany teto Madagasikara, no boky voalohany natao pirinty tamin'ny teny malagasy nampiasa ny tarehin-tsoratra latina<ref name=":2" />. Misy [[litera]] 21 (''a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z'' ) ny [[abidy malagasy]] ankehitriny. Samy maneho ny feo [i] ny litera ''i'' sy ''y'': ny ''y'' ampiasaina any amin'ny fiafaran'ny teny, fa ny ''i'' kosa any an-kafa.Tononina hoe [u] ny ''o,'' tahaka ny ou amin' ny teny frantsay. Ny feo [ʈʂ/] sy [ɖʐ] dia soratana hoe ''tr'' sy ''dr'', ary ny [ts] sy [dz] dia soratana hoe ''ts'' sy ''j''. Matetika dia tsy tononina ny litera ''h''. Manaraka ny fanononana azy ao amin'ny [[Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena]] ny litera hafa rehetra. Tsy ampiasaina amin'ny fanoratana ny teny malagasy na amin'ny teny vahiny [[Fanagasiana|nohagasina]] ny litera ''c, q, u, w'' ary ''x''. Ny ''mp'', ary indraindray ny ''nt'', dia mety manomboka teny iray, saingy tononina [p] sy [t]. Mitovy rafitra amin'ny abidy ampiasaina amin'izao fotoana izao ny abidin-dRadama I: ny isan'ny [[litera]] ampiasaina dia mbola iraika ambin'ny roapolo. Izany anefa tsy misakana ny fampiasana ny litera latina hafa mba hanoratana ny teny vahiny tsy nohagasina (toy ny hoe ''watt''). Ireto ny [[litera]] ampiasaina amin'ny teny malagasy (ny eo anelanelan'ny fononteny dia ampiasaina amin'ny fiteny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin' ny teny vahiny): a, b, (c), d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, (q), r, s, t, (u), v, (w), (x), y, z. === Fivoaran'ny fanoratana ny teny malagasy === Niharan'ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny andron-d[[Radama I]] (taona 1820-1830) sy ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny faramparan' ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakan' i Madagasikara]] (faran'ny taonjato faha-19). Io fanoratana ny teny malagasy tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin'ny fanoratana ny teny malagasy tamin'ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]] izay samihafa ihany koa amin'ny fanoratana ny teny malagasy amin'izao fotoana izao. Ny [[tendro satroka]] dia apetraka eo ambonin' ny litera ''o'' (''ô'') mba hanoratana ny teny indrana sasany na amin'ny [[fitenim-paritra malagasy]] sasany, araka ny Didim-panjakana laharana 17-603 AC tamin' ny 10 Nôvambra 1965<ref><small>"[https://www.degruyterbrill.com/database/IABO/entry/iab19830694/html?lang=en& L’enseignement du malgache: les fautes d’orthographe]", ''www.degruyterbrill.com''</small></ref><ref><small>[[Narivelo Rajaonarimanana]], ''[https://dokumen.pub/dictionnaire-du-malgache-contemporain-malgache-franais-franais-malgache-9782865376278.html Dictionnaire du malgache contemporain : malgache-français français-malgache]'', Karthala, 1995, <abbr>p.</abbr> 37.</small></ref>. Misy fitenim-paritra malagasy ampiasana litera fanampiny, ny roa amin' ireo dia nampidirina tamin' ny alalan' ny Didim-panjakana laharana 62-404 tamin' ny 9 Aogositra 1962: * ny ''n̂'' ilazana ny feo ''n'', alohan' ny fototeny manomboka amin' ny ''e'' na ''i'', ohatra: ''man̂embana'' (''man''+''embana'') (izay midika hoe "mangalatra") sy manembana (''man''+''sembana'') (izay midika hoe "manakorontana"); * ny n̈ manamarika ny ''n'', alohan' ny fototeny manomboka amin' ny ''a'' na ''o'', ohatra: ''man̈asa'' (''man''+''asa'') (izay midika hoe "madranitra") sy ''manasa'' (''man''+''sasa'') (izay midika hoe "manadio amin' ny rano")<ref><small>Oliva Ramavonirina, "Les caractères spéciaux dans l’orthographe courante: le cas du malgache", ''Cahiers du Rifal'', vol. 23 « Le traitement informatique des langues »,‎ novembre 2003, p. 73-75</small></ref>. ==Fampiasana ny teny malagasy== Ampisain'ny Malagasy amin'ny endrika [[Fitenim-paritra malagasy|fitenim-paritra]] na ny [[fiteny ôfisialy]] ny teny malagasy. Amin'ny lafiny ôfisialy dia ny tenim-pirenena ([[Fiteny malagasy ôfisialy|malagasy ôfisialy]]) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no fiteny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy fiteny ôfisialy na tenim-paritra koa ny Malagasy mipetraka any ivelan' i [[Madagasikara]], na dia tsy maro aza ny fianakaviana malagasy tsy mampianatra ny tenindrazany amin'ny zanany. Eo amin'ny [[aterineto]] indray, dia vitsy ny tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenin'ny votoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] rehefa miresaka momba ny fampahalalàna. Miampy izany koa ny safidin'ny mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin'ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin'ny teny frantsay ny Malagasy eo amin'ny tranonkala. Volana natokana ho an'ny fiteny malagasy ny volana Jona, ka ny [[Akademia Malagasy]] sy ny Ministera misahana ny kolontsaina no mikarakara ny fankalazàna azy. === Wikipedia sy Aterineto amin' ny teny malagasy === Tsy mampiasa ny [[Wikipedia]] amin'ny fiteny madinika ny olona noho ny [[ratsy mifamahana]]. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Tahàka ireo [[Jordania]]nina manoratra amin'ny [[fiteny anglisy|teny anglisy]] mba ho azon'ny olona bebe kokoa, manoratra amin'ny [[fiteny frantsay|teny frantsay]] ny Malagasy mba ho azon'ny olona any ivelan'i Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay," raha mamorona votoatiny bebe kokoa amin' ny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ny votoatiny amin'ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta". Araka izany, amin'ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toy ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben'ny tranonkala.<ref>Ethan Zuckerman, 2013 : ''Rewire: Digital Cosmopolitans in the Age of Connection''</ref> == Rakibolana == Ny rakibolana voalohany amin’ny teny malagasy an-tsoratra dia nosoratana tamin’ny alalan’ny sorabe. Ny rakibolana voalohany nampiasa abidy latina dia ny ''Dictionnaire de la langue de Madagascar'' nosoratan’i Etienne de Flacourt, izay natonta tamin’ny taona 1658. Taorian’izany dia nivoaka ny ''English-Malagasy Vocabulary''. Tamin’ny taona 1885, dia navoakan’ny London Missionary Society ny rakibolana malagasy-anglisy iray izay ahitana pejy 892. Na izany aza, dia misy voambolana tranainy ao anatin’io rakibolana io. Efa nisy fanovàna maro natao tamin’io rakibolana io taty aoriana, indrindra amin’ny lafiny hatetika, izay miankina amin’ny firaketan-dahatsoratra misy teny mihoatra ny dimy tapitrisa. * Winterton, M. et al.: ''Malagasy–English, English–Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy–Anglisy, Anglisy–Malagasy''. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p. * Richardson: ''A New Malagasy–English Dictionary''. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p. <nowiki>ISBN 0-576-11607-6</nowiki> (Original edition, Antananarivo: The London Missionary Society, 1885). * ''Diksionera Malagasy–Englisy''. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p. * ''An Elementary English–Malagasy Dictionary''. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p. * ''English–Malagasy Phrase Book''. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. (Les Guides de Poche de Madagasikara.) * Paginton, K: ''English–Malagasy Vocabulary''. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p. * Bergenholtz, H. et al.: ''Rakibolana Malagasy–Alemana''. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991. * Bergenholtz, H. et al.: ''Rakibolana Alemana–Malagasy''. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994. * Régis Rajemisa-Raolison: ''Rakibolana Malagasy''. Fianarantsoa 1995, 1061 p. == Fitsipi-pitenenana == <nowiki>Ny fehezanteny amin’ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rafitra manaraka izao: Matoanteny – Fameno – Lazaina (MFL), izay fantatra amin’ny teny anglisy hoe VOS (Verb–Object–Subject). Na izany aza, mety hiovaova io firafitry ny fehezanteny io arakaraka ny endriky ny matoanteny ampiasaina, araka ny ohatra aseho etsy ambany. MFL tsotra</nowiki> * ''Mandahatra ny miaramila aho.'' Mampiasa endrika mivantana ny [[Fitodika mpanao|matoantenin' ny mpanao]] ny fehezanteny eo ambony<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 106</ref>, ; Rariteny M(L)F * ''Alahatro ny miaramila.'' Mampiasa ny [[Fitodika atao|matoantenin' ny atao]] ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra amin'ny matoanteny ny mpanao ny asa (-''ko''). === Matoanteny === Ny [[matoanteny]] no fanahin'ny fiteny ary mamaritra ny ''tao'' sy ''hetsika'' ary ''fiainana'' ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisian'ny matoanteny ''misy''; mamaritra ny ''tao'' izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, amin'ny alalan'ny matoantenin'ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 106</ref> Ny matoanteny dia ampiasaina amin'ny filazàna, [[Fandavana (fitsipiteny)|fandavana]] na fanambaràna zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomen'olona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 106-107</ref>. ==== Matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin' ny atao ==== Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny [[Fitodika mpanao|matoantenin'ny mpanao]] sy ny [[Fitodika atao|matoantenin'ny atao]], ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin'ny mpanao dia mamaritra ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] manao zavatra. Ny matoantenin'ny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharan-javatra. Ny matoantenin'ny mpanao dia: * lazaina fa mivantana (anglisy: ''direct'') rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns. * lazaina fa manilika (anglisy: ''exclusive'') rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns. * lazaina fa manantitra (anglisy: ''emphatic'') rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra : "izaho miteny", "izaho misotro". Telo no endriky ny matoantenin'ny atao. # Ny voalohany dia antsoina hoe ''endrika tsotra'', satria avy amin'ny [[Filaza mandidy|filaza mandid]][[Filaza mandidy|i]]<nowiki/>n<nowiki/>'ny fototeny izy. Ohatra: ny matoantenin'ny atao "sotroina" dia avy amin'ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin'ny fototeny "sotro". # Ny endrika faharoa dia manana [[Tovana (fitsipiteny)|tovana]] mamaritra ny mpanao, na ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns. # Ny fahatelo dia ny endrika ara-[[Toe-javatra (fitsipiteny)|toejavatra]], satria mampiasa ny toejavatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroan'ny olona rano". Ny matoantenin'ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika.<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 109-110</ref>. Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" (mat. mpanao); "andehanako", "alehako" (mat. atao). Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo. ==== Sokajy matoanteny dimy ==== Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy : * Ny [[matoanteny mitampody]] (reflektiva), * Ny matoanteny mamari-pahafahana ([[fiteny anglisy|anglisy]]: ''potentative verb''). Ny [[Tovona (fitsipiteny)|tovona]] mamaritra azy io dia ny tovona ''maha-''. Manana endrika mivantana, manantitra (emfatika) ary mandroaka ireo matoanteny ireo. * Ny matoanteny mamaritra fivoarana ([[fiteny anglisy|anglisy]]: ''intensive verb'') dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran'ny ''tao'' iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona ''miha-'' ohatra ao anatin'ny ''mihalava'', ''mihafohy'', ''mihavitsy'', ''mihafeno'', sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao amin' ny [[Fiendrika mañano|fiendrika manano]] (ang.: ''active voice'') sy amin'ny [[fiendrika anoina]] (ang. ''passive voice'') dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra (emfatika) ary endrika mandroaka (ang.: ''exclusive form''). Amin'ny endrika misy solonteny voatovana amin'ny matoanteny mamaritra fivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 116</ref> * Ny matoanteny mampita (ang.: ''transitive verb'') izay mamaritra ny tao ataon'ny lazaina eo amin'ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona ''man-'' (manana endrika miova arakaraky ny [[fototeny]]) * Ny matoanteny [[Fitodika mpifanao|mpifanao]] (ang.: ''reciprocative verb'') Ao amin'io sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika.<ref >''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 117</ref>. Ny endrika mpifanao dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny. Amin'ny fàfana eo ambany dia aseho ny [[tsirinteny]] araky ny endriky ny matoanteny avy amin'ny fototeny "latsaka". {| class="wikitable" size=80% |+ Tsirinteny matoanteny* araky ny sokajiny ! ! fiendrika manano ! fiendrika anoina<br>ary endrika voatovana soloteny |- ! Reflektiva | milatsaka | latsahana |- ! Mamari-pahafahana | mahalatsaka | ahalatsahana |- ! Mamari-pivoarana | mihalatsaka | ihalatsahana |- ! Mampita | mandatsaka | andatsahana |- ! Mifanao | mifandatsaka | ifandatsahana |} (*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho. ==== Zana-pizaràna na fisokajiana fanampiny ==== Ny fizaràna fanindroan'ny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika [[Fitodika mpampanao|mpampanao]] (ang.: ''causative''), endrika mampanao mpifanao (ang.: ''reciprocative causative'') ary endrika mampanao mamaritra fahafahana (ang.: ''potentative causative''). Ny [[tovona]] amin'ireo matoanteny ireo dia fitambaran'ny tovona ao amin'ny endrika mampanao amin'ny tovoy na ao amin'ny endrika mpifanao na mamari-pivoarana. {| class="wikitable" width=80% |+Tsirintenin' ny matoanteny* mampanao<ref>''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 119</ref> ! ! fiendrika manano ! fiendrika anoina<br> na endrika voatovana soloteny |- ! Mampitranga<br>reflektiva | mampilatsaka | ampilatsahana |- ! Mampitranga<br>mamari-pahafahana | mampahalatsaka | ampahalatsahana |- ! Mampitranga<br>mamari-pivoarana | mampihalatska | ampihalatsahana |- ! Mampitranga<br>mampita | mampandatsaka | ampandatsahana |- ! Mampitranga<br>mifanao | mifampilatsaka | ifampilatsahana |} (*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho. Ireo matoanteny mampanao mpifanao dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataon'ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin'ny alalan'ny fanovàna ny tovona ''m-'' ho ''mif-'' amin'ny endrika mampanao ny matoanteny mivantana. {| class="wikitable" width=80% |+Tsirintenin'ny matoanteny mampanao* mifampivoho<ref>''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 119-120</ref> ! ! fiendrika manano ! fiendrika anoina<br> na endrika voatovana soloteny |- ! mampitranga mpifanao<br> ny matoanteny reflektiva | mifampilatsaka | ifampilatsahana |- ! mampitranga mpifanao<br> ny matoanteny mamari-pahafahana | mifampahalatsaka | ifampahalatsahana |- ! mampitranga mpifanao<br> ny matoanteny mamari-pivoarana | mifampihalatsaka | ifampihalatsahana |- ! mampitranga mpifanao<br> ny matoanteny mampita | mampandatsaka | ampandatsahana |- ! mampitranga mpifanao<br> ny matoanteny mifamoivoho | mifampilatsaka | ifampilatsahana |} (*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho. Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanaon'ny tao. {| class="wikitable" width=80% |+Tsirintenin'ny matoanteny mampanao* fahafahana<ref>''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan'i David Griffith, p. 121</ref> ! ! fiendrika manano ! fiendrika anoina<br> na endrika voatovana soloteny |- ! mampitranga fahafahana<br> ny matoanteny reflektiva | mahampampilatsaka | ahampampilatsahana |- ! mampitranga fahafahana<br> ny matoanteny mamari-pahafahana | mahampampahalatsaka | ahampampahalatsahana |- ! mampitranga fahafahana<br> ny matoanteny mamari-pivoarana | mahampampihalatsaka | ahampampihalatsahana |- ! mampitranga fahafahana<br> ny matoanteny mampita | mahampampandatsaka | ahampampandatsahana |- ! mampitranga fahafahana<br> ny matoanteny mifanao | mahampampifandatsaka | ahampampifandatsahana |} (*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho. === Anarana sy mpisolo === Ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] tena amin'ny teny malagasy dia maro ary miankina amin'ny fifandraisan'ilay mpiteny amin'ilay olona itenenana ny fampiasana azy. === Tambinteny === Ny [[tambinteny]] dia teny ampiarahina amin'ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]], ny [[matoanteny]] (mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin'ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa (fandaharana na fanisàna); tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.: ''ankehitriny'', ''izao ihany'', ''anio'', sns.), efa lasa (''sahady'', ''taloha'', ''rahateo'', sns.) na ho avy (oh.: ''hatrizay'', ''arakizao'', ''rahampitso'', sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (''matetika'', ''indraindray'', ''rahoviana'', sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh.: ''indray'', ''indroa'', ''intelo'', ''isan'andro'', ''isam-bolana'', sns.); ireo tambinteny mamaritra toerana (oh.: ''aloha'', ''aoriana'', ''dia'', ''mandavanandro'', sns.); ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafaràna (oh.: ''mandrakariva'', ''mandrakizay'', ''tsy ... intsony'')<ref><small>''A Grammar of the Malagasy language'' nosoratan' i David Griffith, p. 190</small></ref> ==== Mpamaritra toerana ==== {| class=wikitable |+Mpamaritra toerana malagasy !colspan=2| !!colspan=2| Akaiky !!colspan=2| Lavidavitra !!colspan=3| Lavitra |- !rowspan=2|Tambinteny!!Tsy hita |atỳ || àto || ào || àtsy || àny || aròa* || arỳ |- !Hita |etỳ || èto || èo || ètsy || èny || eròa || erỳ |- !rowspan=3|Soloteny!!Tsy hita |izatỳ*||izàto*||izào||izàtsy*||izàny||izaròa*||izarỳ* |- !Hita |itỳ||ìto||ìo||ìtsy||ìny||iròa*||irỳ |- !Hita pl. | colspan="2" style="text-align:center;"|irèto||irèo||irètsy||irèny||ireròa*||irerỳ* |} Fanamarihana : * Tsy voatery asiana [[Tendro (soratra)|tendro]] ny mpamaritra toerana. * Tsy ampaisaina matetika ny mpamaritra toerana misy ny *. == Jereo koa == *[[Abidy malagasy]] *[[Fiteny eto Madagasikara]] *[[Fitsipiteny malagasy]] '''Lohahevitra sasany momba ny fitsipiteny malagasy''' *[[Fameno (fitsipiteny)|Fameno]] *[[Mpampiankina]] *[[Fiendrika|Fitodika]] na [[fiendrika]] *[[Tsirinteny]] *[[Filazam-potoana (fitsipiteny)|Filazam-potoana]] *[[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|Fanehoan-javatra]] *[[Filaza (fitsipiteny)|Filaza]] *[[Sokajin-teny]] '''Fiteny be mpampiasa ao Afrika''' * Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny [[fiteny afrikansa]], [[Fiteny agny|agny]], [[Fiteny amharika|amharika]], [[Fiteny anglisy|anglisy]], [[Fiteny arabo|arabo]], [[Fiteny bambara|bambara]], [[Fiteny baole|baole]], [[Fiteny berbera|berbera]], [[Fiteny bete|bete]], [[Fiteny diola|diola]], [[Fiteny fanga|fanga]], [[Fiteny fola|fola]] (na [[fiteny peola]]), [[Fiteny frantsay|frantsay]], [[Fiteny haosa|haosa]], [[Fiteny iôroba|iôroba]], [[Fiteny kitoba|kitoba]], [[Fiteny lingala|lingala]], [[Fiteny malagasy|malagasy]], [[Fiteny môre|môre]], [[Fiteny pôrtogey|pôrtogey]], [[Fiteny soahily|soahily]], [[Fiteny sômaly|sômaly]], [[Fiteny sôninke|sôninke]], [[Fiteny soso|soso]], [[Fiteny tigrinia|tigrinia]], [[Fiteny vôlôfo|vôlôfo]] ary [[Fiteny zolo|zolo]]. == Rohy ivelany == *[http://www.ethnologue.com/show_family.asp?subid=91254 Tatitra ''Ethnologue'' mikasika ny teny malagasy] *[https://web.archive.org/web/20030622220010/http://www.teny.org/ Foibe momba ny Teny an' ny Akademia Malagasy] *[http://teny.org/index.php?option=com_content&view=article&id=49:ny-fifehezanteny-malagasy&catid=34:teny&Itemid=56 ''Ny fifehezanteny malagasy''] ao amin'i teny.org ([http://teny.org/index.php?option=com_content&view=category&id=34&Itemid=27 renisokajy] {{Wayback|url=http://teny.org/index.php?option=com_content&view=category&id=34&Itemid=27 |date=20220408140513 }}) *[https://tenymalagasy.org/bins/alphaLists?lang=fr&w= Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy] *"[https://www.tiatanindrazana.mg/politique/mediatioranny-repoblika-mila-hadika-aminny-teny-malagasy-ny-didy-aman-dalana-53737.php Mediatioran' ny Repoblika “Mila hadika amin' ny teny malagasy ny didy aman-dalàna]”", ''www.tiatanindrazana.mg'' '''Boky malalaka''' * {{en}} [http://archive.org/download/grammarofmalagas00grifrich/grammarofmalagas00grifrich.pdf ''A grammar of the Malagasy language, in the Ankova dialect ''], nosoratan'i David Griffiths, 1854 * [https://old.bigenc.ru/linguistics/text/2168075?ysclid=lqhludz8js447330367 ''Клименко В. В.'' Малагасийский язык // Большая российская энциклопедия. Том 18. Москва, 2011, с. 600-601.] {{Wayback|url=https://old.bigenc.ru/linguistics/text/2168075?ysclid=lqhludz8js447330367 |date=20231223051804 }} * [https://www.elibrary.ru/item.asp?edn=bcztjl&ysclid=lqhlds3jgp16057165 ''Клименко В. В.'' Словари малагасийского языка в России и за рубежом // Архонт, 2023, № 2, с. 83-91.] == Tsiahy == {{ref}} [[Sokajy:Fiteny]] [[Sokajy:Madagasikara]] t8tge1l9nwd1x8rgnl1dhawmszrfr0r Tapiraí (San Paolo) 0 69306 1149435 690827 2026-08-18T23:32:47Z EmausBot 2486 Rôbô : mamaha olam-pihodinana mankany amin'i [[Tapiraí (São Paulo)]] 1149435 wikitext text/x-wiki #FIHODINANA [[Tapiraí (São Paulo)]] j70ne43g1n8mzpr5gl0mo893w7e30zm Exu 0 97282 1149438 1127221 2026-08-19T07:05:56Z ~2026-43677-38 40632 haavo 1149438 wikitext text/x-wiki {{coord|-7.511940|-39.724170}} {{infobox tanàna |anarana =Exu |velarantany = 1.494 |haavo =523 |isam-ponina = 30.569 |firenena ={{BRA}} |fanjakana ={{Pernambuco}} |ben'ny tanàna = |sary =102 0767.JPG (2627039350).jpg |saina = Bandeira do Exu.jpg }} [[File:Brazil Pernambuco Exu location map.svg|thumb|left| Exu ]] I '''Exu''' dia kaominina ao [[Brazila]], ao amin'i {{Pernambuco}}, ao amin'i [[Sertão Pernambucano]], [[Zana-paritan'i Araripina|Araripina]], , eo amin'ny sisintany manasaraka ny fanjakan'i Pernambuco sy [[Ceará]]. ==Jeografia== Ny velarantanin'ilay tanàna dia 1.494 kilometatra toradroa. Ny isam-ponina dia 30.569 tamin'ny taona 2007 ; manome ny hakitroka 20 46. Ny laharam-pehintaniny dia 7° 30'43S ary ny laharan-jarahasiny dia 7° 30'43W. ==Jereo koa== *[[Zé Pelintra]] *[[Luiz Gonzaga]] (teraka 1912) {{Commonscat|Exu (Pernambuco)}} [[sokajy:Tanàna ao Pernambuco]] o329yxgs5a6euj5w5splrjv7wlzu5kk Mpanoritra 0 262104 1149433 1072653 2026-08-18T13:16:22Z Haingo18 39791 Nanitsy tsipelina 1149433 wikitext text/x-wiki Ny [[mpanoritra|'''mpanoritra''']] dia teny (azo lazaina ho zana-tsokajin' ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]]) mikambana indrindraindrindra amin' ny [[anarana]] mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty [[fehezanteny]] sy hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin' io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa na singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin' ilay teny ikambanany. Arakaraka ny [[Fiteny (heviny mivelatra)|fiteny]] dia mety ho soratana eo aloha na aorian' ny teny ikambanany ny mpanoritra. Tsy ny fteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan' ny zana-tsokajin' ny mpanoritra arakaraka ny fiteny. Arakaraka ny fiteny koa dia tsy voatery ho ny anarana ihany no mety ikambanan' ny mpanoritra fa ny [[matoanteny]] sy ny [[mpamari-toetra]] sns koa ka izany dia mahatonga ireo [[sokajin-teny]] ireo ho afaka hitana ny anjara asa sahanin' ny anarana. Ireto ny mpanoritra ao amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]]: ''i'', ''ny'', ''ilay, ra-''. Ireto kosa ny mpanoritra ao amin' ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]]: ''le'', ''la'', ''les'', ''un'', ''une'', ''des''. Ireto ny mpanoritra ao amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]]: ''the'', ''a'', ''an''. == Karazana mpanoritra == === Mpanoritra mamaritra === Ny [[mpanoritra mamaritra]] dia mpanoritra manamarika andian-teny voasoritra. Ny mpanoritra mamaritra, toy ny amin' ny fiteny anglisy ''the'', dia ampiasaina hanondroana mpikambana ao amin' ny vondrona iray. Mety ho zavatra efa noresahin’ ilay mpiteny izany, na mety ho zavatra voafaritra manokana. Tsy manana afa-tsy mpanoritra mamaritra ny [[fiteny malagasy]] ka ny teny ialohavan' ny mpamaritra dia lazaina hoe "voasoritra". Ohatra: # Give me ''the'' book. ("Omeo ahy <u>ilay</u> boky") (voafaritra) # Give me ''a'' book. ("Omeo boky aho") (tsy voafaritra) === Mpanoritra tsy mamaritra === Ny [[mpanoritra tsy mamaritra]] dia mpanoritra manamarika tarika anarana tsy voafaritra. Ny mpanoritra tsy mamaritra dia ireo toy ny ao amin' ny fiteny anglisy hoe "''some''" na "''a''", izay tsy manondro olona na zavatra manokana. Ny mpanoritra tsy mamaritra dia matetika ampiasaina mpandray anjara vaovao anaty laha-teny. Ohatra: # Give me ''the'' book. ("Omeo ahy <u>ilay</u> boky") (voafaritra) # Give me ''a'' book. ("Omeo boky aho") (tsy voafaritra) === Mpanoritra anaran-tsamirery === Ny mpanoritra anaran-tsamirery dia enti-manondro fa [[anaran-tsamirery]] ilay anarana, ary matetika manondro singa tokana. Mety ho anaran' olona izany, na anaram-biby na anaran-toerana, na anaran-javatra hafa. Ny [[fiteny maôry]] dia manana ny mpanoritra anaran-tsamirery ''a''; ohatra, ''a Pita'' dia midika hoe "i Petera". Amin' ny fiteny maôry, rehefa ny anaran-tsamirery no ahitana mpanoritra mamaritra na tsy mamaritra izay ampahany manan-danja ao aminy, ireo mpanoritra roa ireo dia ampiasaina miaraka; ohatra, ny andian-teny hoe ''a Te Rauparaha'', izay ahitana ny mpanoritra anaran-tsamirery a sy ny mpanoritra mamaritra ''Te'' dia manondro ny anaran' olona hoe ''Te Rauparaha''. Ny [[fiteny malagasy]] koa dia manana mpanoritra anaran-tsamirery (ohatra: ''i'', ''ra''), izay matetika mikambana amin' ilay anaran-tsamirery (ohatra: ''Ikoto'', ''Rakoto''). === Mpanoritra milaza ampahany === Ny [[mpanoritra milaza ampahany]] dia karazana mpanoritra, izay indraindray heverina ho karazana mpanoritra tsy mamaritra, ampiasaina amin' ny anaran-javatra faobe toy ny hoe ''rano'', mba hanondroana ny habetsahana tsy voafaritra. Ny mpanoritra milaza ampahany dia ampiasaina ao amin' ny [[fiteny frantsay]] (''de, du, de la, des'') sy amin' ny [[fiteny italiana]] (''del'', ''dello'', ''della'', ''dell', dei'', ''degli'', ''degl','' ''delle'') ankoatra ny mpanoritra mamaritra sy ny mpanoritra tsy mamaritra. Ohatra: : Fiteny frantsay: ''Veux-tu '''du''' café ?'' ("''Mitady kafe ve ianao?''") Ny [[fiteny haida]] dia manana karazana mpanoritra milaza ampahany (tovana -''gyaa'') ilazana "ampahany amin' ny zavatra iray na amin' ny zavatra iray na maromaro ao amin' ny vondrona na sokajy iray". Ohatra: ''Tluugyaa uu hal tlaahlaang'' ("Manamboatra sambo [iray] izy") (singa ao amin' ny sokajin' ny sambo). === Mpanoritra mandà === Ny mpanoritra mandà dia tsy mamaritra na ny iray amin' ny anarana soritany. Etsy an-danin' izany, ny misy mpahay teny sasany izay mihevitra ny teny toy izany ho [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] tsotra fa tsy mpanoritra. Amin' ny [[fiteny alemàna]], ny mpanoritra mandà ''kein'', ankoatry ny fiovaovana hafa, dia mifanohitra amin' ny mpanoritra tsy mamaritra ''ein''. Ohatra: : ''Ein Hund'' ("alika [iray]) : '''''K'''ein Hund'' ("[tsy misy] alika") Ny mifandraika amin' izany amin' ny [[fiteny neerlandey]] dia ''geen'': : ''Een hond'' ("alika [iray]) : '''''G'''een hond'' ("[tsy misy] alika") === Mpanoritra zerô === Ny mpanoritra zerô dia ny tsy fampiasana mpanoritra. Amin' ny fiteny manana mpanoritra mamaritra, ny tsy fisian' ny mpanoritra dia manondro manokana fa tsy voafaritra ilay anarana. Amin' ny [[fiteny anglisy]], ny mpanoritra zerô fa tsy ny mpanoritra tsy mamaritra no ampiasaina amin' ny anarana amin' ny [[Filaza isa (fitsipiteny)|endrika milaza maro]] sy ny anarana faobe ([[anaran' ny tsy azo isaina]]), na dia azo ampiasaina ho toy ny mpanoritra amin' ny endrika milaza maro tsy voafaritra aza ny teny hoe ''some'' ("sasany"). : ''<u>Visitors</u> walked in <u>mud</u>.'' ("Misy mpitsidika nandeha ao anaty fotaka") == Jereo koa == * [[Sokajin-teny]] * [[Lisitry ny teny ampiasaina amin' ny haiteny]] 35hxqb3nry2wbyintm8qsiz78ykp45h Fahalavoan' ny Olombelona 0 281687 1149434 1121937 2026-08-18T17:54:13Z Oursana 8179 -+Cornelis van Haarlem - De zondeval.jpg 1149434 wikitext text/x-wiki [[Sary:Cornelis van Haarlem - De zondeval.jpg|vignette|Sary nataon' i Cornelis van Haarlem, 1592]] Ny '''fahalavoan' ny olombelona''', ​​ny '''fahalavoan' i Adama''', na ny '''Fahalavoana''' tsotra izao, dia teny ampiasaina ao amin' ny [[fivavahana kristiana]] mba hilazana ny fiovan' ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany avy amin' ny fankatoavana an' [[Andriamanitra]] ho amin' ny toetry ny tsy fankatoavana. Avy amin' ny fandikana ara-Baiboly ny [[Bokin' ny Genesisy|Genesisy]], toko 1-3, ny [[Foto-pampianarana|fotopampianaran]]' ny Fahalavoana. Tamin' ny voalohany dia niara-nipetraka tamin' Andriamanitra tao amin' ny saha [[Edena]] i [[Adama]] sy i [[Eva]], saingy naka fanahy azy ireo ny menarana mba hihinana ny voan' ny [[hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy]], izay efa nandraran' Andriamanitra. Rehefa avy nanao izany izy ireo dia nanjary menatra noho ny fitanjahany ary noroahin' Andriamanitra hiala avy ao amin' ny saha izy ireo mba hisakanana azy tsy hihinana ny voan' ny [[hazon' aina]] ka ho lasa [[Tsy feteza-maty|tsy mety maty]]. Ao amin' ny kristianisma mahazatra ([[Kristianisma nikeana|nikeana]]), ny fotopampianaran' ny Fahalavoana dia mifandray akaiky amin' ny [[fahotana]] tany am-boalohany ([[fahotana tamin' ny fototra]]) na ny [[fahotan' ny razana]]. Mino izy ireo fa ny Fahalavoana dia nitondra ota teto amin' izao tontolo izao, nanimba ny tontolo voajanahary iray manontolo, anisan' izany ny maha olombelona, ​​ka nahatonga ny olombelona rehetra ho teraka tao amin' ny ota tany am-boalohany, izay toe-javatra izay tsy ahafahany mahazo ny [[fiainana mandrakizay]] raha tsy misy ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavan]]' Andriamanitra. Manaiky ny foto-kevitry ny Fahalavoana ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Eglizy Ôrtôdôksa Tatsinanana]] saingy mandà ny fiheverana fa nifindra amin' ny taranaka fara aman-dimby ny heloka noho ny ota tany am-boalohany, izay aorina amin' ny ampahany amin' ny andalana ao amin' ny [[Ezekiela]] 18:20 izay milaza fa tsy meloka amin' ny fahotan' ny rainy ny zanakalahy. Mino ny [[Kalvinisma|Prôtestanta kalvinista]] fa nanolotra ny ainy ho [[sorona]] ho an' ny olom-boafidy i [[Jesoa]], mba [[Fanavotana|hanavotana]] azy ireo amin' ny fahotany. Nozarain' ny Kalvinista sasany ho [[sopralapsariana]] ([[prelapsariana]] na [[antelapsariana]], "talohan' ny Fahalavoana") sy [[infralapsariana]] ([[soblapsarian]] na [[pôstlapsariana]], "taorian' ny Fahalavoana") ny [[lapsarianisma]], izay fahatakarana ny filaharan' ny didin' Andriamanitra mifandraika amin' ny Fahalavoana. Ny fitantarana ny [[Saha Edena]] sy ny fahalavoan' ny olombelona dia [[lovam-pampianarana]] itovian' ny [[fivavahana abrahamika]] rehetra, miaraka amin' ny fanehoana an' ohatra ny fitondran-tena sy ny finoana ara-pivavahana [[Jodeô-kristianisma|jodeô-kristiana]], izay nisy fiantraikany goavana teo amin' ny fiheverana momba ny [[firaisana ara-nofo]], ny andraikitry ny lahy sy ny vavy ary ny fahasamihafan' ny lahy sy ny vavy eo amin' ny [[Tontolo Tandrefana|sivilizasiôna tandrefana]] sy [[sivilizasiôna silamo]]. Tsy toy ny kristianisma ny [[fivavahana abrahamika]] lehibe hafa, ny [[jodaisma]] sy ny [[silamo]], izay tsy manana fampianarana momba ny "fahotana tamin' ny fototra", fa kosa namolavola fandikana hafa samihafa momba ny fitantarana an' i Edena. == Jereo koa == * [[Edena]] * [[Hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy]] * [[Voankazo voarara]] * [[Fahotana tamin' ny fototra]] 42cdluju8e41glsl1nxqaz9gcp4ivyd Aviavy 0 282435 1149431 1136218 2026-08-18T11:59:09Z Thelezifor 15140 Nandamina lahatsoratra 1149431 wikitext text/x-wiki [[Sary:Ficus trichopoda 50125609.jpg|vignette|366x366px|''[[Ficus trichopoda]]'']] Ny '''aviavy''' dia hazo isan-karazany ao amin' ny vondron-karazana ''[[Ficus]]'' ao amin' ny fianakaviana ''[[Moraceae]]''. Tsy ny karazana rehetra ao amin' ny ''Ficus'' koa no atao amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] hoe "aviavy" (ohatra: [[adabo]], [[amontana]], [[fihamy]]). == Karazana antsoina hoe "aviavy" == [[Sary:Ficus polita (nom), vye, Manie van der Schijff BT, b.jpg|vignette|''[[Ficus polita]]'']]Indreto ny karazana atao amin' ny teny malagasy hoe "aviavy" na manana anarana ahitana ny teny hoe "aviavy": * ''[[Ficus carica]]'' -- aviavy, aviavimbazaha * ''[[Ficus lutea]]'' (na [[Ficus lutea|''Ficus baronii'']]) -- aviavindahy amonta, amontambavy, amontana, amontandahy, hafotra, nohondahy, nonokaberavina, nonokorovana, nonondahy, nonosay, voanonoka, voara, voarabe * ''[[Ficus polita]]'' (na ''[[Ficus polita|Ficus megapoda]]'' teo aloha) -- aviavy arafaja, arafanja, aviavimamiomby, aviavindrano, aviavy, fandresy, mandresy, nonoke * ''[[Ficus religiosa]]'' -- aviavinkaràna * ''[[Ficus trichopoda]]'' ''--'' aviavindrano, aviavy fiamy, fingere, manondro, sohihindrano, zaviala, zavy == Zavamaniry atao hoe "aviavy" ao amin' ny Baiboly == [[Sary:Ficus_carica_o_higuera.jpg|thumb|''[[Ficus carica]]''|249x249px]] Ao amin' ny [[Baiboly amin' ny teny malagasy]] dia nadika hoe "aviavy" ny ''[[Ficus carica]]'' (Ohatra: [[Bokin' i Jôela|Jôela]] 1:7)<ref><small>"Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany." (Joela 1:7, ''[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly]]'')</small></ref> sy ny ''[[Ficus sycomorus]]'' (ohatra: [[Boky voalohan' ny Mpanjaka|1Mpanjaka]] 10:27). == Jereo koa == * Anarana nisampana amin' ny hoe "aviavy": ** [[Aviavimamiomby]]: ''[[Ficus megapoda]]'' <small>Baker</small> ** [[Aviavimbazaha]]: ''[[Ficus carica]]'' <small>L.</small> ** [[Aviavindahy]]: ''[[Ficus lutea]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus baronii'' <small>Baker</small>) ** [[Aviavindrano]]: ''[[Ficus megapoda]]'' <small>Baker</small>; ''[[Ficus trichopoda]]'' <small>Baker</small> ** [[Aviavinkaràna]]: ''[[Ficus religiosa]]'' <small>L.</small> * Anarana iantsoana ny karazana ''Ficus'' sasany ** [[Adabo]]: ''[[Ficus cocculifolia]]'' <small>Baker</small> (nefa koa: ''[[Dioscorea sansibarensis]]'' (''[[Dioscoreaceae]]'')) ** [[Amontana]]: ''[[Ficus lutea]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus baronii'' <small>Baker</small>) ** [[Ampaly]]: ''[[Ficus soroceoides]]'' <small>Baker</small> (nefa koa: ''[[Ampalis madagascariensis]]'' <small>Bojer</small> (''[[Moraceae]]''); ''[[Campylospermum obtusifolium]]'' <small>(Lam.) Tiegh.</small> (''[[Ochnaceae]]''); ''[[Pittosporum ochrosiifolium]]'' <small>Bojer</small> (''[[Pittosporaceae]]''))    ** [[Fihamy]]: ''[[Ficus grevei]]'' <small>Baill</small>.; ''[[Ficus assimilis]]'' <small>Baker</small> (← ''Ficus guatteriifolia'' <small>Baker</small>); ''[[Ficus benghalensis]]'' <small>L.</small>; ''[[Ficus trichopoda]]'' <small>Bak.</small> ** [[Nonoka]]: ''[[Ficus lutea]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus baronii'' <small>Baker</small>); ''[[Ficus polita]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus megapoda'' <small>Baker</small>); ''[[Ficus reflexa]]'' <small>Thunb</small>. (← ''Ficus melleri'' <small>Baker</small>.); ''[[Ficus rubra]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus pyrifolia'' <small>Lam</small>.); ''[[Ficus tiliifolia]]'' <small>Baker</small> ** [[Voara]]: ''[[Ficus lutea]]'' <small>Vahl</small> (← ''Ficus baronii'' <small>Baker</small>;); ''[[Ficus pachyclada]]'' <small>Baker</small>; ''[[Ficus tiliifolia]]'' <small>Baker</small> == Loharano sy fanamarihana == [[Sokajy:Hazo]] 20gw7p5jqc520zzzp73zvaqhz1t0xmb Sokajy:Farihy ao Eoropa 14 286037 1149439 1070291 2026-08-19T08:00:40Z ~2026-43677-38 40632 1149439 wikitext text/x-wiki [[Sokajy:Jeografian' Eoropa]] [[Sokajy:Farihy]] [[en:Category:Lakes of Europe]] rv8m7rhb07u86wsjihtl0ii0s3hjg15 Wikipedia:Efemerida/20 Aogositra 4 298650 1149437 1133863 2026-08-19T06:50:59Z JianJi 36396 1149437 wikitext text/x-wiki '''Androany [[20 Aogositra|20 aogositra]]''': * '''[[1960]]''' - Fahaleovantenan'i [[Senegaly|Senegaly]] * '''[[1968]]''' - Nanafika an'i [[Prague]], renivohitr'i [[Tsekôslôvakia|Tsekoslovakia]] ny tafiky ny [[Dinan' i Varsovia|Dinan'i Varsovia]], notarihin'ny [[Firaisana Sovietika]], ka namarana ny Lohataonan'i Prague. * '''[[1988]]''' - Tapitra ny ady nifanaovan'i [[Iràna]] sy [[Iràka]] k2usjbzam128odx3q7e3xc9bjwvp1n8 Dinika:Fiteny antefasy 1 301706 1149436 2026-08-19T02:43:46Z ~2026-45271-76 40767 /* Fiarahabana */ fizarana vaovao 1149436 wikitext text/x-wiki == Fiarahabana == fiarahabana [[Manokana:Fandraisan'anjara/&#126;2026-45271-76|&#126;2026-45271-76]] ([[Dinika amin'ny mpikambana:&#126;2026-45271-76|discussion]]) 19 Aogositra 2026 à 02:43 (UTC) 0a62aihut5hotlwyack9bmneofblihb Sokajy:Farihy any Italia 14 301707 1149440 2026-08-19T08:01:58Z ~2026-43677-38 40632 Pejy noforonina tamin'ny « [[Sokajy:Farihy ao Eoropa]] [[Sokajy:Jeografian' Italia]] » 1149440 wikitext text/x-wiki [[Sokajy:Farihy ao Eoropa]] [[Sokajy:Jeografian' Italia]] 49n8mlbersg1fvyeftjlteea16n7kaf Fifandraisana eto Madagasikara 0 301708 1149441 2026-08-19T11:34:27Z Cia 401 35882 Créé en traduisant la section d'ouverture de la page « [[:en:Special:Redirect/revision/1292057634|Communications in Madagascar]] » 1149441 wikitext text/x-wiki Anisan'ny '''fifandraisana maneran'ny eto [[Madagasikara]]''' ny gazety, radio, fahitalavitra, telefaona finday sy tariby tsy tapaka, sinema ary ny Aterineto. pryp4d4h5wns7ja002erkaiccn95yc6